1 Noho izany aoka mba ho mpaka tahaka an' Andriamanitra, tahaka ny zanaka malala. 2 Ary mandehana amin'ny fitiavana, araka ny nitiavan'i Kristy antsika ihany koa sy nanomezany ny tenany ho antsika, fanatitra manim-pofona sy sorona ho an'Andriamanitra. 3 Fa tsy tokony hisy na dia resaka fijangajangana na karazana fahalotoana na tsy fahononan-tena aza eo aminareo, fa tsy mendrika ny olo-masin'Andriamanitra ireo. 4 Aoka tsy hisy mamoafady, resaka adaladala, ary hanihany tafahoatra _ fa tsy mendrika ny rehetra amin'ireo. Fa kosa tokony hisy fankasitrahana. 5 Fa afaka mahazo antoka ny amin'izao ianareo, fa tsy hisy mpijangajanga, maloto, na ny mpierina _ izany hoe, mpanompo sampy _ manana lova ao amin'ny fanjakan'i Kristy sy Andriamanitra. 6 Aoka tsy hisy hamitaka anareo amin'ny teny foana, satria noho ireo zavatra ireo dia tonga amin'ny zanaky ny tsy fankatoavana ny hatezeran'Andriamanitra. 7 Noho izany, aza mikambana amin'izy ireo. 8 Fa maizina ianareo fahiny, fa izao ianareo dia fahazavana ao amin'ny Tompo. Mandehana tahaka ny zanaky ny mazava, 9 (fa ny vokatry ny fahazavana dia ao amin'ny fahatsarana rehetra, fahitsiana, sy fahamarinana). 10 ary tadiavo izay mahafinaritra ny Tompo. 11 Aza mikambana amin'ireo asa tsy mamokatry ny haizina, fa ampiharihario kosa ireo. 12 Fa mahamenatra na dia ny manonona ireo zavatra ataon'izy ireo any amin'ny miafina aza. 13 Fa rehefa hazavain'ny fahazavana ny zavatra iray, dia lasa miharihary. 14 Fa ny zavatra rehetra izay miharihary dia fahazavana. Noho izany dia voalaza hoe: ''Mifohaza, ianao matory, ary mitsangàna amin'ny toeran'ny maty, dia hamiratra aminao Kristy.'' 15 Mitandrema amin'ny fomba fiainanao _ tsy tahaka ny tsy hendry fa tahaka ny hendry. 16 Araraoty ny fotoana satria izao andro izao dia ratsy. 17 Noho izany, aza miadaladala, fa takaro hoe inona no sitrapon'ny Tompo. 18 Ary aza manao mamon'ny divay, fa mitondra any amin'ny fahasimban-toetra izany. Fa kosa, aoka ho fenon'ny Fanahy Masina, 19 mifampiresaha aminareo samy ianareo amin'ny salamo sy fihirana ary hiram-panahy, mihirà ary mikaloa amin'ny Tompo amin'ny fonareo rehetra . 20 Misaora mandrakariva amin'ny zavatra rehetra, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika ho an' Andriamanitra ilay Ray, 21 mifanolora tena amim-panajana ho an'i Kristy. 22 Ry vehivavy, maneke ny vadinareo, tahaka ny amin'ny Tompo. 23 Fa ny lehilahy no lohan'ny vavy tahaka an'i Kristy koa lohan'ny fiangonana, ary Kristy tenany no mpamonjy. 24 Fa tahaka ny haneken'ny fiangonana an'i Kristy, dia toy izany koa no tokony haneken'ny vehivavy ny vadiny amin'ny zavatra rehetra. 25 Ry lehilahy, tiavo ny vadinareo, tahaka ny nitiavan'i Kristy ny fiangonana sy nanomezany azy ny ainy. 26 Nanolotra ny tenany ho an'ny fiangonana Kristy mba afahany manamasina azy, tamin'ny fanadiovana azy tamin'ny rano fanasana amin'ny teny, 27 mba afahany mampiseho azy ho be voninahitra eo aminy, tsy misy pentina na kentrona na zavatra toy izany, fa masina sady tsy misy diso. 28 Tahaka izany ihany koa ny lehilahy dia tokony ho tia ny vadin'izy ireo avy tahaka ny tenan'izy ireo. Izy izay tia ny vadiny dia tia ny tenany ihany koa. 29 Tsy mbola nisy nankahala ny tenany, fa mamahana sy mikarakara izany tsara, tahaka an'i Kristy mamahana ny fiangonana sy mikarakara azy ihany koa, 30 satria isika dia ratsam- batany. 31 Noho izany antony izany ny lehilahy dia handao ny ray sy ny reniny ka hikambana amin'ny vadiny, ary izy roa dia ho tonga nofo iray ihany.'' 32 Lehibe izany fahamarinana miafina izany _ fa Izaho dia miresaka momban'i Kristy sy ny fiangonana. 33 Kanefa, ny tsirairay aminareo ihany koa dia tokony ho tia ny vadiny avy tahaka ny tenany, ary ny vehivavy dia tokony hanaja ny vadiny.