1 Niresaka tamin'i Mosesy sy Arona i Yaveh, nanao hoe: 2 "Mitenena amin'ny vahoakan'Israely, manao hoe: 'Ireto avy ireo zava-manan'aina izay azonareo hanina eo amin'ireo biby rehetra izay eto ambonin'ny tany. 3 Afaka mihinana ny biby rehetra izay mivaky kitro sy mamerin'ota ianareo. 4 Na izany aza, na mamerin'ota na mivaky kitro aza ireo biby sasany, dia aoka ianareo tsy hihinana azy ireo, dia ireo biby tahaka ny rameva, satria mamerin'ota izy fa tsy mivaky kitro. Noho izany dia maloto ho anareo ny rameva. 5 Ny hyraka ihany koa, satria mamerin'ota izy fa tsy mivaky kitro, maloto ho anareo ihany koa izany. 6 Ny bitro, dia maloto ho anareo, satria mamerin'ota izy, fa tsy mivaky kitro. 7 Ny kisoa, na dia mivaky kitro aza, dia tsy mamerin'ota izy, ka maloto ho anareo. 8 Aoka ianareo tsy hihinana amin'ny henan'ireo, na hikasika ny fatin'izy ireo. Maloto ho anareo ireo. 9 Ireo biby rehetra miaina anaty rano izay azonareo hanina dia ireo izay manana vombony sy kirany, na ao amin'ny ranomasina na any amin'ny renirano. 10 Fa ireo zava-manan'aina rehetra izay tsy misy vombony sy kirany ao anaty ranomasina na renirano dia tsy azonareo hanina, ao anatin'izany ireo rehetra izay mihetsika ao anaty rano sy ireo zava-manan'aina rehetra izay ao anaty rano—aoka ho halanareo ireny. 11 Fa aoka ho hankahalaina ireny, aoka ianareo tsy hihinana ny henan'ireny; ary ny fatin'izy ireny ihany koa dia aoka ho hankahalaina. 12 Izay rehetra tsy misy vombony sy kirany ao anaty rano dia aoka ho halanareo. 13 Ireto avy ireo vorona izay tsy maintsy hankahalainareo sy tsy tokony ho haninareo: dia ny voromahery, ny voltora, 14 ny papango, ny karazana ankoay rehetra, 15 ny karazana goaika rehetra, 16 ny vorondolo sy ny vorondolo maneno, ny voron-drano, ary ny karazana ankoay rehetra. 17 Aoka ianareo hankahala ny vorondolo kely sy ny vorondolo lehibe, ny manarana ihany koa, 18 ny vorondolo fotsy sy ny vorondolo sompitra, ny ibisa, 19 ny vano, ny karazana vanobe rehetra, ny takidara, ary ny ramanavy ihany koa. 20 Ireo bibikely manan'elatra rehetra izay mandeha amin'ny tongotra efatra dia fahavetavetana ho anareo. 21 Afaka mihinana ireo bibikely manidina rehetra izay mandeha amin'ny tongotra efatra ianareo raha manan-tongotra ambonin'ny faladiany hitsambikinany eo amin'ny tany ihany izy ireo. 22 Afaka mihinana ireo karazana valala be, solama, ny valala kely, na ny ampanga rehetra ihany koa ianareo. 23 Fa ireo bibikely manidina rehetra izay manana tongotra efatra dia tsy maintsy hankahalainareo. 24 Raha mikasika ny fatin'ny iray amin'ireo ianareo dia haloton'ireo biby ireo mandra-paharivan'ny andro. 25 Na iza na iza mitsimpona ny iray amin'ny fatin'ireo dia tsy maintsy manasa ny fitafian'izy ary mijanona maloto mandra-paharivan'ny andro. 26 Ny biby rehetra mivaky kitro izay tsy mizara tanteraka na tsy mamerin'ota dia maloto ho anareo. Izay rehetra mikasika azy ireny dia haloto. 27 Izay rehetra mandeha amin'ny tongony amin'ireo biby rehetra izay mandeha amin'ny tongotra efatra, dia maloto ho anareo. Na iza na iza mikasika ny fatiny dia haloto mandra-paharivan'ny andro. 28 Na iza na iza mitsimpona ny fatiny dia tsy maintsy manasa ny fitafian'izy ireo ary maloto mandra-paharivan'ny andro. Ireo biby ireo dia haloto ho anareo . 29 Raha ny amin'ireo biby izay mandady amin'ny tany dia ireto avy ireo biby izay haloto ho anareo: ny kionkiona, ny voalavo, ny karazana androngo lehibe rehetra, 30 ny katsatsaka, ny anakà, ny androngo, ny androngom-pasika, ary ny tanalahy. 31 Amin'ireo biby mandady rehetra, dia ireo no biby izay haloto ho anareo. Na iza na iza mikasika azy ireo rehefa maty ireo dia haloto mandra-paharivan'ny andro. 32 Raha maty ny sasany amin'ireo ka milatsaka amin'ny zavatra, dia haloto izany zavatra izany, na vita tamin'ny hazo, na lamba, na hoditra, na lamba fisaonana izany. Na inona na inona izany ary na inona na inona ampiasana azy, dia tsy maintsy haroboka anaty rano; haloto izany mandra-paharivan'ny andro. Ary hadio avy eo. 33 Ny vilany tanimanga rehetra izay hilatsahan'ny biby maloto ao anatiny na eo aminy, na inona na inona ao anatin'ilay vilany dia haloto, ary tsy maintsy potehinareo izany vilany izany. 34 Ny sakafo rehetra izay madio sy azo ho hanina, kanefa nilatsahan'ny rano avy tao amin'ny vilany maloto iray, dia haloto. Izay rehetra mety ho nosotroina tamin'ny vilany tahaka izany dia haloto. 35 Izay rehetra nilatsahan'ny ampahany tamin'ny fatin'ny biby maloto dia haloto, na lafaoro izany na vilany fandrahoana. Tsy maintsy potehina izany. Maloto izany ka tsy tokony haloto ho anareo. 36 Ny loharano na famorian-drano izay hanangonana ny rano fisotro dia hadio ihany raha misy biby toy izany milatsaka ao anatiny. Fa raha misy olona mikasika ny fatin'ny biby maloto iray ao amin'ny rano, dia haloto izy. 37 Raha misy ampahany amin'ny fatin'ny biby maloto milatsaka eo ambonin'ny voa famboly, dia hadio ihany ireo voa ireo. 38 Fa raha tondrahana rano ireo voa, ary raha misy ampahany amin'ireo faty maloto milatsaka eo amin'ireo, dia haloto ho anareo ireo. 39 Raha misy biby izay azonareo ho hanina maty, dia haloto mandra-paharivan'ny andro ilay nikasika ny fatiny. 40 Na iza na iza mihinana amin'io faty io dia tsy maintsy manasa ireo fitafiany ary haloto mandra-paharivan'ny andro. Izay rehetra mitsimpona ny faty tahaka izany dia hanasa ireo fitafiany ary haloto mandra-paharivan'ny andro. 41 Ny biby rehetra izay mandady amin'ny tany dia hankahalaina; aoka tsy hohanina izany. 42 Izay rehetra mandady amin'ny kibony, ary izay rehetra mandeha amin'ny tongotra efatra, na izay rehetra manana tongotra maro—ireo biby rehetra izay mikisaka amin'ny tany, ireo no tsy azonareo hohanina, satria hankahalaina ireo. 43 Aoka ianareo tsy handoto ny tenanareo amin'ireo zava-manan'aina mandady rehetra; aoka tsy handoto ny tenanareo amin'ireny ianareo, fa haloto amin'ireny ianareo. 44 Fa Izaho no Yaveh Andriamanitrareo. Tokony ho tazominareo ho masina ny tenanareo, noho izany, masìna, satria masina Aho. Aoka tsy handoto ny tenanareo amin'ny karazam-biby rehetra izay mandady amin'ny tany ianareo. 45 Fa Izaho no Yaveh, izay nitondra anareo niala avy tao amin'ny tany Egypta, mba ho Andriamanitrareo. Noho izany aoka ianareo ho masina, satria Izaho dia masina. 46 Izany no lalàna momba ireo biby, ireo vorona, ireo zava-manan'aina rehetra izay mihetsika ao anaty rano, ary ireo biby rehetra izay mikisaka amin'ny tany, 47 satria tokony hisy fanavahana eo amin'ny maloto sy ny madio, ary eo amin'ireo zava-manan'aina izay azo hohanina sy ireo zava-manan'aina izay tsy azo hohanina."'