Toko 1

1 Ireto ny anaran'ireo zanaka lahin'Israely izay nankany Egypta niaraka tamin'i Jakoba, izay niaraka tamin'ireo ankohonany avy: 2 Robena, Simeona, Levy ary Joda; 3 Isakara, Zebolona, ary Benjamina, 4 Dana, Naftaly, Gada ary Asera. 5 Ireo taranak'i Jakoba rehetra dia miisa fitopolo. Josefa kosa dia efa tany Egypta. 6 Ary maty i Josefa, sy ny rahalahiny rehetra, ary ireo taranaka rehetra ireo. 7 Namokatra ireo Israelita, nitombo hatrany ny isan'izy ireo, ary lasa tena natanjaka; feno azy ireo ny tany. 8 Ary dia nisy mpanjaka vaovao nanjaka nanerana an'i Egypta, izay tsy nahafantatra ny momban'i Josefa. 9 Hoy izy tamin'ireo vahoakany hoe: "Indro, ireo Israelita dia maro an'isa sy matanjaka kokoa noho isika. 10 Manatona, aoka isika ifampiraharaha am-pahendrena amin'izy ireo, raha tsy izany dia hitombo isa hatrany izy ireo, ary raha vaky ny ady, dia hamonjy ireo fahavalontsika izy ireo, hiady amintsika, ary handao ny tany." 11 Koa dia nametraka mpifehy izy ireo mba hampahory azy ireo amin'ny asa mafy. Nanamboatra tanàna fitehirizana ho an'i Farao ireo Israelita: Pitoma sy Ramesesa. 12 Saingy voamaika ireo Egyptiana mampahory azy ireo, dia voamaika nitombo an'isa sy niparitaka ireo Israelita. Koa dia nanomboka natahotra ireo Israelita ireo Egyptiana. 13 Nampiasain'ireo Egyptiana fatratra ireo Israelita. 14 Nataony nangidy ny fiainan'izy ireo tamin'ny fanompoana mafy tamin'ny fanaovana feta sy biriky, niaraka tamin'ireo karazan-draharaha rehetra eny an-tsaha. Ny asa rehetra notakiana tamin'izy ireo dia mafy avokoa. 15 Ary niresaka tamin'ireo mpampivelona Hebreo ny mpanjakan'i Egypta; ny anaran'ny iray dia Sifra, ary ny anankiray Poa. 16 Hoy izy hoe: "Rehefa manatrika ireo vehivavy Hebreo eo amin'ny seza fiterahana ianareo, dia araho maso izy ireo rehefa miteraka. Raha zaza lahy izany, dia tsy maintsy hovonoinareo izy; fa raha zaza vavy kosa, dia afaka avela ho velona." 17 Fa natahotra an'Andriamanitra ireo mpampivelona ka tsy nanao izay nandidian'i mpanjakan'i Egypta azy ireo; navelan'izy ireo ho velona ireo zaza lahy. 18 Nampiantso ireo mpampivelona ny mpanjakan'i Egypta ka niteny tamin'izy ireo hoe: "Nahoana no nanao izao ianareo, ary namela ireo zazalahy kely ho velona?" 19 Dia namaly an'i Farao ireo mpampivelona hoe: "tsy mitovy amin'ireo vehivavy Egyptiana ireo vehivavy Hebreo. Matanjaka izy ireo ka efa nahavita namoaka zaza mialohan'ny hatongavan'ny mpampivelona any amin'izy ireo." 20 Narovan'Andriamanitra ireo mpampivelona ireo. Nitombo an'isa ireo mponina ary tena niha-natanjaka. 21 Satria natahotra an'Andriamanitra ireo mpampivelona, dia nomeny ankohonana izy ireo. 22 Nandidy ireo vahoakany rehetra Farao hoe: "Tsy maintsy harianareo any amin'ny renirano ny zazalahy rehetra izay vao teraka, fa ny zazavavy havelanareo ho velona."