Toko 1

1 Toy izao ireo teny izay nolazain'i Mosesy tamin' Israely rehetra tany an-dafin'i Jordana tany an'efitra, teny amin'ny lemaky ny lohasahan-driakan'ny onin'i Jordana tandrifin'i Sofa, teo anelanelan'i Parana, Tofela, Labana, Hazerota, ary Dizahaba. 2 Lalana iraika ambin'ny folo andro avy any Horeba mandalo ny tendrombohitra Seira hatrany Kadesa-Barnea izany. 3 Tamin'ny taona faha-efa-polo, faha-iraika ambin'ny folon'ny volana, andro voalohan'ny volana, dia niresaka tamin'ireo vahoakan'Israely i Mosesy, nilaza tamin'izy ireo izay rehetra nandidian'i Yaveh ny mahakasika azy ireo. 4 Izany dia taorian'ny nanafihan'i Yaveh an'i Sihona mpanjakan'ireo Amorita, izay nipetraka tao Hesbona, sy Oga mpanjakan'i Basana, izay nipetraka tao Astarta tany Edrehy. 5 Tany an-dafin'i Jordana, tao amin'ny tanin'i Moaba, i Mosesy no nanomboka nanambara ireo lalàn'Andriamanitra, manao hoe: 6 "Niresaka tamintsika tany Horeba i Yaveh Andriamanitsika, manao hoe: 'Efa nipetraka naharitra teto amin'ity tendrombohitra ity ianareo. 7 Tohizo indray ny dianareo, ary mandehana any amin'ny tendrombohitr'ireo Amorita sy any amin'ireo toerana rehetra eny amin'ny lemaky ny lohasahan-driakan'ny Reniranon'i Jordana, eny amin'ny tendrombohitra, eny amin'ny faritra iva, ao Negreva, sy eny amorontsiraka—eny amin'ny tany Kananita, sy any Lebanona hatrany amin'ny loharano lehibe, dia Eofrata. 8 Indro, efa nomeko anareo ny tany; mandehana ao ary lovao ny tany izay nianianan'i Yaveh tamin'ireo razambenareo— tamin'i Abrahama, tamin'Isaka, ary tamin'i Jakoba—fa omena azy ireo sy ireo taranany ao aoriany.' 9 Niresaka taminareo aho tamin'izany fotoana izany, nanao hoe: 'Tsy zakako irery ianareo. 10 Efa nampitomboan'i Yaveh Andriamanitrareo ianareo, ary, indro, ankehitriny ianareo dia maro toy ny kintana eny an-danitra. 11 Yaveh, Andriamanitry ny razanareo, anie hampitombo arivo eny ny habetsahanareo amin'izao, ary hitahy anareo, araky ny efa nampanantenainy anareo! 12 Fa amin'ny fomba ahoana no hilanjako irery ny vesatrareo, ny enta-mavesatrareo, ary ny fifandiranareo? 13 Mangalà lehilahy hendry, lehilahy manam-pahalalana, ary lehilahy manan-daza amin'ny tsara isaky ny foko, ary hataoko ho lohanareo izy ireo.' 14 Namaly ahy ianareo ary niteny hoe: 'Ny zavatra izay nolazainao dia tsara ho ataonay' 15 Koa dia nalaiko ireo lohany eo amin'ny fokonareo, dia ireo lehilahy hendry, sy lehilahy manan-daza tsara, ka hanao azy ireo ho lohanareo, mpifehy ny arivo, mpifehy ny zato, mpifehy ny dimam-polo, mpifehy ny folo, ary manamboninahitra, isaky ny foko. 16 Nandidy ireo mpitsara anareo aho tamin'izany fotoana izany, nanao hoe: 'Henoy ny fifamaliana eo amin'ireo rahalahinareo, ary mitsarà am-pahamarinana manoloana ny olona sy ny rahalahiny, ary ireo vahiny izay miaraka aminy. 17 Tsy hampiseho fitanilànana na amin'iza na iza anaty fifandirana ianareo; hihaino ireo madinika ary hihaino ireo lehibe ihany koa ianareo. Tsy hatahotra ny endriky ny olona ianareo, satria an'Andriamanitra ny fitsarana. Ny fifandirana izay sarotra ho anareo, dia ho entinareo eto amiko, ka ho renesiko izany.' 18 Tamin'izany fotoana izany aho dia nandidy anareo ireo zavatra rehetra tokony hataonareo. 19 Niala avy any Horeba isika ary nandeha nanerana ny efitra lehibe sy mampitahotra izay hitanareo, teny amin'ny lalanareo ho any amin'ny tendrombohitr'ireo Amorita, araky ny nandidian'i Yaveh Andriamanitsika antsika; ka tonga tao Kadesi-Barnea isika. 20 Hoy aho taminareo hoe: 'Tonga ety amin'ny tany havoanan'ireo Amorita isika, izay omen'i Yaveh Andriamanitsika ho antsika. 21 Indro, Yaveh Andriamanitrao dia efa nametraka ny tany manoloana anao; mandehana, mandovà, araka ny efa nolazain'i Yaveh, ilay Andriamanitr'ireo razambenao taminao; aza matahotra na koa kivy.' 22 Ianareo tsirairay avy dia nanatona ahy ary niteny hoe: 'Andao isika handefa lehilahy hialoha lalana antsika, mba hitadiavan'izy ireo ilay tany ho antsika, ary hitondra tatitra momba ny fomba hanafihantsika, sy momba ireo tanàna handehanantsika.' 23 Nahafinaritra ahy ilay torohevitra; naka lehilahy roa ambin'ny folo teo aminareo aho, lehilahy iray isaky ny foko. 24 Nitodi-doha izy ireo ary niakatra ho eny amin'ilay tanàna eny an-tendrombohitra, tonga tao amin'ny Lohasahan'i Eskola, ary nanao fisafoana tao. 25 Naka ny sasan-tsasany tamin'ireo vokatra teo amin'ilay tany teny an-tanany izy ireo ary nitondra izany teo aminay. Nitondra teny ho anay koa izy ireo ka nanao hoe: 'Tany tsara izay omen'i Yaveh Andriamanintsika ho antsika izany.' 26 Kanefa ianareo nandà ny hanafika, fa nikomy nanohitra ny didin'i Yaveh Andriamanitrareo. 27 Nitaraina tao anaty lainareo ianareo ary niteny hoe: "Satria halan'i Yaveh isika dia nentiny nivoaka ny tany Egypta, mba hanolotra antsika eny am-pelatanan'ireo Amorita mba hamotika antsika. 28 Aiza no azontsika aleha ankehitriny? Ny fontsika dia efa nampitahorin'ireo rahalahintsika hoe: 'Ngeza sady lava noho isika ireo vahoaka ireo; lehibe sy voaaro mafy manakatra ny lanitra ny tanànan'izy ireo; fanampin'izay, efa hitantsika tany ireo zanaky ny Anakita.'" 29 Dia hoy aho taminao hoe: 'Aza mihorohoro, na koa matahotra azy ireo. 30 Yaveh Andriamanitrao, izay nandeha mialoha anao, dia hiady ho anao, tahaka ireo zavatra rehetra izay efa nataony teo imasonao ho anao tao Egypta, 31 ary koa tany an'efitra, izay nahitanao ny fomba nikarakaran'i Yaveh Andriamanitrao anao, toy ny ikarakaran'ny lehilahy iray ny zanany lahy, na taiza na taiza nalehanao mandra-pahatonganao teto amin'ity toerana ity.' 32 Kanefa na dia teo aza izany teny izany dia tsy nino an'i Yaveh Andriamanitrareo, 33 izay nialoha lalana anareo mba hitady toerana hitobianareo ianareo, tamin'ny afon'ny alina ary tamin'ny rahon'ny andro. 34 Ren'i Yaveh ny feon'ny teninareo ary dia tezitra Izy; nianiana Izy ary niteny hoe: 35 'Azo antoka fa tsy hisy iray amin'ireto olona avy amin'ny taranaka ratsy ireto hahita ilay tany tsara izay nianianako fa homeko ireo razanareo, 36 ankoatran'i Kaleba zanak'i Jefone; hahita izany izy. Homeko azy, sy ireo zanany ny tany izay efa nodiaviny, satria nanaraka tanteraka an'i Yaveh izy.' 37 Tezitra tamiko nohon'ny aminareo ihany koa i Yaveh , manao hoe: 'Ianao ihany koa dia tsy ho any; 38 Josoa zanaka lahin'i Nona, izay mijoro eo anoloanao, dia handeha any; hampaherezo izy, satria izy no hitarika an'i Israely handova izany. 39 Fanampin'izany, ireo zafikelinao, ireo izay nolazainao fa ho babo, izay tsy manana fahalalana ny amin'ny tsara sy ratsy ankehitriny—dia ho any izy ireo. Omeko azy ireo izany, ary ho lovainy izany. 40 Fa raha ny aminao, miverena ary mandehana any an'efitra manaraka ny lalana mankany amin'ny Ranomasina Mena.' 41 Ary namaly ianareo ka niteny tamiko hoe: 'Nanota tamin'i Yaveh izahay; hijoro sy hiady izahay, ary hanaraka izay rehetra efa nandidin'i Yaveh Andriamanitsika ho ataontsika.' Ny lehilahy rehetra teo aminareo dia nampiditra ny fitaovam-piadiny, ary ianareo nivonona hanafika ilay tany havoana. 42 Hoy Yaveh tamiko hoe: "Lazao azy ireo hoe: "Aza manafika ary aza miady, satria tsy hiaraka aminareo Aho, ary ho resin'ireo fahavalonareo ianareo.' 43 Toy izany no nitenenako anareo, kanefa tsy nohenoinareo. Nanohitra ny didin'i Yaveh ianareo; nirehareha ianareo ary nanafika ilay tany havoana. 44 Fa ireo Amorita, izay nipetraka teny amin'io tany havoana io, dia nivoaka nanohitra anareo ary nanenjika anareo toy ny tantely, ary namely anareo tao Seira, hatrany Horma. 45 Niverina ary nitomany teo anatrehan'i Yaveh ianao; kanefa i Yaveh tsy nihaino ny feonao, na nijery anao. 46 Koa dia nijanona tao Kadesa nandritra ny andro maro ianao, araka ireo andro izay nijanonanao tany.