1 Pasora zanak'i Imera mpisorona—manamboninahitra mpitarika izy—dia nandre an'i Jeremia naminany ireo teny ireo teo anoloan'ny tranon'i Yaveh. 2 Koa novelesin'i Pasora i Jeremia mpaminany ary avy eo napetrany tao amin'ireo hazo fanagadrana izay teo amin'ny Vavahady Ambonin'i Benjamina tao amin'ny tranon'i Yaveh. 3 Ary navoakan'i Pasora tao amin'ny hazo fanagadrana i Jeremia ny andro manaraka. Dia hoy Jeremia taminy: ''Tsy niantso ny anaranao hoe Pasora i Yaveh, fa Magora-misabiba ianao. 4 Fa izao no lazain'i Yaveh: 'Indro, ho ataoko zavatra mampatahotra ianao, dia ianao sy ireo olon-tianao rehetra, fa ho lavon'ny sabatr'ireo fahavalony izy ireo ary hahita izany ny masonao. Ho atolotro eo an-tanan'ny mpanjakan'i Babylona ny Joda rehetra. Ho ataony babo any Babylona izy ireo na ho tafihany amin'ny tsabatra. 5 Homeko azy ny haren'ity tanàna ity rehetra sy ny fananany rehetra, ny zava-tsarobidin'izany rehetra sy ny haren'ny mpanjakan'ny Joda rehetra. Ho apetrako eny an-tanan'ireo fahavalonao ireo zavatra ireo, ka ho lasan'izy ireo izany. Haka ireny izy ireo ka hitondra ireo any Babylona. 6 Nefa ianao, ry Pasora, sy ireo mipetraka ao an-tranonao rehetra dia ho lasan-ko babo. Handeha any Babylona ianao ka ho faty any. Ianao sy ireo olon-tianao rehetra izay naminanianao zavatra fitaka dia ho alevina any.''' 7 ''Namitaka ahy Ianao, ry Yaveh, ary voafitaka aho. Matanjaka noho izaho Ianao, ary mandresy ahy Ianao. Lasa fihomehezana mandritry ny tontolo andro aho, maneso ahy ny olon-drehetra. 8 Fa isaky ny niteny aho, dia niantso mafy aho ary nanambara hoe: 'Herisetra sy fandravana'. Ary lasa latsa sy fanesoana ho ahy isan'andro ny tenin'i Yaveh. 9 Raha miteny aho hoe: ''Tsy hieritreritra momba an'i Yaveh intsony aho. Tsy hiteny amin'ny anarany intsony aho.' Ary tahaka ny afo ao am-poko izany, voatazona ao anatin'ny taolako. Koa mitolona mba hitana izany aho saingy tsy nahavita. 10 Nandre ny tsahon'ireo mpampihorohoro avy amin'ny olona rehetra manodidina aho.'Tatero! Tsy maintsy taterintsika izany!' Ireo izay akaiky ahy dia mitazana mba hijery raha mianjera aho.' Mety ho azo fitahana izy. Raha izany, dia afaka mandresy azy isika ary hanao ny valifatintsika aminy.' 11 Fa momba ahy tahaka ny mpiady mahery Yaveh, ka hivembena ireo olona izay manenjika ahy. Tsy handresy ahy izy ireo. Ho afa-baraka tanteraka tokoa izy ireo, satria tsy hahomby. Ho menatra tsy hanam-piafarana izy ireo, tsy ho adino mandrakizay izany. 12 Nefa ianao, ry Yaveh Tompon'ny maro, Ianao izay mandinika ny fahamarinana sy izay mahita ny saina sy ny fo. Avelao aho hahita ny valifatinao amin'izy ireo satria efa naneho ny trangako taminao aho. 13 Mihirà ho an'i Yaveh! Miderà an'i Yaveh! Fa efa namonjy ny ain'ireo izay nampahoriana teny an-tanan'ireo mpanao ratsy Izy. 14 Aoka ho ozonina ny andro nahaterahako. Aoka tsy ho tahiana ny andro izay nitondran'ny reniko ahy. 15 Aoka ho ozonina ilay lehilahy izay nampahafantatra ny raiko, ilay niteny hoe: 'Misy zazalahy nateraka ho anao', hiteraka fifaliana lehibe. 16 Aoka izany lehilahy izany ho tahaka ireo tanàna izay noravain'i Yaveh ka tsy nananany antra. Aoka izy handre ny antso vonjy amin'ny mangiran-dratsy, sy ny tomanin'ny ady amin'ny atoandro, 17 satria tsy namono ahy tao am-bohoka izy, nanao ny reniko ho fasako, dia kibo izay nitoe-jaza mandrakizay. 18 Nahoana izany no nivoaka tao am-bohoka aho mba hijery fahoriana sy alahelo, mba ho feno henatra ireo androko?''