Toko 1

1 Taloha ela be Andriamanitra dia niresaka tamin'ny razambentsika tamin'ny alalan'ireo mpaminany tamin'ny fotoana maro sy tamin'ny fomba maro. 2 Fa amin'izao andro farany izao, dia niresaka tamintsika tamin'ny alalan'ny Zanaka lahy Izy, izay notendreny ho mpandova ny zavatra rehetra. Tamin'ny alalany ihany koa no naharian' Andriamanitra izao tontolo izao. 3 Izy no famirapiratan'ny voninahitr'Andriamanitra, ilay endriky ny tenany indrindra. Na ny zavatra rehetra aza dia hazominy hiaraka amin'ny alalan'ny herin'ny teniny. Taorian'ny nanadiaovany ireo fahotana, dia nipetraka teo ambanin'ny tanan'ankavanan'ny Lehibe any amin'ny avo izy. 4 Lasa ambony tahaka ireo anjely Izy , satria ny anarana nolovainy dia tsara lavitra noho ny anaran'izy ireo. 5 Fa iza tamin'ireo anjely no mba nilazan'Andriamanitra hoe: "Zanako ianao, tonga rainao Aho androany" Ary indray hoe: "Ho ray ho azy Aho, ary izy ho zanaka ho Ahy"? 6 Ary koa, rehefa nitondra ny lahimatoa teto amin'izao tontolo izao Andriamanitra, dia niteny Izy hoe: "Ireo anjelin'Andriamanitra rehetra dia tsy maintsy midera Azy." 7 Momba ireo anjely dia niteny Izy hoe: "Izy ilay iray nanao ireo anjeliny ho fanahy, ary ireo mpanompony nataony lelan'afo." 8 Fa momban'ny Zanaka dia hoy Izy hoe: "Ny seza fiandriananao, ry Andriamanitra, dia mandrakizay ary ho doria. Ny tehin'ny fanjakanao dia tehin'ny fitsarana. 9 Nitia ny fahamarinana ianao ary nankahala ny fandikan-dalàna. Noho izany Andriamanitra, Andriamanitrao, dia nanosotra anao tamin'ny menaky ny hafaliana mihoatra noho ireo mpiara-dia aminao." 10 "Tany am-piandohana, ry Tompo, Ianao no namorona ny fototry ny tany. Ireo lanitra dia asan'ny tananao. 11 Ho levona izy ireo, fa Ianao hanohy. Ho rovitra tahaka ny tapa-damba izy ireo. 12 Hamoritra azy ireo tahaka ny fitafiana ianao, ary hovaina tahaka ny poti-damba izy ireo. Fa ianao dia tahaka izany, ary ny taonanao dia tsy hanam-pahataperana." 13 Fa iza tamin'ireo anjely no nitenenan' Andriamanitra tamin'ny fotoana rehetra hoe: "Mipetraha eo amin'ny tanana ankavanako mandra-panaovako ireo fahavalonao ho seza ho an'ny tongotrao"? 14 Moa ve ireo anjely rehetra tsy fanahy manompo, sy nalefa hiahy ireo izay handova ny famonjena?