Toko 1

1 Ireto ny tenin'ilay Mpitoriteny, ilay taranak'i Davida sy mpanjakan'i Jerosalema. 2 Ny Mpitoriteny milaza izao. "Toy ny enton'ny zavona, toy ny tsio-drivotra, ny fanjavonan'ny zavatra rehetra, mamela fanontaniana maro. 3 Inona no tombon-tsoa azon'ny olombelona avy amin'ny asa rehetra izay nisasarany teo ambany masoandro? 4 Ny taranaka iray lasa, ary ny taranaka iray hafa tonga, kanefa ny tany mitoetra mandrakizay. 5 Miposaka ny masoandro, ary milentika izany ary maika hiverina any amin'ny toerana izay hiposahany indray. 6 Mitsoka mianatsimo ny rivotra ary manao faribolana mihodina mankany avaratra, mandeha mihodina amin'ny lalany hatrany ary miverina indray. 7 Ireo ony rehetra mikoriana any an-dranomasina, fa ny ranomasina tsy mba mety feno. Any amin'izay toerana handehanan'ireo ony, no handehanan'izany indray. 8 Lasa mandreraka ny zavatra rehetra, ary tsy misy afaka manazava izany. Ny maso tsy afa-po amin'izay hitany, na ny sofina tanteraka amin'izay reny. 9 Izay rehetra efa teo dia mbola ho eo, ary izay rehetra efa vita no mbola ho atao. Tsy misy zavatra vaovao ety ambany masoandro. 10 Moa ve misy zavatra izay mety ho lazaina hoe: 'Indro, zava-baovao ity'? Izay rehetra misy dia efa nisy hatramin'ny fotoana ela, nandritr'ireo taona izay tonga ela talohantsika. 11 Toa tsy misy hita ho mahatadidy ireo zavatra izay nitranga tamin'ny fotoana fahiny, sy ireo zavatra izay nitranga vao haingana ary ireo izay mbola hitranga amin'ny ho avy dia tsy ho tadidy koa." 12 Izaho ilay Mpitoriteny, ary efa mpanjaka teo amin'Israely tany Jerosalema. 13 Nampiasa ny saiko aho mba hianatra sy hitady am-pahendrena ny zavatra rehetra izay natao teo ambanin'ny lanitra. Izany fitadiavana izany dia asa mavesatra izay nomen'Andriamanitra an'ireo zanak'olombelona mba hisasarana. 14 Efa hitako avokoa ny asa rehetra izay natao teo ambany masoandro, ary indro, izy rehetra ireo dia entona mihavosa sy fikasàna ny hanohitra ny rivotra. 15 Ny meloka dia tsy mety hahitsy! Ny tsy tonga tsy azo isaina! 16 Niteny tamin'ny foko aho nanao hoe: "Indro, izaho dia nahazo fahendrena lehibe noho ireo rehetra izay talohako tany Jerosalema. Ny saiko dia nahita fahendrena sy fahalalana lehibe." 17 Koa nampiasa ny foko aho mba hahalala fahendrena sy fahaverezan-tsaina ary hadalana ihany koa. Tonga aho mba hahatakatra fa fikasàna ny hanohitra ny rivotra ihany koa izany. 18 Fa amin'ny fitobahan'ny fahendrena no mampisy fahoriana be, ary izay mampitombo fahalalana dia mampitombo alahelo.