1 Ireo mpisorona, izay Levitika, ary ny fokon'i Levy rehetra, dia tsy hahazo anjara na lova miaraka amin'Israely; tsy maintsy mihinana ireo fanatitr'i Yaveh natao tamin'ny afo toy ny lovany izy ireo. 2 Tsy tokony mahazo lova eo amin'ireo rahalahiny izy ireo; Yaveh no lovan'izy ireo, araka ny efa nolazainy tamin'izy ireo. 3 Izao no anjaran'ny mpisorona avy any amin'ny vahoaka, sy avy any amin'ireo nanao sorona na ireo omby na ireo ondry: tokony homen'izy ireo ho an'ny mpisorona ny soroka, ny takolany roa, sy ireo atiny. 4 Ireo voaloham-bokatry ny varinao, ny divainao vaovao, sy ny diloilonao, ary ny volon'ondrinao voalohany, dia tokony homenao azy izany. 5 Fa Yaveh Andriamanitrareo no nifidy azy teo amin'ny fokonareo rehetra mba hijoro sy hanompo amin'ny anaran'i Yaveh, izy sy ny zanany lahy mandrakizay. 6 Raha misy Levita iray tonga avy amin'ny tanĂ nanareo niala ny Israely rehetra izay nipetrahany, ary maniry amin'ny fanahiny rehetra ho tonga amin'ilay toerana izay ho fidian'i Yaveh , 7 dia tsy maintsy manompo amin'ny anaran'i Yaveh Andriamaniny izy toy ny ataon'ireo Levita rehetra rahalahiny, izay mijoro ao manoloana an'i Yaveh. 8 Tokony hanana ny anjara fihinanana mitovy izy ireo, ankoatran'izay azo amin'ny fivarotana ny lovan'ny fianakaviany. 9 Rehefa tafiditra ao amin'ny tany izay homen'i Yaveh Andriamanitrareo ianareo, dia aza mianatra mandinika ny fahavetavetan'ireo firenena ireo. 10 Tsy tokony hahitana olona mametraka ny zanany lahy na ny zanany vavy anaty afo eo aminareo, na iza na iza mampiasa sikidy, na misikidy, mampiasa ody, na manao ody, 11 mpanao vintana, miresaka amin'ny maty, na izay miresaka amin'ireo fanahy. 12 Fa na iza na iza manao ireo zavatra ireo dia fahavetavetana amin'i Yaveh izany; satria noho ireo fahavetavetana ireo no handroahan'i Yaveh Andriamanitrareo azy ireo tsy ho eo anoloanareo. 13 Aoka tsy hanan-tsiny eo anoloan'i Yaveh Andriamanitrareo ianareo. 14 Fa ireo firenena izay ho alainareo ireo dia mihaino ireo mpanao ody sy sikidy; fa ianareo kosa, Yaveh Andriamanitrareo dia tsy namela anareo nanao izany. 15 Hanangana mpaminany avy aminareo ho anareo i Yaveh Andriamanitrareo, iray amin'ireo rahalahinareo, tahaka ahy. Tokony henoinareo izy. 16 Izany no nangatahinareo tamin'i Yaveh Andriamanitrareo tany Horeba tamin'ny andron'ny fiangonana, manao hoe: 'Andeha isika tsy handre ny feon'i Yaveh Andriamanitsika intsony, na hahita ity afo lehibe ity intsony, fandrao ho faty isika.' 17 Ary hoy Yaveh tamiko hoe: 'Tsara ireo izay nolazain'izy ireo. 18 Hanangana mpaminany iray ho an'izy ireo Aho ho eo amin'ireo rahalahin'izy ireo, izay tahaka anareo. Hataoko ao am-bavany ireo teniko, ary ho lazainy azy ireo izay nandidiko azy rehetra. 19 Hiseho izany raha misy olona tsy mihaino ireo teniko izay lazainy amin'ny anarako, ho takiko aminy izany. 20 Fa ilay mpaminany izay milaza teny am-pireharehana amin'ny anarako, ny teny izay tsy nandidiko azy ho lazaina, na izay miteny amin'ny anaran'ireo andriamanitra hafa, dia tsy maintsy ho faty izany mpaminany izany. 21 Izao no tokony ho lazainareo ao am-ponareo: " Ahoana no hanekenay hafatra izay tsy nolazain'i Yaveh?' 22 Hanaiky ny hafatra izay nolazain'i Yaveh ianareo rehefa miteny amin'ny anaran'i Yaveh ny mpaminany. Raha tsy mitranga na tsy tanteraka izany zavatra izany, noho izany dia zavatra tsy nolazain'i Yaveh izany ary niteny izany tamim-pireharehana ny mpaminany, ka tsy tokony hatahotra azy ianareo.