1 Noho izany, ry rahalahy masina, nizara ny antson'ny lanitra ianareo. Saino ny momban'i Jesosy, ny apostoly sy mpisoronabe izay ekentsika. 2 Izy dia nahatoky an'Andriamanitra, izay nanendry azy, tahaka an'i Mosesy izay nahatoky tao an-tranon'Andriamanitra ihany koa. 3 Fa Jesosy dia efa noraisina mendrika ny voninahitra lehibe noho Mosesy, satria izay manorina ny trano no manan-kaja bebe kokoa noho ilay trano. 4 Fa ny trano rehetra dia nisy olona nanorina , fa ny iray izay nanorina ny zavatra rehetra dia Andriamanitra. 5 Amin'ny lafiny iray, Mosesy dia natokisana toy mpanompo tao an-tranon'Andriamanitra iray manontolo. Izy no vavolombelona momba ireo zavatra izay tokony efa nolazaina amin'ny ho avy. 6 Fa Kristy no Zanaka miandraikitra ny tranon'Andriamanitra. Isika no tranony raha toa ka mihazona mafy ny herim-po sy ny fahatokiantsika isika. 7 Noho izany, izany dia tahakan'ny lazain'ny Fanahy masina hoe: "Anio, raha mandre ny feony ianareo 8 dia aza manamafy ny fonareo toy ny amin'ny fikomiana, amin'ny fotoanan'ny fitsapana any an'efitra. 9 Toy izany ny razambenareo rehefa nikomy tamin'ny alalan'ny fitsapana Ahy, ary rehefa, nandritry ny efapolo taona, dia hitan'izy ireo ny asako. 10 Noho izany dia tsy faly Aho amin'io taranaka io. 11 Hoy Aho hoe: 'Izy ireo dia voatarika mandrakariva any amin'ny lalan-diso ao am-pony. Tsy nahafantatra ny lalako izy ireo. Tahaka izany no nianianako tamin'ny fahatezerako hoe: 'Tsy hiditra ao amin'ny fitsaharako velively izy ireo."' 12 Mitandrema, ry rahalahy, mba tsy hisy na iray aminareo aza no hanana fo ratsin'ny tsy finoana, fo izay miala amin'Andriamanitra velona. 13 Fa kosa, mifampahereza isan'andro, raha mbola misy ny antsoina hoe: "Anio", mba tsy hisy aminareo ho mafy fo amin'ny alalan'ny fitaky ny fahotana. 14 Fa isika dia tonga mpiara-miasa amin'i Kristy raha toa ka mihazona mafy ny fahatokisantsika Azy hatrany am-piandohana ka hatrany amin'ny fiafarana. 15 Fa ny momba izany dia efa voalaza hoe: "Anio, raha mandre ny feony ianareo, dia aza manamafy ny fonareo, toy ny amin'ny fikomiana." 16 Iza izy izay efa nandre an'Andriamanitra ka nikomy? Fa tsy ireo rehetra izay nivoaka avy tany Egypta tamin'ny alalan'i Mosesy ve izany? 17 Iza no nahatezitra azy nandritry ny efapolo taona? Tsy ireo izay nanota ve, izay lavo tany an'efitra ny fatin'izy ireo? 18 Ho an'iza no nianianany fa tsy hiditra ao amin'ny fitsaharany izy ireo, raha tsy ho an'ireo izay tsy nankatoa Azy? 19 Hitantsika fa tsy afaka niditra tao amin'ny fitsaharany izy ireo nohon'ny tsy finoana.