Toko faha 32

1 Mihainoa, ry lanitra, ary avelao aho hiteny. Aoka ny tany hihaino ny tenin'ny vavako. 2 Aoka ny fampianarako hilatsaka toy ny ranon'orana, aoka ny teny halahatro hiraraka toy ny ando, ho toy orana manify amin'ny ahi-maitso, sy ho toy ny oram-be amin'ny zava-maniry. 3 Fa hitory ny anaran'i Yaveh aho, ary hanaiky ny fahalehibiazan'ny Andriamanitsika. 4 Ilay Vatolampy, tanteraka ny asany; fa marina avokoa ny lalany rehetra. Izy ilay Andriamanitra mahatoky, izay tsy misy heloka. Marina sy mahitsy Izy. 5 Nanao ratsy nanohitra azy izy ireo. Tsy mba zanany izy ireo. Fahafaham-baraka ho azy ireo izany. Taranaka simba toetra sy meloka izy ireo. 6 Izany ve no fomba hamalianao fitia an'i Yaveh, ry vahoaka adala sy tsy misy saina? Tsy rainao ve izy, ilay iray izay nahary anao? Nanao sy nanorina anao Izy. 7 Avereno ao an-tsainao ireo andron'ny fotoana fahiny, saino ny taona maro efa lasa. Anontanio ny rainao ary dia hasehony anao, ireo loholonao ary dia ho lazain'izy ireo aminao. 8 Tamin'ny nanomezan'Ilay Avo Indrindra an'ireo firenena ny lovan'izy ireo—tamin'ny nizarany ny olombelona rehetra, ary ny nametrahany ny faritanin'ny vahoaka, ary ny namerany ny isan'ireo andriamaniny ihany koa. 9 Fa ny anjaran'i Yaveh dia ireo vahoakany; Jakoba no zara lovany. 10 Hitany tany amin'ny tany efitra izy, sy tany amin'ny tany efitra lao sy tsy mamokatra; niaro sy nikarakara azy Izy, niambina azy toy ny anakandriamasony Izy. 11 Toy ny voromahery izay miambina ny ankaniny sy manidintsidina eo ambonin'ireo zanany, namelatra ny elany Yaveh ary naka azy ireo, ary nentiny teny ambonin'ny elany izy ireo. 12 Yaveh irery no nitarika azy; tsy nisy andriamani-kafa niaraka taminy. 13 Nampandeha azy teny amin'ireo toerana avon'ny tany Izy, ary namahana azy ny vokatry ny saha; namelona azy tamin'ny tantely avy amin'ny vatolampy izy, ary menaka tamin'ny harambato afovato. 14 Nihinana hero-dronono avy amin'ny omby sy nisotro ronono avy amin'ireo ondry aman'osy izy, niaraka tamin'ny tavin'ny zanak'ondry, ondry lahin'ny Basana sy ireo osy lahy, niaraka tamin'ny varim-bazaha tsara indrindra— ary nisotro divay mandroatra avy tamin'ny ranom-boaloboka ianao. 15 Fa nihanatavy Jesorona ka nitsipaka— nihanatavy ianao, tena natavy loatra ianao, ary nihinana izay nahavoky anao—nahafoy an'Andriamanitra izay nanao azy izy, ary nolaviny ny Vatolampin'ny famonjeny. 16 Nanai izay nahasaro-piaro an'i Yaveh tamin'ireo andriamanin-kafa izy ireo; tamin'ireo zava-betavetany no nampahatezerany azy. 17 Nanao sorona tamin'ny demonia izy ireo, izay tsy Andriamanitra— andriamanitra izay tsy fantatr'izy ireo, andriamanitra izay vao niseho, andriamanitra izay tsy natahoran'ireo razambenareo. 18 Nataonao foana ny Vatolampy, izay efa tonga rainao, ary nohadinoinao ilay Andriamanitra izay niteraka anao. 19 Hitan'i Yaveh izany ka nafoiny izy ireo, satria nihantsy Azy ny zanany lahy sy vavy. 20 Hoy Izy hoe: "hanafina ny tavako amin'izy ireo Aho," "ary ho hitako eo izay hiafaran'izy ireo; fa taranaka mpivadika izy ireo, zanaka izay tsy mahatoky. 21 Nanao izay nahasaro-piaro Ahy tamin'izay tsy andriamanitra izy ireo ary nampahatezitra ahy tamin'ireo zava-poany. Izaho hampialona azy ireo amin'izay tsy vahoaka; hampahatezitra azy ireo amin'ny firenena adala Aho. 22 Fa nirehitra ny afo nohon'ny fahatezerako ary mandoro hatrany amin'ny fiainan-tsy-hita ambany indrindra; mandevona ny tany sy ny vokatra ao aminy izany; mampirehitra ireo fototry ny tendrombohitra izany. 23 Hampivangongo loza eo amin'izy ireo Aho; hitifitra azy ireo amin'ny zana-tsipìkako rehetra Aho; 24 Ho fatin'ny hanoanana izy ireo ary ho levonin'ny hafanana mahamay sy fandravana mafaitra; Halefako ho eo amin'izy ireo koa ny nifin'ireo bibidia, miaraka amin'ny poizin'ny biby mandady amin'ny vovoka. 25 Hampahory any ivelany ny sabatra, ary hanao tahaka izany koa ny fampihorohoroana ao amin'ny efitra fatoriana. Handringana ny tovolahy sy ny virijiny izany, ny zaza minono, ary ny lehilahy fotsy volo. 26 Fa efa nolazaiko fa hampiely azy ireo lavitra Aho, ary hatsahatro tsy ho eo amin'ny olombelona ny fahatsiarovana azy ireo. 27 Raha tsy nohon'ny fahatahorako ny fiantsian'ny fahavalo, sy ny tsy hitsaran'ireo fahavalony azy ireo diso, ka hitenenan'izy ireo hoe: 'Misandratra ny tananay,' dia nataoko avokoa ireo rehetra ireo. 28 Fa firenena tsy hahitam-pahendrena Israely, ary tsy misy fahazavan-tsaina ao aminy. 29 Indrisy, raha mba hendry izy ireo, ka afaka nahatakatra izany, ka afaka nandinika izay hiafarany! 30 Ataon'ny iray ahoana ny hanenjika arivo, na ny roa hampandositra iray alina, raha tsy ny Vatolampiny no efa nivarotra azy, ary Yaveh no efa nahafoy azy ireo? 31 Fa ny vatolampin'ireo fahavalontsika dia tsy mitovy amin'ny Vatolampintsika, araka izay efa eken'ny fahavalontsika. 32 Fa ny voalobony dia avy amin'ny voalobok'i Sodoma, ary avy amin'ireo sahan'i Gomora; voaloboka misy poizina ny voalobony; ary mangidy ireo sampany. 33 Poizin'ny menarana ny divain'izy ireo ary poizi-mandozaben'ny menarana. 34 Tsy fikasana miafina notehiriziko ve izany, voaisy tombo-kase tao an-trano fitoeran-drakitro? 35 Ahy ny famaliana, sy ny fampanodiavana, amin'ny fotoana hahasolafaka ny tongotr'izy ireo; fa antomotra ny andro hahitan'izy ireo loza, ary hitranga faingana ireo zavatra voatendry ho azy ireo" 36 Satria Yaveh dia hanome rariny ny olony, ary hamindra fo amin'ireo mpanompony Izy. Ho hitany fa tsy manan-kery izy ireo, ary tsy nisy tafajanona, na ireo andevo na ny olon'afaka. 37 Dia hiteny Izy hoe: "aiza ireo andriamaniny, ny vatolampy izay nialofan'izy ireo?— 38 Ireo andriamanitra izay nihinana ny tavin'ireo sorona nataony sy nisotro ny divaim-panatitra ahidin'izy ireo? Aoka izy ireo hitsangana ka hanampy anareo; aoka izy ireo ho fiarovanareo. 39 Jereo ankehitriny fa Izaho, dia Izaho, ihany no Andriamanitra, ary tsy misy andriamanitra afa-tsy Izaho; Izaho no mahafaty, ary Izaho no mahavelona; Izaho no mandratra, ary Izaho no manasitrana, ary tsy misy hafa afaka hamonjy anao amin'ny heriko. 40 Eny manandratra ny tanako ho amin'ny lanitra Aho ary miteny hoe: 'Satria velona mandrakizay Aho, dia hiasa. 41 Rehefa mandranitra ny sabatro manjelatra Aho, ary rehefa manomboka mitondra ny rariny ny tanako, dia hamaly ireo fahavaloko Aho, ary hovaliako ireo izay nankahala Ahy. 42 Hataoko mamon-drà ny zana-tsipìkako, ary ny sabatro hihinana nofo miaraka amin'ny ràn'ireo voavono sy ireo babo, ary hatramin'ny lohan'ireo mpitarika ny fahavalo."' 43 Miravoravoa, ianareo ry firenena, miaraka amin'ny vahoakan'Andriamanitra, fa hamaly ny ràn'ny mpanompony Izy; hamaly faty ireo fahavalony Izy, fa hanao fanavotana ho an'ny taniny Izy, dia ho an'ny olony. 44 Ary tonga Mosesy ka nitanisa ny teny rehetran'izany fihirana izany teo an-tsofin'ireo vahoaka, izy, sy Hosea zanaka lahin'i Nona. 45 Ary tapitra voatanisan'i Mosesy tamin'Israely manontolo izany teny rehetra izany. 46 Ary hoy Izy tamin'izy ireo: 'Hafantohy ao an-tsainareo ireo teny rehetra izay nijoroako vavolombelona taminareo androany, mba handidianareo ny zanakareo hitandrina an'izany, ny teny rehetra an'ity lalana ity. 47 Fa tsy zava-poana ho anareo izany, satria fiainanareo, fa amin'izany zavatra izany no hahalava ny andronao amin'ilay tany izay hiampitanao an'i Jordana ho fanananao." 48 Niresaka tamin'i Mosesy Yaveh tamin'io andro io ihany ka niteny hoe: 49 "Mandehana miakatra amin'ireo tendrombohotr'i Abarima, miakatra hatrany an-tendrombohitra Nebo, izay any amin'ny tanin'i Moaba, tandrifin'i Jeriko. Hitazana ny tany Kanana, izay homeko ireo zanak'Israely ho fananany ianao. 50 Ho faty eo amin'ny tendrombohitra izay hiakaranao ianao, ary ho voahangona eo amin'ireo vahoakanao, tahaka ny nahafatesan'i Arona Israelita namanao tany an-tendrombohitra Hora ka nahangona teo amin'ireo vahoakany. 51 Izany no hiseho satria ianao dia tsy nahatoky Ahy teo anatrehan'ireo vahoakan'Israely tany amin'ny ranon'i Meriba tany Kadesy, tany an'efitr'i Zina; satria ianao tsy nitondra Ahy tamim-boninahitra sy tamim-panajana teo anatrehan'ireo vahoakan'Israely. 52 Fa ho hitanao eo anoloanao ny tany, kanefa tsy handeha any ianao, any amin'ny tany izay homeko ny vahoakan'Israely."