Toko faha 13

1 Niresaka tamin'i Mosesy sy Arona i Yaveh, nanao hoe: 2 "Rehefa misy mamontsina na manako-pery na mifaritra mangirana amin'ny hoditry ny vatany, ka lasa mamindra izany ary misy aretin-koditra ny vatany, dia tsy maintsy entina any amin'ny Arona mpisoronabe izy, na amin'iray amin'ireo zanany lahy mpisorona. 3 Avy eo ilay mpisorona dia hizaha ny aretina eo amin'ny hoditrin'ny vatany. Raha nivadika fotsy ny volo eo amin'ny faritr'ilay aretina, ary raha hita fa lalina kokoa noho ny eo amin'ny hoditra fotsiny ilay aretina, dia lasa areti-mifindra izany. Ary aorian'ny fizahan'ny mpisorona azy, dia tsy maintsy manambara azy ho maloto izy. 4 Raha fotsifotsy ny mifaritra mangirana amin'ny hodiny, ary ny endrin'izany dia tsy lalina kokoa noho ny amin'ny hoditra, ary raha tsy mivadika fotsy ny volo amin'ny faritry ny aretina, dia tsy maintsy atokan'ilay mpisorona monina mandritra ny hafitoana ilay iray misy aretina . 5 Amin'ny andro fahafito, dia tsy maintsy mizaha azy ilay mpisorona mba hijery raha tsy miha-ratsy ilay aretina raha ny heviny, ary raha tsy miparitaka amin'ny hoditra izany. Raha tsy misy izany, dia tsy maintsy mampitoka-monina azy mandritra ny hafitoana na mihoatra ilay mpisorona. 6 Hizaha azy indray ilay mpisorona amin'ny andro fahafito mba hijery raha miha-tsara ilay aretina ary tsy miparitaka manerana ny hoditra. Raha tsy misy izany, dia hilaza azy ho madio ilay mpisorona. Manako-pery izany. Tsy maintsy manasa ny fitafiany izy, ary dia hadio izy. 7 Fa raha miparitaka amin'ny hoditra indray izany fery izany taorian'ny nampisehoany ny tenany tamin'ny mpisorona ny amin'ny fahadiovany. 8 dia tsy maintsy haneho ny tenany eo amin'ilay mpisorona indray izy avy eo. Hizaha azy ilay mpisorona mba hijery raha niparitaka manerana ny hoditra ilay fery. Raha niparitaka izany, dia tsy maintsy manambara azy ho maloto ilay mpisorona. Areti-mifindra izany. 9 Raha misy areti-koditra mifindra amin'ny olona, dia tsy maintsy entina any amin'ny mpisorona izy. 10 Hizaha azy ny mpisorona mba hizahana raha misy mamontsina fotsy amin'ilay hoditra, raha mivadika fotsy ny volo, na raha misy nofo mangana amin'ny mamontsina. 11 Raha misy, dia areti-koditra mitaiza izany, ary tsy maintsy manambara azy ho maloto ny mpisorona. Tsy hanokana monina azy izy, satria efa maloto izy. 12 Raha miparitaka be amin'ny hoditra ilay aretina ary mandrakotra ny hoditr'ilay olona rehetra ilay aretina hatrany amin'ny tampon-dohany ka hatrany amin'ny tongony, raha vao hitan'ny mpisorona izany, 13 dia tsy maintsy hizaha azy ilay mpisorona mba hijery raha mandrakotra ny vatany rehetra ilay aretina. Raha misy izany, dia tsy maintsy manambara an'ilay olona misy aretina ho madio ny mpisorona. Raha nivadika fotsy avokoa izany, dia madio izy. 14 Fa raha misy nofo mangana miseho eo aminy, dia haloto izy. 15 Tsy maintsy mijery an'ilay nofo mangana ilay mpisorona ary manambara azy ho maloto satria maloto ilay nofo mangana. Areti-mifindra izany. 16 Fa raha mivadika fotsy indray ny nofo mangana, dia tsy maintsy mandeha any amin'ny mpisorona ilay olona. 17 Hizaha azy ilay mpisorona mba hijerena raha nivadika fotsy ilay nofo. Raha nivadika izany dia hanambara ilay olona ho madio ilay mpisorona. 18 Raha misy vay eo amin'ny hoditra ny olona iray ka sitrana izany, 19 ary raha misy mamontsina fotsy na holatry ny fery, mena fotsy eo amin'ny toeran'ilay vay, dia tsy maintsy aseho an'ilay mpisorona izany. 20 Hizaha izany ilay mpisorona mba hijery raha miha-milentika ambanin'ny hoditra izany, ary raha nivadika fotsy ny volo eo. Raha izany, dia tsy miantsy manambara azy ho maloto ilay mpisorona. Areti-mifindra izany, raha mitombo eo amin'ilay toerana izay nisy ilay vay izany. 21 Fa raha mizaha izany ilay mpisorona ka mahita fa tsy misy volo fotsy eo amin'izany, ary tsy ao ambanin'ny hoditra izany fa efa niala, dia tsy maintsy hatokan'ily mpisorona monina mandritra ny hafitoana izy . 22 Raha miparitaka be amin'ny hoditra izany, dia tsy maintsy manambara azy ho maloto ilay mpisorona. Areti-mifindra izany. 23 Fa raha mijanona amin'ny toerany ilay holatry ilay fery fa tsy niparitaka, dia holatr'ilay vay izany, ka tsy maintsy hanambara azy ho madio ilay mpisorona. 24 Rehefa misy may ny hoditra ary lasa somary mena-fotsy na faritra fotsy ilay nofo mangana may, 25 dia hizaha izany ilay mpisorona mba hijery raha nivadika fotsy ny volo amin'izany faritra izany, ary raha hita fa lalina kokoa noho ilay teo amin'ny hoditra izany. Raha misy izany, dia areti-mifindra. Lasa habokana teo amin'ilay may izany, ary tsy maintsy manambara azy ho maloto ilay mpisorona. Areti-mifindra izany. 26 Fa raha mizaha izany ilay mpisorona ka mahita fa tsy misy volo fotsy amin'ilay faritra, ary tsy ao ambanin'ny hoditra izany fa matroka, dia tsy maintsy hatokan'ny mpisorona monina mandritra ny hafitoana izy. 27 Avy eo dia tsy maintsy mizaha azy ilay mpisorona amin'ny andro fahafito. Raha niparitaka be tamin'ny hoditra izany, dia tsy maintsy manambara azy ho maloto ilay mpisorona, Areti-mifindra izany. 28 Raha mijanona eo amin'ny toerany ilay faritra ary tsy miparitaka amin'ny hoditra fa matroka, dia famontsinana avy amin'ilay may izany, ary ny mpisorona dia tsy maintsy hanambara azy ho madio, fa zavatra tsy misy dikany izany mihoatra noho ny holatry ny may. 29 Raha misy lehilahy na vehivavy misy areti-mifindra eo amin'ny loha na saoka, 30 dia tsy maintsy mizaha ilay olona amin'ny areti-mifindra ilay mpisorona mba hijery raha miseho lalina kokoa noho ny eo amin'ny hoditra izany, ary raha misy mavomavo, volo manify ao amin'izany. Raha misy, dia tsy maintsy manambara azy ho maloto ilay mpisorona. Hidihidy izany, areti-mifindra eo amin'ny loha na amin'ny saoka izany. 31 Raha mizaha ilay aretin'ny hidihidy ilay mpisorona ka mahita fa tsy eo ambanin'ny hoditra izany, ary raha tsy misy volo mainty amin'izany, dia hampitoka-monina an'ilay olona misy aretin'ny hidihidy ilay mpisorona mandritra ny hafitoana. 32 Amin'ny andro fahafito dia hizaha ilay aretina ilay mpisorona mba hijery raha niparitaka izany. Raha tsy misy volo mavomavo, ary raha toy ny hatevin'ny hoditra fotsiny ny fahitana ilay aretina, 33 dia tsy maintsy ho solaina izy, fa ilay faritra misy ny aretina dia tsy tokony ho solaina, ary ny mpisorona dia tsy maintsy hampitoka-monina an'ilay olona amin'ny aretin'ny hidihidy mandritra ny hafitoana. 34 Amin'ny andro fahafito dia hizaha ilay aretina ilay mpisorona mba hijery raha nitsahatra niparitaka tamin'ny hoditra izany. Raha hita ho tsy matevina noho ny hoditra izany, dia tsy maintsy hanambara azy ho madio ny mpisorona. Tsy maintsy manasa ny akanjony ilay olona, dia hadio izy avy eo. 35 Fa raha miha-miparitaka amin'ny hoditra ilay aretin'ny hidihidy taorian'ny nilazan'ilay mpisorona fa madio izy, 36 dia tsy maintsy mizaha azy indray ilay mpisorona. Raha miparitaka amin'ny hoditra ilay aretina, dia tsy mila mitady volo mavomavo intsony ilay mpisorona. Maloto ilay olona. 37 Fa raha amin'ny fijerin'ny mpisorona dia efa nijanona niparitaka ilay aretin'ny hidihidy ary nisy volo mainty naniry teo amin'ny faritra, avy eo dia sitrana ilay aretina. Madio izy, ary tsy maintsy manambara azy ho madio ilay mpisorona. 38 Raha misy lehilahy na vehivavy misy faritra fotsy amin'ny hoditra, 39 dia tsy maintsy mizaha ilay olona ilay mpisorona mba hijery raha matroka ilay faritra, izay fery vaky teo amin'ny hoditra fotsiny ihany. Dia madio izy. 40 Raha mihintsana amin'ny lohany ny volon'ny olona iray, dia sola izy, fa madio. 41 Raha milatsaka avy eo amin'ny tampon-dohany ny volony, ary sola ny tampon-kandriny, dia madio izy. 42 Fa raha misy ratra mena-fotsy eo amin'ny lohany sola na tampon-kandriny, dia areti-mifindra izay vaky aty ivelany izany. 43 Avy eo dia tsy maintsy mizaha azy ilay mpisorona mba hijery raha mena-fotsy ilay faritra mivonton'ilay aretina eo amin'ny lohany sola na ny tampon-kandriny, tahaka ny endriky ny areti-mifindra amin'ny hoditra. 44 Raha izany, dia misy areti-mifindra sy maloto izy. Tsy maintsy manambara azy ho maloto tokoa ilay mpisorona nohon'ny aretiny eo amin'ny lohany. 45 Ny olona izay misy areti-mifindra dia tsy maintsy manao akanjo rovitra, tsy maintsy asarakorako ny volony, ary tsy maintsy manarona ny tavany hatreo amin'ny orony izy ary miantsoantso hoe: 'Maloto, maloto.' 46 Mandritra ny andro rehetra izay hisian'ilay areti-mifindra aminy dia haloto izy. Satria maloton'ilay aretina izay mety mifindra izy, dia tsy maintsy mipetra-drery. Tsy maintsy mipetraka any ivelan'ny toby izy. 47 Ny akanjo izay nifindran'ny maty fotsy, na volon'ondry izany na lamban-drongony fotsy madinika, 48 na zavatra vita tamin'ny tenona na nozairina tamin'ny volon'ondry na rongony fotsy madinika na hoditra na zavatra vita tamin'ny hoditra— 49 raha misy fifindrana manopy maitso na manopy mena amin'ilay akanjo, ilay hoditra, ilay tenona, na fitaovana fanjairana, na zavatra vita tamin'ny hoditra, dia maty fotsy miparitaka izany; tsy maintsy aseho amin'ny mpisorona izany. 50 Tsy maintsy mizaha ny mahakasika ilay maty fotsy ilay mpisorona; tsy maintsy hatokany mandritra ny hafitoana ny zavatra rehetra izay misy maty fotsy. 51 Tsy maintsy mizaha ilay maty fotsy indray izy amin'ny andro fahafito. Raha niparitaka tamin'ny akanjo na zavatra vita tamin'ny tenona, nozairina tamin'ny volon'ondry na fitaovana rongony fotsy madinika, na hoditra na zavatra izay nampiasana hoditra, dia maty fotsy mampidi-doza izany, ary maloto izany zavatra izany. 52 Tsy maintsy mandoro ilay akanjo, na zavatra vita tamin'ny tenona, nozairina tamin'ny volon'ondry na fitaovana rongony fotsy, na hoditra na zavatra rehetra vita tamin'ny rongony fotsy, zavatra rehetra izay hita tamin'ilay maty fotsy mampidi-doza izy, fa mety hitondra aretina izany. Tsy maintsy dorana tanteraka izany zavatra izany. 53 Raha mizaha ilay singa ny mpisorona ary mahita fa tsy niparitaka tamin'ny akanjo na ny zavatra notenonina na nozairina tamin'ny volon'ondry na rongony, fitaovana hoditra ilay maty fotsy, dia hibaiko azy ireo izy mba hanasa ny zavatra izay nahitana ilay maty fotsy,, 54 ary tsy maintsy hatoka-monina mandritra ny hafitoana izany. 55 Avy eo dia hizaha ilay singa ilay mpisorona rehefa voasasa ilay zavatra misy maty fotsy. Na dia tsy niova ny lokon'ilay maty fotsy, ary tsy niparitaka aza izany, dia maloto foana izany. Tsy maintsy doranareo ilay singa, na taiza na taiza no nifindran'ilay maty fotsy. 56 Raha mizaha ilay singa ny mpisorona, ary raha matromatroka ilay maty fotsy rehefa voasasa, dia tsy maintsy mandriatra ilay faritra maloto eo amin'ny akanjo na eo amin'ny rongony fotsy, na eo amin'ny tenona na fitaovana fanjairana izy. 57 Raha mbola miseho amin'ny akanjo hatrany ilay maty fotsy, na amin'ny tenona na amin'ny fitaovana fanjairana, na amin'ny zavatra rehetra natao tamin'ny rongony fotsy, dia miparitaka izany. Tsy maintsy mandoro ny zavatra rehetra izay nisy ilay maty fotsy ianareo. 58 Ny lamba na zavatra vita tamin'ny tenona na nozairina tamin'ny volon'ondry na fizavatra vita tamin'ny rongony fotsy, na hoditra na zavatra vita tamin'ny hoditra—raha manasa ilay zavatra ianareo ka miala ilay maty fotsy, dia tsy maintsy sasàna fanindroany ilay zavatra, dia hadio izany. 59 Izany no lalàna momba ny maty fotsy amin'ny akanjo volon'ondry na rongony fotsy madinika, na zavatra notenonina na nozairina tamin'ny volon'ondry na rongony fotsy madinika na hoditra na zavatra vita amin'ny hoditra, mba hahafahanareo manambara na madio izany na maloto."