1 Niteny tamin'i Mosesy i Yaveh, nanao hoe: 2 "Raha misy olona manota ary mandika ny lalàna manohitra an'i Yaveh, toy ny hoe mifampiraharaha ambadika miaraka amin'ny namany mahakasika ny zavatra izay nankinina taminy, raha mamitaka izy na mandroba azy, na nampahory ny namany, 3 na nahita zavatra izay noverezin'ny namany ka mandainga ny amin'izany, ary mianiana amin'ny lainga, na ny amin'ireo zavatra tahaka ny hanotan'ny olona, 4 dia, raha manota izy ka meloka, dia tsy maintsy hamerina izay rehetra nalainy tamin'ny alalan'ny fandrobana na fampahoriana na naka izay nankinina taminy na zavatra very ka hita indray. 5 Na nandainga ny amin'ny zava-drehetra izy, dia tsy maintsy hamerina manontolo izany ary tsy maintsy hanampy iray am-pahadimy honerana amin'izay tompon'izany, amin'ny andro izay naha meloka azy. 6 Dia tsy maintsy hitondra ny fanati-panonerany ho an'i Yaveh izy: ondry lahy tsy misy kilema avy amin'ny ondry aman'osy izay mendrika ny tombam-bidiny, ho fanati-panonerana ho an'ny mpisorona. 7 Hanao fanavotana ho azy eo anoloan'i Yaveh ny mpisorona, ary ho voavela amin'izay rehetra nahatonga azy ho meloka amin'ny ny nataony izy." 8 Dia niteny tamin'i Mosesy i Yaveh, nanao hoe: 9 "Didio i Arona sy ireo zanany, lazao hoe: 'Izao no lalàn'ny fanatitra dorana: Tsy maintsy eo ambony fatan'ny alitara mandritra ny alina manontolo mandra-paraina ny fanatitra dorana, ary ny afon'ny alitara dia havela hirehitra hatrany. 10 Hanao ny akanjo rongony fotsiny ny mpisorona, ary hanao ny atin'akanjo rongony fotsiny ihany koa izy. Haka ireo lavenona izay tavela taorian'ny nandevenan'ny afo ny fanatitra dorana eo ambony alitara izy, ary hametraka ireo lavenona eo akaikin'ny alitara. 11 Hanala ireo fitafiny izy ary hampiditra ireo akanjony hafa mba hitondrana ireo lavenona hivoaka ny toby ho any amin'ny toerana izay madio. 12 Ny afo eo amin'ny alitara dia havela hirehitra hatrany. Aoka tsy hivoaka izany, ary ireo mpisorona dia handoro hazo eo ambonin'izany isa-maraina. Handamina ny fanatitra dorana araka izay takiana amin'izany izy, ary handoro ny saboran'ny fanati-pihavanana izy. 13 Avela hirehitra eo ambony alitara mandrakariva ny afo. Aoka tsy hivoaka izany. 14 Izao no lalàn'ny fanatitra voa. Hanolotra izany eo anoloan'i Yaveh manoloana ny alitara ireo zanaka lahin'i Arona. 15 Haka koba tsara toto eraky ny tanana amin'ny fanatitra voa sy amin'ny diloilo ary ditin-kazo manitra izay eo ambonin'ny fanatitra voa ny mpisorona, ary handoro izany eo ambony alitara mba hamoaka fofona manitra tahaka ny fanati-pahatsiarovana izany. 16 Hihinana izay sisa amin'ny fanatitra i Arona sy ireo zanany lahy. Tsy maintsy hohanina tsy misy lalivay ao amin'ny fitoerana masina izany. Hihinana ao amin'ny kianjan'ny trano-lay fihaonana izy ireo. 17 Aoka tsy handrahoina miaraka amin'ny lalivay izany. Nomeko ho anjaran'izy ireo amin'ny fanatitro natao tamin'ny afo izany. Masina indrindra izany, tahaka ny fanatitra nohon'ny ota ary fanati-panonerana izany. 18 Fa mandritra ireo fotoana rehetra hatongavan'ireo taranakao fara mandimby, ireo taranaka lahy sasany avy amin'i Arona dia aoka hihinana izany tahaka ny fizaràny, nalaina avy tamin'ireo fanatitr'i Yaveh natao tamin'ny afo. Na iza na iza mikasika izany dia ho tonga masina."' 19 Ka niteny tamin'i Mosesy indray i Yaveh, nanao hoe: 20 "Izao no fanatitr'i Arona sy ireo zanany lahy, izay homen'izy ireo an'i Yaveh amin'ny andro izay hanosorana ireo zanaka lahy rehetra: ny ampahafolon'ny efaha iray amin'ny koba tsara toto ho fanatitra voa fanao mahazatra, antsasany amin'izany amin'ny maraina ary ny antsasany amin'izany amin'ny hariva. 21 Ho vita amin'ny menaka anaty lasitra mofo izany. Rehefa vonto menaka izany, dia ho entinao miditra. Voaendy no hanoloranao ny fanatitra voa mba hamoaka hanitra malefaka ho an'i Yaveh. 22 Ny zanaka lahin'ny mpisoronabe izay tonga ho mpisoronabe vaovao amin'ireo zananilahy no hanolotra izany. Araka ny efa nandidiana hatrizay, dia hodorana ho an'i Yaveh avokoa izany. 23 Ny fanatitra voan'ny mpisorona dia ho dorana manontolo. Aoka tsy ho hoanina izany." 24 Niteny tamin'i Mosesy indray i Yaveh, nanao hoe: 25 "Mitenena amin'i Arona sy ireo zanany lahy, manao hoe: ''Izao no lalàn'ny fanatitra noho ny fahotana: Ny fanatitra nohon'ny fahotana dia tsy maintsy vonoina eo amin'ny toerana izay namonoana ny fanatitra dorana eo anoloan'i Yaveh. Izany no masina indrindra. 26 Ny mpisorona izay hanolotra izany ho an'ny fahotana dia hihinana izany. Tsy maintsy hohanina any amin'ny fitoerana masina ao amin'ny kianjan'ny tranolay fihaonana izany. 27 Na iza na iza mikasika ny henan'izany dia ho tonga masina, ary raha misy rà mifafy amin'ny akanjo, dia tsy maintsy sasana any amin'ny toerana masina ny faritra izay nipitihany. 28 Fa ny vilany tanimanga izay nampangotrahana izany dia hovakiana. Raha nampangotrahana tanaty vilany varahina izany, dia aoka hokosehina sy hosasana madio amin'ny rano izany. 29 Ny lehilahy sasany amin'ireo mpisorona dia mahazo mihinana amin'izany satria masina indrindra izany. 30 Fa raha misy fanatitra nohon'ny fahotana ka entina ao amin'ny trano-lay fihaonana mba hanaovana fanonerana ny ràny dia aoka tsy hohanina. Aoka hodorana izany.