1 Tsy tokony hiambina ny ombin'ireo Israelita namanao ianao na ny ondriny mandeha amin'ny lalan-diso ka manafina ny tenanao amin'ireo; tsy maintsy ampodinao aminy ireo. 2 Raha tsy akaiky anao ireo Israelita namanao, na raha tsy mahafantatra azy ianao, dia tsy maintsy mitondra ilay biby any an-tranonao ianao, ary tsy maintsy miaraka aminao izany mandra-pitadiavany azy, ary avy eo dia tsy maintsy ampodinao any aminy izany. 3 Tokony manao tahaka izany amin'ny apondrany ianao; tokony manao tahaka izany amin'ny fitafiany ianao; ary tokony manao tahaka izany amin'ireo zavatry ny Israelita namanao very rehetra ihany koa ianao, ny zavany izay very ka hitanao; tsy tokony manafina ny tenanao ianao. 4 Tsy tokony mijery ny apondran'ny Israelita namanao na ny ombiny mianjera amin'ny lalana ka manafina ny tenanao amin'izy ireo ianao; tokony manampy izany hiarina indray ianao. 5 Tsy tokony hitafy fitafian-dehilahy ireo vehivavy, ary tsy tokony manao fitafiam-behivavy ireo lehilahy; fa na iza na iza manao ireo zavatra ireo dia fanevatevana an'i Yaveh Andriamanitrareo izany. 6 Raha misy akanim-borona miseho eo anoloanao eny an-dalana, eny amin'ny hazo rehetra na eny amin'ny tany, miaraka amin'ny zanany na atody ao aminy, ary ilay reniny mipetraka eo amin'ny zanany na eo amin'ireo atody, dia tsy tokony haka ilay reny miaraka amin'ilay zanany ianao. 7 Tokony hamela ilay reny handeha ianao, fa ilay zanany dia afaka alainao ho anao. Mankatoava izany baiko izany mba ho lavorary aminao izany, ary mba hahalava ny andronao. 8 Rehefa manorina trano vaovao ianao, dia asio aro-fanina ny tafonao mba tsy hitondranao rà ao an-tranonao raha misy olona mianjera avy eo amin'izany. 9 Tsy tokony hamboly ny tanim-boalobokao miaraka amin'ny karazana voa roa ianao, mba tsy ho alain'ny toerana masina ny vokatra rehetra, ireo voa izay nafafinao ary ny vokatry ny tanim-boaloboka. 10 Aza miasa tany amin'ny omby sy apondra indray miaraka ianao. 11 Aza mitafy lamba vita tamin'ny volon'ondry sy rongony miaraka. 12 Manamboara somotr'aviavy eo amin'ny zorony efatra amin'ny akanjo lava izay anaovanao. 13 Raha misy lehilahy iray maka vady, miara-mandry aminy, ary avy eo mankahala azy, 14 sy manendrikendrika azy amin'ny zavatra mahamenatra ary manao ratsy laza azy, sy milaza hoe: 'Naka izany vehivavy izany aho, fa rehefa nanatona akaiky azy aho, dia tsy nahita porofo amin'ny maha virijiny azy.' 15 Dia tsy maintsy maka porofo ny amin'ny maha-virjiny azy ho an'ireo loholona ao amin'ny vavahadin'ny tanàna ny ray sy renin'ilay vehivavy. 16 Ny rain'ilay vehivavy dia tsy maintsy milaza amin'ireo loholona hoe: 'Nanome ny zanako vavy ho vadin'izany lehilahy izany aho, ka nankahala azy izy. 17 Indro, nanendrikendrika azy tamin'ny zava-mahamenatra izy, ary nilaza hoe: "Tsy hitako tao amin'ny zanakareo vavy ny porofon'ny maha virjiny azy." Kanefa ity ny porofo amin'ny maha virijiny ny zanako vavy.' Avy eo izy ireo dia hamelatra ny fitafiany eo anatrehan'ireo loholon'ny tanàna. 18 Tokony haka io lehilahy io ireo loholon'ny tanàna ary hanasazy azy, 19 ary tokony hampanonitra azy sekela volafotsy zato izy ireo, ary hanome izany ho an'ny rain'ilay vehivavy, satria nanao ratsy laza tamin'ny virijinin'Israely iray ilay lehilahy. Tsy maintsy ho vadiny izy; ary tsy afaka ny hisaraka aminy izy mandritry ny androny rehetra. 20 Fa raha marina izany zavatra izany, fa ilay porofo maha-virijiny dia tsy hita tao amin'ilay vehivavy, 21 dia tsy maintsy hitondra an'ilay vehivavy any amin'ny varavaran'ny tranon'ilay ray izy ireo, ary ireo lehilahy any amin'ny tanàna dia tsy maintsy hitora-bato azy ho faty, satria nanao zavatra maharikoriko tany Israely izy, tamin'ny fanaovana fihetsika toy ny vehivavy janga tao an-tranon-drainy; ary hanala ny ratsy eo aminareo ianareo. 22 Raha misy lehilahy tratra niara-nandry tamin'ny vehivavy iray izay manambady lehilahy iray hafa, dia tsy maintsy ho faty izy roa, ilay lehilahy izay niara-nandry tamin'ilay vehivavy sy ilay vehivavy mihitsy; dia hanala ilay ratsy eo aminao ianao. 23 Raha misy vehivavy virijiny iray, mivady amin'ny lehilahy iray, ary lehilahy iray hafa mahatratra azy ao amin'ny tanàna ka miara mandry aminy, 24 dia alaivo ho any amin'ny vavahadin'ny tanàna izy roa, ka torahy vato ho faty. Tsy maintsy mitoraka ilay vehivavy ianao, satria tsy nitomany izy, na dia tao amin'ny tanàna aza. Tsy maintsy mitoraka ilay lehilahy ianao, satria nandika ny vadin'ny mpiara-belona aminy izy; ary hanala ny ratsy eo aminao ianao. 25 Fa raha tratran-dralehilahy eny an-tsaha ilay vehivavy efa fofombadin'olona, ka raha azoniny izy ary miara-mandry aminy, dia ilay lehilahy izay miara-mandry aminy ihany no tsy maintsy ho faty. 26 Fa ilay vehivavy tsy hanaovanao na inona na inona; tsy misy heloka mendrika fahafatesana ao amin'ilay vehivavy. Fa izany tranga izany dia toy ny lehilahy iray manafika ny mpiara-belona aminy sy mamono azy. 27 Fa hitany tany an-tsaha izy; nihiaka mafy ilay vehivavy fofombadin'olona, kanefa tsy nisy olona afaka namonjy azy . 28 Raha misy lehilahy mahatratra vehivavy virijiny iray nefa tsy mbola fofombadin'olona, ary raha hazoniny sy miara-mandry aminy izy, ka raha tratra izy ireo, 29 dia tsy maintsy manome sekely volafotsy dimampolo amin'ny rain'ilay vehivavy ilay lehilahy niara-nandry taminy, ary tsy maintsy lasa vadiny ilay vehivavy, satria nanala baraka azy izy. Tsy tokony hisaraka aminy izy mandritry ny androny rehetra. 30 Tsy tokony maka ny vadin-drainy ho azy manokana ny lehilahy iray; tsy tokony maka ny zon'ny fanambadin'ny rainy izy.