1 Dia niakatra avy any amin'ny tany lemak'i Moaba nankany amin'ny Tendrombohitra Nebo, nankany an-tampon'i Pisga, izay tandrifin'i Jeriko i Mosesy. Tany Yaveh no nampiseho taminy ny tanin'i Gileada rehetra ka hatrany Dana, 2 sy Naftaly rehetra, ary ny tanin'i Efraima sy Manase, sy ny tanin'i Joda rehetra, mankany amin'ny ranomasina andrefana, 3 sy any Negeva, ary ny tany lemaky ny lohasahan'i Jeriko, ny TanĂ nan'ny Rofia, ka hatrany Zoara. 4 Hoy Yaveh taminy hoe: "Ity ny tany izay nianianako tamin'i Abrahama, Isaka, sy Jakoba, nanao hoe: 'Homeko ny taranakareo ity.' Navelako hijery izany tamin'ny masonareo ianareo, saingy tsy handeha any." 5 Ary dia maty tao amin'ny tanin'i Moaba i Mosesy, araka ny teny nampanantenain'i Yaveh. 6 Nalevin'i Yaveh tao amin'ny lohasaha ao amin'ny tanin'i Moaba manandrify an'i Beti- peora izy, fa tsy nisy nahalala izay misy ny fasany mandrak'ankehitriny. 7 Roapolo amby zato taona i Mosesy tamin'izy maty; tsy pahina ny masony, na nihena ny hery voajanahariny. 8 Nisaona an'i Mosesy tany amin'ny tany lemak'i Moaba nandritry ny telopolo andro ny vahoakan'Israely, avy eo tapitra ireo andro fisaonana an'i Mosesy. 9 Feno ny fanahin'ny fahendrena i Josoa zanaka lahin'i Nona, satria nametra-tanana taminy Mosesy. Nihaino azy ny vahoakan'Israely ary nanao izay nandidian'i Yaveh an'i Mosesy. 10 Tsy nisy mpaminany tahaka an'i Mosesy mihitsy tao Israely, izay fantatr'i Yaveh nifanatrika taminy. 11 Tsy mbola nisy mpaminany toa azy tamin'ireo famantarana sy fahagagana rehetra izay nanirahan'i Yaveh azy mba hatao any amin'ny tany Egypta, any amin'i Farao, sy ireo mpanompony rehetra, ary any amin'ny taniny rehetra. 12 Tsy mbola nisy mpaminany tahaka azy amin'ny asa lehibe rehetra sy mampatahotra izay nataon'i Mosesy teo imason'Israely rehetra.