Toko faha 15

1 Amin'ny faran'ny isam-pito taona, dia manaova fanafoanana trosa ianao. 2 Izany no fomban'ny fanafahana: Ny mpampindram-bola rehetra izay nampindrana dia tokony hamoy izay nampindraminy amin'ny mpiara-belona aminy; tsy hangataka izany amin'ireo mpiara-belona aminy izy na ny rahalahiny satria ny fanafoanan'I Yaveh ny trosa dia efa voambara. 3 Vahiny iray no azonao hangatahina izany; fa na inona na inona anao eo ampelan-tanan'ny rahalahinao dia tokony hafoinao. 4 Koa, tsy tokony hisy olona mahantra eo aminao ( fa Yaveh dia hitahy anao any amin'ny tany izay omeny anao tahaka ny lova ho fanananao), 5 raha toa ka mihaino tsara ny feon'Yaveh Andriamanitrao ianao, ka mitandrina ireo didy rehetra izay handidiko anao izao. 6 Fa Yaveh Andriamanitrao hitahy anao, araka izay nampanantenainy anao; ary hampisambotra amin'ny firenena maro ianao, fa tsy hindrana; hanapaka amin'ny firenena maro ianao, fa izy ireo kosa tsy hanapaka anao. 7 Raha misy lehilahy mahantra eo aminao, iray amin'ireo rahalahinao, izay ao amin'ny vavahadinao rehetra eo amin'ny tany izay nomen'Yaveh Andriamanitrao anao, aza manamafy ny fonao na manidy ny tananao amin'ny rahalahinao mahantra; 8 fa sokafy tsara aminy ny tananao ary ampindramo izay ilainy izy. 9 Mitandrema mba tsy hanana sain-dratsy ao am-ponao ,manao hoe: "Ny taona fahafito, ilay taonan'ny fanafahana, dia efa akaiky, mba tsy ho kahihitra eo imason'ireo rahalahinao ianao ary tsy hanome azy ireo na inona na inona; ary hitaraina amin'i Yaveh momba anao izy, ka fahotana ho anao izany. 10 Tsy maintsy homenao izy, ary tsy tokony hanenina ny fonao rehefa manome azy ianao, satria ny valin'izany dia hitahy anao amin'ny asanao rehetra sy izay rehetra ataon'ny tananao i Yaveh Andriamanitrao. 11 Satria ny mahantra dia tsy hitsahatra hisy eto amin'ny tany; noho izany no handidiko anao sy hilazako hoe: 'Sokafy tsara amin'ny rahalahinao ny tananao, ho an'izay mila ny fanampinao, ary amin'ireo mahantranao ao amin'ny taninao.' 12 Raha amidy aminao sy manompo anao mandritry ny enin-taona ny rahalahinao, lehilahy Hebreo, na vehivavy Hebreo, dia tsy maintsy hamela azy malalaka ianao amin'ny taona fahafito. 13 Rehefa avelanao handeha malalaka eo aminao izy, dia aza avela handeha tanam-polo. 14 Vatsio ondry aman'osinao, ny famoloan'ny varinao, sy ny famiazam-boalobokao amim-pahalalahana izy. Araka izay efa nitahian'i Yaveh Andriamanitrao anao, tsy maintsy homenao izy. 15 Tadidio fa andevo tany amin'ny tany Egypta ianareo, ary io Yaveh Andriamanitrareo io no nanavotra anareo; noho izany mandidy anareo aho izao hanao izany. 16 Hitranga izany rehefa miteny anareo izy hoe: 'Tsy hiala eo aminareo aho.' satria izy tianareo sy ny tranonareo, ary satria izy dia tsara aminareo, 17 Ary alaivo ny haolo ka teveo amin'ny sofiny eo am-baravaranana, dia ho mpanomponareo mandrakizay izy. Tsy maintsy ataonareo izany koa ny mpanompovavinareo 18 Tsy tokony ho sarotra aminareo ny handefa azy malalaka aminareo, satria efa nanompo anareo nandritry ny enin-taona izy ary nanome avo roa heny ny vidin'ny olona karamaina. Yaveh Andriamanitrareo dia hitahy anareo amin'izay rehetra ataonareo. 19 Ny lahy rehetra amin'ny voalohan-teraky ny ombinareo sy ny ondry aman'osinareo rehetra dia tsy maintsy hatokanareo ho an'i Yaveh Andriamanitrareo. Tsy hanao asa miaraka amin'ny voalohan-teraky ny ombinareo ianareo, na manety ny voalohan-teraky ny ondrinareo. 20 Hano eo anatrehan'i Yaveh Andriamanitrareo isan-taona isan-taona ny voalohan-teraka eo amin'ny toerana izay hofidianan'i Yaveh, anareo sy ny ankohonanareo. 21 Raha misy kilema izany— ohatra, raha mandringa na jamba, na inona na inona kilema hafa—aza atao sorona ho an'i Yaveh Andriamanitrareo izany. 22 Hihinana izany ao amin'ireo vavahadinareo ianareo; ireo olona maloto sy ny olona madio dia tsy maintsy mihinana izany, tahaka ny hihinananareo gazela na diera. 23 Fa kosa tsy tokony mihinana ny ràn'izany ianareo; fa ararao eo amin'ny tany tahaka ny rano ny ràny.