Toko faha 4

1 Ankehitriny, ry Israely, mihainoa ny lalàna sy ny didy izay ho ampianariko anareo, ho ataonareo; mba hahavelomanareo sy hidiranareo ka hakanareo ny tany izay homen'i Yaveh, ilay Andriamanitry ny razanareo anareo. 2 Aoka ianareo tsy hanampy ny teny izay handidiako anareo, na hanala amin'izany, mba hitandremanareo ireo lalàn'i Yaveh Andriamanitrareo izay handidiako anareo. 3 Ny masonareo dia efa nahita izay nataon'i Yaveh noho Bala-Peora; satria ny olona rehetra izay nanaraka an'i Bala-peora, dia noringanin'i Yaveh Andriamanitrao hiala teo aminao. 4 Fa ianareo izay nifikitra tamin'i Yaveh Andriamanitrareo kosa dia mbola velona ankehitriny, ny rehetra aminareo. 5 Indro, nampianatra didy aman-dalàna anareo aho, araka izay nandidian'i Yaveh Andriamanitro ahy, fa tokony hanao izany eo afovoan'ny tany izay hidiranareo mba ho azonareo ianareo. 6 Koa tandremo izany ka ataovy; fa izany no fahendrena sy fahazavan-tsainareo eo imason'ny olona izay handre momba ireo didy rehetra ireo ka hanao hoe: 'Azo antoka fa vahoaka hendry sady manam-pahalalana ity firenena lehibe ity.' 7 Fa iza no firenena lehibe hafa izay manana andriamanitra akaiky azy tokoa, tahaka an'i Yaveh Andriamanitsika isaky ny miantso Azy isika? 8 Iza no firenena lehibe hafa izay manana didy aman-dalàna marina tahaka ity lalàna izay apetrako eto anoloanareo anio ity? 9 Fa mitandrema ary ambeno tsara ny tenanao, mba tsy hanadinoinao ny zavatra izay hitan'ny masonao, ary mba tsy handao ny fonao amin'ny androm-piainanao manontolo izany. Fa kosa, ampahafantaro amin'ny zanakao sy ny zafinao izany. 10 Tamin'ny andro izay nijoroanao teo anatrehan'i Yaveh Andriamanitrao tany Horeba, dia nilaza tamiko Yaveh hoe: 'Vorio ho Ahy ny vahoaka, ary Izaho hampandre azy ireo ny teniko, mba hianaran'izy ireo hahatahotra Ahy amin'ny andro-piainan'izy ireo rehetra eto an-tany, ka hahafahan'izy ireo mampianatra ny zanany.' 11 Dia nanakaiky ianareo ary nijoro teo am-pototry ny tendrombohitra. Nirehitra afo nanakatra ny halalin'ny lanitra ny tendrombohitra, niaraka tamin'ny aizina, rahona, ary aizim-pito matevina. 12 Niteny taminareo avy tao afovoan'ny afo Yaveh; nandre ny feo niaraka tamin'ny teny ianareo, saingy tsy nahita endrika; nandre feo fotsiny ihany ianareo. 13 Nanambara taminareo ny fanekena izay nodidiany hampiharinareo Izy, dia ny Didy Folo. Nosoratany tamin'ny vato fisaka roa izany. 14 Nandidy ahy hampianatra anareo ny didy sy baiko Yaveh tamin'izany fotoana izany, mba hanaovanareo izany any amin'ny tany izay hiampitanareo ka halainareo ho fananana. 15 Koa mitandrema tsara—fa tsy nahita karazan'endrika ianareo tamin'izany andro niresahan'i Yaveh taminareo tao Horeba avy teo afovoan'ny afo izany— 16 mba tsy hanimba tena ianareo ka hanamboatra sary sokitra mitovy endrika amin'izay mety ho voahary rehetra, dia endrik'olona lahy na vavy, 17 na mitovy endrika amin'izay mety ho biby rehetra eto an-tany, na mitovy endrika amin'izay mety ho biby manan'elatra ary manidina eny amin'ny habakabaka, 18 na mitovy endrika amin'ny zavatra rehetra izay mandady amin'ny tany, na mitovy endrika amin'ny trondro any anaty rano ambany tany. 19 Aoka ny masonao tsy hiandrandra ny lanitra ary hijery ny masoandro, ny volana, na ny kintana— ny zavatra rehetra eny amin'ny lanitra—ka ho voataona hivavaka amin'ireny sy hanompo an'ireny—ireo zavatra izay nanomezan'i Yaveh Andriamanitrao anjara ho an'ny firenena rehetra ambanin'ny lanitra. 20 Fa Yaveh naka anareo ka nitondra anareo niala avy tao amin'ny fatana fandrendreham-by, dia avy tany Egypta, mba ho vahoaka izay lovany manokana, tahaka anareo ankehitriny. 21 Tezitra tamiko Yaveh nohon'ny aminareo; nianiana Izy fa tsy hiampita an'i Jordana aho, ary tsy hiditra ao amin'izany tany soa izany, dia ny tany izay omen'i Yaveh Andriamanitrao ho lovanao. 22 Fa kosa, tsy maintsy ho faty eto amin'ity tany ity aho; tsy mahazo miampita an'i Jordana aho; fa ianareo kosa dia hiampita ary hahazo izany tany soa izany. 23 Tandremo tsara ny tenanareo, mba tsy hanadino ny faneken'i Yaveh Andriamanitrareo, izay nataony taminareo, ka hanamboatra sary sokitra mitovy endrika amin'izay rehetra nandraran'i Yaveh Andriamanitrao tsy ho ataonao. 24 Fa afo mandevona Yaveh Andriamanitrao, ary Andriamanitra saro-piaro. 25 Rehefa manan-janaka aman-jafy ianao, ary rehefa nitoetra ela tao amin'ny tany, ary raha manimba ny tenanao ka manao sary sokitra araka ny endrik'izay mety ho zavatra rehetra, ary manao izay ratsy eo imason'i Yaveh Andriamanitrao, mba hampihetsika ny fahatezerany— 26 dia miantso ny lanitra sy ny tany aho anio ho vavolombelona aminareo fa ho ringana hiala eo amin'ny tany izay hitànareo an'i Jordana ho fanananareo tokoa ianareo; tsy ho lava andro ao ianareo, fa ho ringana tanteraka. 27 Ho aparitak'i Yaveh eo amin'ny vahoaka ianareo, ka ho avela vitsy an'isa eo amin'ireo firenena, izay hitondran'i Yaveh anareo ianareo. 28 Any ianareo no hanompo andriamanitra hafa, izay asan'ny tanan'olombelona, vita amin'ny hazo sy vato, izay sady tsy mahita, no tsy mandre, no tsy mihinana, na manimbolo. 29 Fa avy any ianareo no hitady an'i Yaveh Andriamanitrareo, ka hahita Azy, rehefa mitady Azy amin'ny fonareo manontolo sy amin'ny fanahinareo manontolo ianareo. 30 Rehefa ory ianareo, ary rehefa tonga aminareo izany zavatra rehetra izany, dia hiverina amin'i Yaveh Andriamanitrareo ianareo ka hihaino ny feony any aoriana any. 31 Fa Andriamanitra mpamindra fo Yaveh Andriamanitrareo; tsy handao na handringana anareo Izy, na hanadino ny faneken'ny razanareo izay nianianany tamin'izy ireo. 32 Fa izao dia hevero ny andro lasa, izay talohanareo: nanomboka tamin'ny andro izay naharian'Andriamanitra ny olombelona teto an-tany, ary nanomboka tamin'ny ilan'ny lanitra ka hatreo amin'ny ilany hafa, hevero raha nisy tahaka izany zavatra lehibe izany, ary moa ve nisy zavatra tahaka izany mbola re? 33 Moa ve efa nisy vahoaka nandre ny feon'Andriamanitra niteny avy teo afovoan'ny afo, tahaka ny nandrenesanareo, ka velona? 34 Na moa ve Andriamanitra efa nitady ny handeha ka haka firenena ho Azy avy eo afovoan'ny firenena hafa, amin'ny alalan'ny fitsapana, famantarana, ary amin'ny fahagagana, sy ady, amin'ny tanana mahery, sy sandry mitsotra, ary amin'ny horororo lehibe, tahaka ny zava-drehetra izay nataon'i Yaveh teo imasonareo ho anareo tany Egytpta ? 35 Ianao no nampisehoana ireny zavatra ireny, mba hahafantaranao fa Yaveh no Andriamanitra, ary tsy misy hafa ankoatra Azy. 36 Avy tany an-danitra no nampandrenesany anao ny feony, mba hahafahany mampianatra anao; teto an-tany no nampisehoany anao ny afony lehibe; nandre ny feony avy teo afovoan'ny afo ianao. 37 Satria tia an'ireo razambenao Izy, dia nifidy ny taranaka izay nandimby azy ireo, ka nitondra anao nivoaka an'i Egypta teo amin'ny fanatrehany, tamin'ny heriny lehibe; 38 mba handroahana ny firenena lehibe sy matanjaka noho ianao hiala eo anoloanao, ka hampiditra anao ao, mba hanomezana anao ny tanin'izy ireo ho lova, tahaka ny androany. 39 Koa fantaro ary anio, ary ataovy ao am-ponao izao, fa Yaveh no Andriamanitra any an-danitra any ambony sy ety an-tany ety ambany; ary tsy misy hafa. 40 Hitandrina ny didiny sy ny lalàny izay handidiako anao anio ianao, mba ho lavorary ny aminao sy ny taranaka mandimby anao, ary mba hahalava ny andro hiainanao ao amin'ny tany izay omen'i Yaveh anao mandrakizay." 41 Avy eo dia nisafidy tanàna telo avy teny amin'ny ilany antsinanan'i Jordana i Mosesy, 42 mba hahafahan'ny olona mandositra any amin'ny iray amin'ireo raha sendra mamono olon-kafa tsinahy izy, kanefa mbola tsy fahavalony tany aloha tany. Ny fandosirana any amin'ny iray amin'ireo tanàna ireo no mety hahatafavoaka velona azy. 43 Bezera tany an-tany efitra, tany amin'ny tany lemaka, any Robenita; Ramota tao Gileada, an'ny Gadita; ary Golana tany Basana, an'ny Manasita izany. 44 Izany no lalàna izay napetrak'i Mosesy teo anoloan'ireo vahoakan'Israely; 45 ireo no fanekem-pihavanana, lalàna, ary didy hafa izay nambarany tamin'ny vahoakan'Israely rehefa nivoaka avy tao Egypta izy ireo, 46 rehefa teny atsinanan'i Jordana izy ireo, tany amin'ny lohasaha nanandrify an'i Beta-Peora, tany amin'ny tanin'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, izay nonina tao Hesbona, ilay noresen'i Mosesy sy ny vahoakan'Israely rehefa nivoaka an'i Egypta izy ireo. 47 Nalain'izy ireo ho fananany ny taniny, sy ny tanin'i Oga mpanjakan'i Basana—ireo no mpanjakan'ny Amorita anankiroa, izay tany an-dafin'i Jordana niantsinanana. 48 Nanomboka avy tany Aroera, teo amoron'ny lohasahan'i Arnona, ka hatrany amin'ny Tendrombohitra Siona (na Tendrombohitra Hermona) izany fari-tany izany, 49 ary tafiditra tao amin'izany ny lemaky ny lohasahan-driakan'i Jordana rehetra, miantsinanana mankany an-dafin'i Jordana, mankany amin'ny Ranomasin'i Araba, ka hatrany amin'ny hantsan'ny Tendrombohitra Pisga.