Toko faha 15

1 Dia hoy Yaveh tamiko hoe: ''Na dia Mosesy na Samoela aza no nijoro teo anoloako, dia tsy mbola hankasitraka ity vahoaka ity Aho. Roahy hiala eo anoloako izy ireo, mba handehanan'izy ireo. 2 Ary dia hilaza aminao izy ireo hoe: 'Aiza no tokony ho alehanay?' Dia tsy maintsy hiteny amin'izy ireo ianao hoe: 'Izao no lazain'i Yaveh: Ireo voalahatra ho faty dia ho faty; ireo voalahatra ho an'ny sabatra dia ho faty amin-tsabatra. Ireo voalahatra ho an'ny mosary dia ho fatin'ny mosary; ary ireo voalahatra ho amin'ny fahababoana dia ho babo.' 3 Fa ho tendreko ho antoko efatra izy ireo—izany no fanambaran'i Yaveh—ny sabatra dia hamono ny sasany, ireo amboa hitaritarika ny sasany, ireo voron'ny lanitra sy ireo bibidian'ny tany handevona ary hamotika ny sasany. 4 Ho ataoko zavatra mampivarahontsana an'ireo fanjakan'ny tany rehetra izy ireo, noho izay zavatra nataon'i Manase zanak'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, tany Jerosalema. 5 Fa iza no hangoraka anao, ry Jerosalema? Iza no alahelo anao? Iza no hiverina hanontany momba ny toe-tena anao? 6 Nahafoy Ahy ianao—izany no fanambaran'i Yaveh—efa niala tamiko ianao. Koa hamely anao amin'ny tanako Aho ary hamotika anao. Reraky ny mamindra fo aminao Aho. 7 Ka dia ho kororohiko amin'ny fikororohana eo amin'ireo vavahadin'ny tany izy ireo. Hampahory azy ireo Aho. Hamotika ny vahoakako Aho satria tsy hiala amin'ny lalany izy ireo. 8 Ho ataoko maro noho ny fasika eny amoron-dranomasina ny mpitondratenan'izy ireo. Handefa ny mpandrava amin'ny atoandro amin'ireo renin-jatovolahy Aho. Handatsaka horohoro sy tahotra tampoka amin'izy ireo Aho. 9 Ny reny izay niteraka zaza fito dia hihaosa. Hiala aina izy. Ny masoandrony dia hilentika raha mbola andro iny. Ho afa-baraka sy menatra izy, fa homeko eo anatrehan'ireo fahavalony ireo izay sisa velona tamin'ny sabatra—izany no fanambaran'i Yaveh.'' 10 Loza ho ahy, ry reniko! Fa niteraka ahy ianao, izaho izay lehilahin'ny adihevitra sy fandresen-dahatra manerana ny tany rehetra. Tsy manana ho ampindramina aho, ary tsy nisy olona nampindrana ahy, nefa manozona ahy izy rehetra. 11 Hoy Yaveh: ''Tsy hamonjy anao amin'ny tsara ve Aho? Ho ataoko mitalaho vonjy amin'ny fotoan'ny loza sy fahoriana tokoa ireo fahavalonao. 12 Mahapotika vy ve ny olona? Indrindra fa ny vy avy any avaratra izay miharo varahina? 13 Homeko ireo fahavalonao ho babo maimaim-poana ny harena sy zava-tsarobidinao. Ho ataoko izany nohon'ny fahotana rehetra nataonao tao anatin'ny faritaninao rehetra. 14 Dia ho ataoko manompo ireo fahavalonao any amin'ny tany izay tsy fantatrao ianao, fa hirehitra ny afo, handrehitra ny fahatezerako aminao." [Fanamarihana: Raha tokony hoe: ''Dia ho ataoko manompo ireo fahavalonao ianao", ireo dikan-teny sasanny taloha manao hoe: "Dia ho ataoko maka anao ireo fahavalonao."] 15 Ry Yaveh, Ianao mahalala! Tsarovy aho ka vonjeo. Manaova valifaty ho ahy amin'ireo izay manenjika ahy. Mahari-pery Ianao, nefa aza avela haka ahy izy ireo; fantaro fa mijaly amin'ny fanalam-baraka noho Ianao aho. 16 Efa hita ireo teninao, ary notsakotsakoko ireo. Ireo teninao dia tonga hafaliana ho ahy ary fahafinaretan'ny foko, fa mitondra ny anaranao aho, ry Yaveh, Andriamanitra Tompon'ny maro. 17 Tsy nipetraka teo amin'ny faribolan'ireo izay nankalaza na nifaly aho. Nipetraka irery aho nohon'ny tananao mahery, satria nofenoinao fahatezerana aho. 18 Nahoana no mitohy ny fanaintainako ary tsy misy fanafany ny ratrako, mandà ny ho sitranina? Ho tahaka ny rano mamitaka amiko ve Ianao, rano izay ritra? 19 Koa izao no lazain'i Yaveh: ''Raha mibebaka ianao, ry Jeremia, dia ho averiko indray, ary hijoro eo anoloako ianao ka hanompo Ahy. Fa raha manasaraka ny zavatra adaladala amin'ireo zavatra sarobidy ianao, dia ho tahaka ny vavako ianao. Hiverina aminao ny vahoaka, nefa ianao dia tsy hiverina amin'izy ireo. 20 Ho ataoko toy ny manda varahina tsy azo idirana ho an'ity vahoaka ity ianao, ary hanangana ady aminao izy ireo. Nefa tsy handresy anao izy ireo, satria momba anao Aho mba hamonjy sy hanavotra anao—izany no fanambaran'i Yaveh— 21 fa hamonjy anao amin'ny tanan'ny ratsy fanahy Aho ary hanavotra anao amin'ny tanan'ny mpanao jadona."