1 "Aoka ianareo tsy hanao ireo sampy, na hanangana sarin-javatra voasokitra na tsangam-bato masina, ary aoka ianareo tsy hametraka sary vato voasokitra ao amin'ny taninareo izay hiankohofanareo, fa Izaho no Yaveh Andriamanitrareo. 2 Aoka hitandrina ireo Sabatako sy hanome voninahitra ny fitoerako masina ianareo. Izaho no Yaveh. 3 Raha manaraka ireo lalàko sy mitandrina ireo didiko ary mankato izany ianareo, 4 dia hanome orana anareo amin'ny vanim-potoany Aho; hanome ny vokany ny tany, ary ireo hazon'ny saha hamokatra ireo voany. 5 Ary ny fivelesam-bary dia hitohy amin'ny fotoan'ny fiotazam-boaloboka, ary hihitatra hatramin'ny fotoam-pambolena ny voka-boaloboka. Hihinana ny mofonareo mandra-pahavoky ianareo ary hiaina am-pilaminana any amin'izay nataonareo fonenana ao amin'ny tany. 6 Hanome fiadanana ao amin'ny tany Aho; handry miaraka amin'ny zavatra tsy hampahotra anareo ianareo. Hamongotra ireo biby mandoza amin'ny tany Aho, ary tsy handalo amin'ny taninareo ny sabatra. 7 Hanenjika ireo fahavalonareo ianareo, ka ho lavo eo anoloanareo amin'ny alalan'ny sabatra izy ireo. 8 Dimy aminareo hanenjika zato, ary zato aminareo hanenjika iray alina; ho lavo eo anoloanareo amin'ny alalan'ny sabatra ireo fahavalonareo. 9 Hijery anareo amim-pankasitrahana Aho ary hampamokatra sy hampitombo isa anareo; hametraka ny fanekeko aminareo Aho. 10 Hihinana ireo hanina voatahiry amin'ny fotoana maharitra ianareo. Tsy maintsy hamoaka ireo sakafo voatahiry ianareo satria hilainareo ho an'ny vokatra vaovao ny efitra. 11 Hametraka ny tabernakeliko eo aminareo Aho, ary tsy hankahala anareo Aho. 12 Handeha eo aminareo Aho ary ho Andriamanitrareo, ary ianareo ho oloko. 13 Izaho no Yaveh Andriamanitrareo izay nitondra anareo nivoaka ny tany Egypta, mba tsy ho andevon'izy ireo ianareo, nanapaka ny hidin'ny zioganareo Aho ary nampandeha anareo mahitsy. 14 Fa raha tsy hihaino Ahy ianareo, ary tsy hankato ireo didiko rehetra, 15 ary raha mandà ireo didiko sy mankahala ireo lalàko, ary tsy mankato ireo didiko rehetra ianareo, fa hivadihanareo ny fanekeko— 16 —raha manao ireo zavatra ireo ianareo, dia hanao izao aminareo Aho: Hampisy horohoro aminareo Aho, aretina sy tazo izay hanimba ny maso sy hanimba ny ainareo. Hamboly ireo voa ho zava-poana ianareo, satria ireo fahavalonareo no hihinana ny vokany. 17 Hanandrina ny tavako hanohitra anareo Aho, ary hanjakan'ireo fahavalonareo tanteraka ianareo. Hanapaka anao ireo lehilahy izay mankahala anao, dia handositra ianao, na dia tsy misy na iray aza manenjika anao. 18 Raha tsy mihaino ireo didiko ianareo, dia hanafay am-pahasiahana anareo im-pito nohon'ny fahotanareo Aho. 19 Handrava ny avonavonareo anatin'ny herinareo Aho. Hanao ny lanitra eo amboninareo ho toy ny vy Aho ary ny taninareo tahaka ny varahina. 20 Hampiasaina amin'ny zava-poana ny tanjakareo, satria tsy hamokatra ny vokany ny taninareo, ary ireo hazo ao amin'ny tany dia tsy hamokatra ireo voany. 21 Raha mandeha manohitra Ahy ianareo ary tsy hihaino Ahy, hitondra famelezena im-pito avo heny eo aminareo Aho, araka ny fahotanareo. 22 Handefa ireo biby mandoza hanohitra anareo Aho, izay hangalatra ireo zanakareo, handrava ny biby fiompinareo, ary hahavitsy isa anareo. Ka ho tonga ngazana ny lalanareo. 23 Na dia eo aza izany zavatra izany ka mbola tsy manaiky ny fanitsiako ihany ianareo ary mandeha manohitra Ahy hatrany, 24 dia handeha hanohitra anareo ihany koa Aho, dia Izaho mihitsy no hanafay anareo im-pito noho ireo fahotanareo. 25 Hitondra sabatra eo aminareo Aho izay hanatanteraka ny famaliana nohon'ny fivadihana tamin'ny fanekeko. Hangonina miaraka ao an-tanànareo ianareo, dia handefa aretina eo aminareo any Aho, dia hatolotra ho eo an-tanan'ireo fahavalonareo ianareo. 26 Rehefa hotapahiko ny sakafo vatsinareo, dia vehivavy folo dia hahavita hanendy ny mofonareo anaty lafaoro iray, dia hizara ny mofonareo ara-danja izy ireo. Hihinana ianareo fa tsy ho afa-po. 27 Raha tsy mihaino Ahy ianareo na dia eo aza ireny zavatra ireny, fa mbola mandeha manohitra Ahy hatrany, 28 dia handeha hanohitra anareo amim-pahatezerana hatrany Aho, ary hanafay anareo im-pito avo heny mihoatra nohon'ny fahotanareo. 29 Hihinana ny nofon'ireo zanakareo lahy ianareo; hihinana ny nofon'ireo zanakareo vavy ianareo. 30 Handrava ireo fitoeranareo avo Aho, hanapaka ireo alitaran'ny ditin-kazo manitra, ary hanary ny fatinareo eo ambonin'ny fatin'ireo sampinareo, dia Izaho mihitsy no hankahala anareo. 31 Hamadika ireo tanànanareo ho faharavana Aho ary handrava ireo fitoeranareo masina. Tsy ho faly amin'ny hanitrin'ireo fanatitrareo Aho. 32 Handrava ny taninareo Aho. Ireo fahavalonareo izay honina any dia ho talanjona amin'ny faharavana. 33 Hampiely anareo manerana ireo firenena Aho, ary hanatsoaka ny sabatro sy hanaraka anareo Aho. Hilaozana ny taninareo, ary ho ravana ireo tanànanareo. 34 Dia hitia ny Sabatany ny tany mandritra ny handriany ho lao ary ho ao amin'ny tanin'ny fahavalonareo ianareo. Mandritr'izany fotoana izany, hitsahatra ny tany ka hitia ireo Sabatany. 35 Raha mbola handry ho lao izany, dia hanana fitsaharana, izay ho fitsaharana tsy azony tamin'ny Sabatanareo, rehefa nonina tao ianareo. 36 Ary ny amin'ny sasany aminareo izay navela any amin'ny tanin'ireo fahavalonareo, dia handefa tahotra amin'ny fonareo Aho ka na dia ravina voatsokan'ny rivotra aza dia hanaitra anareo, dia handositra tahaka ny hoe nitsoaka amin'ny sabatra ianareo. Hianjera ianao, na dia tsy misy na iza na iza manenjika aza. 37 Ho tafintohina eo amin'ny tsirairay tahaka ny hoe mandosi-tsabatra ianareo, na dia tsy misy na iza na iza aza manenjika anareo. Tsy hanana hery hitsanganana manoloana ireo fahavalonareo ianareo. 38 Ho faty any amin'ireo firenena ianareo, ary handrapaka anareo ireo tanin'ny fahavalonareo. 39 Ireo izay sisa tavela aminareo dia ho very ao anatin'ny fahotan'izy ireo, ao amin'ny tanin'ireo fahavalonareo, ary noho ireo heloky ny razamben'izy ireo dia hihaosa izy ireo. 40 Fa raha miaiky ireo fahotany sy ny fahotan'ireo razambeny izy ireo, sy ireo famadihana izay tsy nahatokisana tamiko, ary koa ny fandehanana manohitra Ahy— 41 izay nahatonga Ahy hivadika amin'izy ireo ary nitondrako azy ireo tany amin'ny tanin'ireo fahavalony— raha mietry ny fo tsy voaforan'izy ireo , ary raha manaiky ny famaizako ho an'ireo fahotany izy ireo, 42 dia hotsaroiko ny fanekeko niaraka tamin'i Jakoba, ny fanekeko niaraka tamin'i Isaka, ary ny fanekeko niaraka tamin'i Abrahama; hotsaroiko ihany koa ny tany. 43 Hilaozan'izy ireo ny tany, ka ho faly miaraka amin'ny Sabatany izany mandritra ny handriany ho lao tsy misy azy ireo. Ka tsy maintsy hanonitra ho an'ireo otany izy ireo satria izy ireo mihitsy no nandà ireo fitsipiko sy nankahala ireo lalàko. 44 Fa na dia eo aza izany rehetra izany, rehefa any an-tanin'ireo fahavalony izy ireo, dia tsy hanary azy ireo Aho, na hankahala azy ka handrava tanteraka azy ireo sy hanafoana ny fanekeko niaraka tamin'izy ireo, fa Izaho no Yaveh Andriamanitr'izy ireo. 45 Fa hotsaroiko ho azy ireo ny fanekena niaraka tamin'ireo razambeny, izay nentiko nivoaka ny tany Egypta teo imason'ireo firenena, mba ho Andriamanitr'izy ireo Aho. Izaho no Yaveh.'' 46 Ireo no didy, fitsipika, ary lalàna izay nataon'i Yaveh teo Aminy sy ny vahoakan'Israely tany an-tendrombohitr'i Sinay tamin'ny alalan'i Mosesy.