1 Niresaka tamin'i Mosesy i Yaveh—izany dia taorian'ny nahafatesan'ireo zanak'i Arona roa lahy, rehefa nandeha nanakaiky an'i Yaveh izy ireo ary maty avy eo. 2 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Miresaha amin'i Arona rahalahinao ary lazao izy mba tsy ho tonga amin'ny fotoana rehetra any amin'ilay fitoerana masina indrindra anatin'ny efitra lamba, eo anoloan'ny sarom-panavotana izay eo amin'ny fiara. Raha manao izany izy, dia ho faty, satria miseho amin'ny rahona eo amin'ilay sarom-panavotana Aho. 3 Koa izao no fomba tokony ahatongavan'i Arona ao amin'ilay toerana masina indrindra. Aoka izy hiditra miaraka amin'ny vantotr'omby lahy ho fanatitra nohon'ny ota, ary ondry lahy ho fanatitra dorana. 4 Tsy maintsy manao ny akanjo lava masina vita amin'ny lamba rongony fotsy izy, ary tsy maintsy manao atin'akanjo vita amin'ny rongony fotsy ary tsy maintsy manao fehin-kibo rongony fotsy sy hamama rongony fotsy. Ireo no fitafiana masina. Tsy maintsy mampandro ny tenany amin'ny rano izy ary avy eo mitafy ireo akanjo ireo. 5 Tsy maintsy maka osy lahy roa avy amin'ireo fivondronan'ny vahoakan' Israely izy ho fanatitra nohon'ny ota ary ondry lahy iray ho fanatitra dorana. 6 Avy eo aoka Arona hanolotra ilay vantotr'omby lahy ho fanatitra nohon'ny ota, izay ho an'ny tenany, mba hanaovana fanavotana ho an'ny tenany sy ny fianakaviany. 7 Avy eo dia haka ireo osy lahy roa izy ary hametraka ireo eo anatrehan'i Yaveh eo amin'ny fidirana ao amin'ny lay fihaonana. 8 Avy eo Arona tsy maintsy miloka an'ireo osy roa, loka iray ho an'i Yaveh, ary ny loka iray hafa ho an'ny azazela. 9 Tsy maintsy manolotra ilay osy eo amin'ilay nianjeran'ny loka ho an'i Yaveh i Arona avy eo, ary manolotra izany osy izany ho fanatitra nohon'ny ota. 10 Fa ilay osy izay nianjeran'ny loka ho an'ilay azazela dia tsy maintsy entina velona eo anatrehan'i Yaveh, mba hanaovana fanavotana amin'ny fandefasana azy toy ny azazela mankany an'efitra. 11 Avy eo Arona dia tsy maintsy nanolotra ilay vantotr'omby lahy ho an'ny fanatitra nohon'ny ota, izay ho an'ny tenany. Tsy maintsy manao fanavotana ho an'ny tenany sy ho an'ny fianakaviany izy, ka tsy maintsy mamono ilay vantontr'omby lahy ho fanatitra nohon'ny ota ho an'ny tenany izy. 12 Tsy maintsy maka fitondran'afo feno vain'afo avy eo amin'ny alitara eo anatrehan'i Yaveh i Arona, miaraka amin'ny ditin-kazo manitra madinika eran'ny tanana, ary mitondra ireo zavatra ireo ao anatin'ny efitra lamba. 13 Ao izy no tsy maintsy mametraka ilay ditin-kazo ho ao anaty afo eo anatrehan'i Yaveh mba handrakotra ilay rakotra fanaovam-panavotana eo ambonin'ireo didim-panekana ilay rahona avy amin'ilay ditin-kazo. Tsy maintsy manao izany izy mba tsy ho faty. 14 Avy oe dia tsy maintsy maka amin'ny ràn'ilay vantitr'omby lahy izy ka hamafy izany amin'ny tanany eo anoloan'ilay rakotra fanaovam-panavotana. Tsy maintsy mamafy ny sasany amin'ilay rà amin'ny rantsan-tanany im-pito eo anatrehan'ilay rakotra fanaovam-panavotana izy. 15 Dia hamono ilay osy lahy ho fanatitra nohon'ny ota izay ho an'ny vahoaka ary hitondra ny ràny ho ao anatin'ny efitra lamba izy. Tsy maintsy manao toy ny efa nataony tamin' ilay rà no ataony amin'ny ràn'ilay vantotr'omby lahy: tsy maintsy mamafy izany eo amin'ny rakotra fanaovam-panavotana izy ary avy eo anoloan'ny rakotra fanaovam-panavotana. 16 Tsy maintsy manao fanavotana ho an'ilay toerana masina izy noho ireo asa maloton'ny vahoakan'Israely, sy nohon'ny fikomian'izy ireo sy ny fahotany rehetra. Tsy maintsy manao izany ho an'ny lay fihaonana ihany koa izy, izay hitoeran'i Yaveh eo amin'izy ireo, amin'ny fanatrehan'ireo asa maloton'izy ireo. 17 Tsy misy tokony ho ao amin'ny lay fihaonana rehefa miditra ao amin'izany mba hanao fanavotana ao amin'ilay toerana masina indrindra i Arona, ary mandra-pivoakany sy mandra-pahavitany ny fanavotana ho an'ny tenany sy ho an'ny fianakaviany, ary ho an'ny fivondronan'Israely rehetra. 18 Tsy maintsy mivoaka eo amin'ny alitara izay eo anatrehan'i Yaveh izy ary manao fanavotana ho an'izany, ary tsy maintsy maka amin'ny ràn'ilay vantitr'omby lahy sy ny amin'ny ràn'ilay osy lahy izy ary mametraka izany manodidina ny tandroky ny alitara rehetra. 19 Tsy maintsy mamafy ny ampahany amin'ilay rà eo amin'izany amin'ny tanany im-pito izy mba hanadiovana izany sy hanokanana izany ho an'i Yaveh, lavitr'ireo asa maloton'ny vahoakan'Israely. 20 Rehefa vitany ny fanavotana an'ilay toerana masina indrindra, ny lay fihaonana, sy ny alitara, dia tsy maintsy manolotra ilay osy lahy velona izy. 21 Tsy maintsy mametraka ny tanany eo an-dohan'ilay osy lahy velona izy ary miaiky ireo faharatsina rehetran'ny vahoakan'Israely, ny fikomiany rehetra, sy ny fahotany rehetra eo aminy. Avy eo izy dia tsy maintsy mametraka izany ota izany eo an-dohan'ilay osy lahy velona ary mandefa ilay osy lahy ho entin'ny lehilahy izay vonona hitarika ilay osy ho any an'efitra. 22 Tsy maintsy entin'ilay osy lahy mankany an'efitra ny faharatsian'ny vahoaka rehetra. Any an'efitra any, dia tsy maintsy hamela ilay osy ilay lehilahy. 23 Avy eo dia tsy maintsy miverina any amin'ny lay fihaonana i Arona ary hanala ireo akanjo rongony fotsy izay nanaovany mialohan'ny nandehanana ho ao amin'ilay toerana masina indrindra, ary tsy maintsy mamela ireo akanjo ireo ao izy. 24 Tsy maintsy mampandro ny vatany amin'ny rano any amin'ny toerana masina izy, ary manao akanjo tsotra; avy eo dia tsy maintsy mivoaka izy ary manolotra ny fanatiny dorana sy ny fanatitra dorana ho an'ny vahoaka, ary amin'izany fomba izany dia hanao fanavotana ho an'ny tenany sy ho an'ny vahoaka. 25 Tsy maintsy mandoro ny sabora amin'ilay fanatitra nohon'ny ota eo amin'ny alitara izy. 26 Izay nandefa ilay azazela dia tsy maintsy manasa ny akanjony sy mandro amin'ny rano; aorian'izany, dia hiverina any amin'ny toby izy. 27 Ilay vantotr'omby lahy ho an'ny fanatitra nohon'ny ota sy ilay osy lahy ho an'ny fanatitra nohon'ny ota, izay nentina nanaovana fanavotana tany amin'ny toerana masina ny ràny, dia tsy maintsy entina ivelan'ny toby. Any izy ireo no tsy maintsy mandoro ny hodiny, ny nofony, ary ny tain-drorohany. 28 Ilay lehilahy izay mandoro ireo faritra ireo dia tsy maintsy manasa ny akanjony sy mampandro ny tenany amin'ny rano; aorian'izany, dia hiverina any amin'ny toby izy. 29 Ho lalàna mandrakizay ho anareo amin'ny volana faha-fito, amin'ny andro fahafolon'ny volana izany, aoka ianareo , na ny tompon-tany na ny vahiny izay miaina eo aminareo hanetri-teny sy tsy hiasa. 30 Izany dia satria amin'izany andro izany ny fanavotana dia ho atao ho anareo, mba hanadiovana anareo amin'ny fahotanareo rehetra mba hadio eo anatrehan'i Yaveh ianareo. 31 Ho Sabata fitsaharana manetriketrika ho anareo izany, ary tsy maintsy manetri-tena sy tsy miasa ianareo. Ho lalàna mandrakizay eo aminareo izany. 32 Ny mpisoronabe, izay ho hosorana sy ho tondroina ho mpisoronabe eo amin'ny toeran'ny rainy, dia tsy maintsy manao izany fanavotana izany sy manao ireo akanjo rongony fotsy, izany dia, ilay akanjo masina. 33 Tsy maintsy manao fanavotana ho an'ilay toerana masina indrindra izy; tsy maintsy manao fanavotana ho an'ny lay fihaonana sy ho an'ny alitara izy, ary tsy maintsy manao fanavotana ho an'ireo mpisorona sy ny vahoaka rehetra ao amin'ny fivondronana izy. 34 Ho lalàna ho anareo mandrakizay izany, mba hanaovana fanavotana ho an'ny vahoakan'Israely nohon'ny otany rehetra, indray mandeha isan-taona." Vita araka ny nandidian'i Yaveh an'i Mosesy izany.