1 Niantso an'i Mosesy i Yaveh ary niresaka taminy avy tao amin'ny trano-lay fihaonana, nanao hoe: 2 ''Mitenena amin'ny vahoakan'Israely ka lazao amin'izy ireo hoe: 'Raha misy olona aminareo mitondra fanatitra ho an'i Yaveh, dia mitondrà iray amin'ny bibinareo ho fanatitrareo, na avy amin'ny omby na avy amin'ny ondry aman'osy. 3 Raha fanatitra dorana avy amin'ny omby ny fanatiny, dia tsy maintsy lahy tsy misy kilema no atolony. Hanolotra izany eo amin'ny fidirana mankao amin'ny trano-lay fihaonana izy, mba ho ankasitrahana eo anatrehan'i Yaveh izany. 4 Hametraka ny tanany eo amin'ny lohan'ny fanatitra dorany izy, ary dia ho ankasitrahana noho ny aminy izany mba ho fanavotana ho azy. 5 Dia aoka izy hamono ny ombilahy eo anoloan'i Yaveh. Ireo zanak'i Arona, ireo mpisorona, dia hanolotra rà ary hamafy izany eo amin'ny alitara izay eo amin'ny fidirana mankao amin'ny lay fihaonana. 6 Dia aoka izy hamolo ny fanatitra dorana ary hitetitetika izany. 7 Dia handrehitra afo eo amin'ny alitara ary hanisy kitay ka hampirehitra ny afo ireo zanak'i Arona. 8 Ireo zanak'i Arona, ireo mpisorona, dia hametraka ireo tetika, ny lohany sy ny saborany, hitandahatra eo ambonin'ny kitay izay efa mirehitra eo ambonin'ny alitara. 9 Fa ny taovany sy ny feny dia tsy maintsy ho sasany amin'ny rano. Dia handoro ny zavatra rehetra eo amin'ny alitara ho fanatitra dorana ny mpisorona. Hiteraka hanitra malefaka ho Ahy izany; ho fanatitra natao tamin'ny afo ho Ahy izany. 10 Raha avy amin'ny ondry aman'osy ny fanatiny ho amin'ny fanatitra dorana, dia ny iray amin'ireo ondry na iray amin'ireo osy, dia tsy maintsy lahy tsy misy kilema no atolony. 11 Aoka hamono izany eo amin'ny lafy avaratry ny alitara eo anatrehan'i Yaveh izy. Ireo zanak'i Arona, ireo mpisorona, dia hamafy ny ràn'izany amin'ny lafin'ny alitara rehetra. 12 Dia aoka izy hitetika izany, miaraka amin'ny lohany sy ny saborany, ary ny mpisorona dia handahatra ireo eo amin'ny kitay efa mirehitra, izay eo ambonin'ny alitara, 13 nefa aoka ho sasàny amin'ny rano ny taovany sy ny feny. Dia hanolotra azy manontolo ny mpisorona, ary handoro izany eo amin'ny alitara. Izany no fanatitra dorana, ary hiteraka hanitra malefaka ho an'i Yaveh izany; ho fanatitra natao tamin'ny afo ho Azy izany. 14 Raha fanatitra dorana vorona ny fanatiny ho an'i Yaveh, dia tsy maintsy mitondra na domoina na zana-boromailala ho fanatiny izy. 15 Tsy maintsy mitondra izany eo amin'ny alitara ny mpisorona, manolana ny lohany, ary mandoro izany eo amin'ny alitara. Ary dia araraka eo amin'ny alitara ny ràn'izany. 16 Tsy maintsy ho esoriny ny takorobabon'izany sy ny zavatra ao anatiny, ary hariany akaikin'ny alitara eo atsinanana izany, eo amin'ny toeran'ireo lavenona. 17 Tsy maintsy hanokatra izany avy eo amin'ny elany izy, nefa tsy azo zarainy ho roa izany. Dia handoro izany eo amin'ny alitara ny mpisorona, eo amin'ny kitay efa mirehitra. Ho fanatitra dorana izany, ary hiteraka hanitra malefaka ho an'i Yaveh izany; ho fanatitra natao tamin'ny afo ho Azy izany.