Toko faha 18

1 Ny teny izay tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Yaveh, manao hoe: 2 "Mitsangana ary mivoaha tao an-tranon'ny mpanefy tanimanga, fa any no hampandrenesiko anao ny Teniko." 3 Ka nankany an-tranon'ny mpanefy tanimanga aho, ary indro! Ny mpanefy tanimanga dia niasa teo amin'ny kodiarany. 4 Fa simba teny an-tanany ny vilany tanimanga izay novolavolainy, ka niova hevitra izy ary nanao zavatra hafa izay toa tsara teo imasony. 5 Dia tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: 6 "Tsy afaka manao tahaka ny ataon'io mpanefy io aminareo ve Aho, ry ankohonan'Israely?—izao no fanambaran'i Yaveh. Indro! Tahaka ny tanimanga eo an-tanan'ny mpanefy—dia toy izany ianareo eo an-tanako, ry ankohonan'Israely. 7 Amin'ny fotoana iray, dia mety hanonona zavatra ho an'ny firenena na fanjakana iray Aho, mba hamoahako, handrodanako, na hamotehako izany. 8 Fa raha miala amin'ny haratsiany ny firenena izay nanaovako izany fanambarana izany, dia hihazona ny loza izay nomaniko ho entiko eo amin'izany Aho. 9 Amin'ny fotoana hafa, dia mety hanambara zavatra momba ny firenena na fanjakana iray Aho, fa hanangana na hamboly izany Aho. 10 Fa raha manao ratsy eo imasoko izy amin'ny tsy fihainoana ny feoko, dia hajanoko ny soa izay nolaizaiko fa ho ataoko amin'izy ireo. 11 Ary ankehitriny, mitenena amin'ny olon'i Joda sy amin'ny mponin'i Jerosalema ka lazao hoe:' Izao no lazain'i Yaveh: Indro, hamolavola loza ho anareo Aho. Efa mamorona tetika hanoherana anareo Aho. Mibebaha, amin'ny fomba ratsiny ny olona tsirairay avy, dia hitondra soa ho anareo ireo fombanareo sy ireo fanaonareo.' 12 Fa hiteny izy ireo hoe: 'Tsy misy ilàna azy izany. Hanao araka izay fikasanay manokana izahay. Ny tsirairay avy aminay dia hanao izay fanirian-dratsin'ny fony.' 13 Noho izany dia izao no lazain'i Yaveh:' Anontanio ireo firenena, iza no efa nandre karazan-javatra tahak'izao? Efa nanao asa mahatsiravina Israely virijiny. 14 Moa ve ny oram-panala any Libanona efa nandao ny havoanam-bato eo anilany? Moa ve ny rian-tendrombohitra avy lavitra efa rava, ireo riana mamanala? 15 Efa nanadino ahy ny vahoakako. Nanao fanatitra ho an'ny sampy tsy misy dikany izy ireo ary natao ho tafintohina teny amin'ireo lalany izy ireo; nandao ireo lalany fahiny izy ireo ho amin'ireo lalana vitsivitsy kokoa. 16 Ho tonga horohoro ny tanin'izy ireo, ho anton'ny siotsioka mandrakizay. Izay rehetra mandalo eo aminy dia hangovitra sy hanifikifi-doha. Hanaparitaka azy ireo eo anoloan'ny fahavalony tahaka ny rivotra atsinana Aho. 17 Hampiseho ny lamosiko azy ireo Aho, fa tsy ny tavako, amin'ny andron'ny lozan'izy ireo.'" 18 Ka hoy ny vahoaka tamin'i Jeremia: "Manatona, aoka isika hanao tetika hanoherana an'i Jeremia, fa tsy ho levona ny lalàna avy amin'ireo mpisorona, na ny toro-hevitra avy amin'ireo olon-kendry, na ireo teny avy amin'ireo mpaminany. Manatona, aoka isika hanafika azy amin'ireo tenintsika ary tsy hitandrina izay ambarany intsony." 19 Mihainoa ahy, ry Yaveh, ary henoy ny feon'ireo fahavaloko. 20 Moa ve ny loza avy amin'izy ireo tokoa no valisoako tamin'ny hatsaram-panahiko tamin'izy ireo? Fa nihady lavaka ho ahy izy ireo. Tsarovy ny nitsanganako teo anoloanao mba hiresaka ny fifanampian'izy ireo, mba hampiala ny fahatezeranao amin'izy ireo. 21 Noho izany dia ataovy tonga amin'ireo zanany ny mosary, ary atolory eo an-tanan'ireo izay mampiasa sabatra izy ireo. Koa avelao ny vehivavin'izy ireo hidonam-pahoriana sy ho mpitondratena, ary ny lehilahiny ho voavono, ary ireo tovolahiny ho fatin'ny sabatra sabatra any an'ady. 22 Aoka ho re avy ao amin'ny tranon'izy ireo ny hiakiam-pahoriana, tahaka ny hitondranao mpanafika hanohitra azy ireo tampoka. Fa efa nihady lavaka hisamborana ahy izy ireo ary nanafina fandrika ho an'ny tongotro. 23 Fa Ianao, ry Yaveh, Ianao mahalala ny drafitra rehetran'izy ireo amiko mba hamonoany ahy. Aza mamela ireo heloka sy fahotan'izy ireo. Aza mamafa ny fahotan'izy ireo hiala Aminao. Fa kosa, aoka izy ireo ho rava eo anatrehanao. Mihetseha hanohitra azy ireo amin'ny fotoanan'ny fahatezeranao.