1 Avia, ianareo izay manan-karena, mitomania sy midradradradrà noho ireo fahoriana tonga aminareo. 2 Ny harenareo efa lo, ary ny fitafianareo efa lanin'ny kalalao. 3 Ny volamenanareo sy ny volafotsinareo dia efa harafesina. Ny harafesiny dia ho vavolombelona hiampanga anareo. Handoro ny nofonareo tahaka ny afo izany. Notehirizinareo ny harenareo ho amin'ny ireo andro farany. 4 Indro, ny karaman'ireo mpiasa dia mitaraina _ny karama izay nohazoninareo tsy ho an'ireo izay nampamokatra ny sahanareo, ary ireo fitarainan'ny mpijinja dia efa tonga any an'tsofin'ny Tompon'ny maro. 5 Niaina tamin'ny harena teto an-tany ianareo ary nanara-po tamin'ny tenanareo. Natavezinareo ny fonareo ho an'ny andro famonoana. 6 Nanameloka sy namono ny olo-marina ianareo. Tsy nanohitra anareo izy. 7 Koa mahareta, ry rahalahy, mandra-piavin'ny Tompo. indro, ny mpamboly miandry ny vokatra sarobidy avy amin'ny tany. Miandry amim-paharetana izany izy, mandra-pahazoan'izany ny voaloha sy ny fara-orana. 8 Ianareo, ihany koa, mahàreta. Hatanjaho ny fonareo, satria efa akaiky ny fiavian'ny Tompo. 9 Aza mifampitaraina, ry rahalahy, mba tsy ho tsaraina ianareo. Indro, ny mpitsara mijoro eo am-baravarana. 10 Makà ohatra, ry rahalahy, avy amin'ny fijaliana sy faharetan'ireo mpaminany, ireo izay niteny tamin'ny anaran'ny Tompo. 11 Indro, ataontsika toy ny sambatra ireo izay efa niharitra. Efa renareo ny fiaretan'i Joba, ary fantatrareo ny tanjon'ny Tompo, ny maha-feno fangorahana sy famindram-po Azy. 12 Fa ambonin'ny rehetra, ry rahalahiko, aza mianiana, na amin'ny lanitra na amin'ny tany, na amin'ny fianianana hafa. Fa kosa, aoka ny teninareo hoe: "Eny" ho "Eny" ary ny "Tsia" ho "Tsia," mba tsy hiditra amin'ny fitsarana ianareo. 13 Misy olona va eo aminareo mijaly amin'ny ady sarotra? Aoka izy hivavaka. Misy olona faly ve? Aoka izy hihira fiderana. 14 Misy marary va eo anivonareo? Aoka izy hiantso ny loholon'ny fiangonana, ary aoka izy ireo hivavaka ho azy. Aoka izy ireo hanosotra menaka azy amin'ny anaran'ny Tompo. 15 Ny fivavaky ny finoana no hanasitrana ilay olona marary, ary ny Tompo hanangana azy. Raha nanota izy, dia hamela azy Andriamanitra. 16 Koa mifaneke heloka ianareo, ary mifampivavaha, mba ho sitrana ianareo. Ny vavaka ataon'ny olo-marina dia tena matanjaka amin'ny fiasany. 17 Elia dia lehilahy nitovy tamintsika ihany. Nivavaka mafy izy mba tsy hilatsahan'ny ranon'orana, ary tsy nilatsaka tamin'ny tany nandritra ny telo taona sy enim-bolana izany. 18 Avy eo nivavaka indray Elia. Ny lanitra dia nanome ranon'orana, ary ny tany namoa ny vokany. 19 Ry rahalahiko, raha misy eo aminareo miala amin'ny fahamarinana, ary misy anankiray mampiverina azy, 20 dia tokony ho fantatr'io olona io fa na iza na iza manala ny mpanota iray amin'ny lalan-diso dia hamonjy azy amin'ny fahafatesana, ary hanarona fahotana marobe.