1 Nilaza izao tamiko Yaveh hoe: "Mandehana ary mividiana atin'akanjo rongony fotsy ka afatory eo amin'ny andilanao izany, saingy aza atao anaty eo rano aloha izany." 2 Koa dia nividy atin'akanjo araka izay nitarihan'i Yaveh ahy aho, ary nafatotro teo amin'ny andilako izany. 3 Dia tonga tamiko fanindroany ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: 4 "Raiso ilay atin'akanjo izay avy novidianao izay eo amin'ny andilanao, mitsangana ka mandehana any amin'ireo Eofrata. Afeno ao anaty haram-bato izany." 5 Koa nandeha aho ary nanafina izany tany amin'ireo Eofrata araka izay nandidian'i Yaveh ahy. 6 Afaka andro maromaro, dia niteny tamiko i Yaveh hoe: " Mitsangana ka mandehana miverina any amin'ireo Eofrata. Alaivo any ilay atin'akanjo izay nolazaiko hafeninao." 7 Koa niverina tany amin'ireo Eofrata aho ary nangady tao ilay nanafenako ilay atin'akanjo. Kanefa indro! Simba ilay atin'akanjo; tsy mba tsara intsony ilay izy. 8 Avy eo dia tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: 9 "Hoy Yaveh hoe: Mitovy amin'izany ny fomba hamotehako ny fiavonavonana lehiben'ny Joda sy Jerosalema. 10 Io vahoaka ratsy izay mandà ny hihaino ny teniko io, izay mandeha amin'ny fahamafisan'ny fon'izy ireo, izay manaraka andriamanin-kafa mba hanompo ireny sy hiankohoka amin'ireny—ho tahaka izany atin'akanjo izany izy ireo izay tsara fa tsy misy dikany. 11 Fa tahaka ny atin'akanjo iray mifikitra amin'ny taolan-tehezan'olona, dia toy izany koa no efa nanaovako ny taranak'Israely sy ny taranak'i Joda hifikitra Amiko—izany no fanambaran'i Yaveh—mba ho vahoakako, mba hitondra laza, dera, ary voninahitra ho Ahy. Saingy tsy nihaino ahy izy ireo. 12 Koa tokony hiteny izao teny izao ho azy ireo ianao hoe: 'Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely dia milaza izao: Ny tavoara rehetra dia ho feno divay.' Hiteny aminao izy ireo hoe: 'Moa tsy fantatray tokoa ve fa ho feno divay ny tavoara rehetra?' 13 Ka dia lazao izy ireo hoe: 'Hoy Yaveh hoe: Indro, ho fenoiko fahamamoana ny mponina rehetra an'ity tany ity, ireo mpanjaka izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida, ireo mpisorona, mpaminany, ary ireo mponin'i Jerosalema rehetra. 14 Ary dia ho ampifamotehiko izy ireo, ireo ray sy ireo zanaka miaraka—izany no fanambaran'i Yaveh—Tsy hamindra fo amin'izy ireo Aho na hanana fangoraham-po, ary tsy hanavotra azy ireo amin'ny fahapotehina Aho. 15 Mihainoa ka mandrenesa. Aza miavonavona, fa Yaveh no efa niteny. 16 Manomeza voninahitra ho an'i Yaveh Andriamanitrareo mialohan'ny hitondrany aizina, ary mialohan'ny hanafintohinany ny tongotrareo ao an-tendrombohitra amin'ny maizimaizina. Fa manantena hazavana ianao, saingy hamadika ny toerana ho aizina lalina Izy, ho rahona mainty. 17 Noho izany raha tsy hihaino ianao, dia hitomany irery aho noho ny fiavonavonanao. Hanganohano sy hikoriana ranomaso tokoa ny masoko, satria nobaboina ireo ondrin'i Yaveh. 18 Lazao ny mpanjaka sy ny mpanjakavavy reniny hoe: 'Manetre tena ianareo ka mipetraha, fa ireo satro-boninahitra eo amin'ny lohanareo, ny fireharehana sy voninahitrareo, dia efa nianjera.' 19 Hikatona avokoa ireo tanànan'i Negeva, tsy misy iray hamoha ireo. Ho baboina i Joda, ho atao sesitany ny aminy rehetra. 20 Asandrato ny masonao ka jereo ireo tonga avy any avaratra. Aiza ny andian'ondry izay nomeny anao, ny andian'ondry izay tena tsara tarehy taminao? 21 Inona no ho lazainao rehefa apetrak'Andriamanitra eo aminao ireo izay efa nampianarinao mba ho sakaizanao? Tsy ireo ve ny fiantombohan'ireo fanaintainana izay hahazo anao tahaka ny vehivavy miteraka? 22 Dia mety hiteny anakampo ianao hoe: "Nahoana no miseho amiko ireo zavatra ireo?" Dia ho amin'ny fahamaroan'ireo fahotanao no nampiainga ireo ziponao ary nanolanana anao. 23 Moa afaka ny hanova ny volon-kodiny ve ny Kosy, na ny leoparda hanova ny pentiny? Raha izany, dia ianao tenanao, na dia zatra ny faharatsiana aza, dia afaka manao ny tsara. 24 Noho izany dia hampiely azy ireny tahaka ny akofa izay levon'ny rivotry ny efitra Aho. 25 Izany no nomeko anao, ny anjara izay efa nodidiko ho anao—izany no fanambaran'i Yaveh—satria efa nanadino Ahy ianao ary nitoky tamim-pitaka. 26 Noho izany ihany koa dia Izaho mihitsy no hanala ny ziponao aminao, ary hiseho ireo faritra saro-padinao. 27 Efa nahita ny fanitsakitsaham-bady sy ny fihikanao Aho, ny faharatsian'ny fivarotan-tenanao teny amin'ireo havoana sy teny amin'ireo saha, ary efa nahita ireny zavatra maharikoriko ireny Aho! Loza ho anao, ry Jerosalema! Hafiriana izany vao ho madio indray ianao?"