Toko faha 8

1 Tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Belsazara Mpanjaka, izaho, Daniela, dia nisy fahitana niseho tamiko (tao aorinan'ilay iray izay niseho tamiko tamin'ny voalohany). 2 Hitako tamin'ilay fahitana, raha nijery aho, dia tao anatin'ny fiarovana mafin'ny Sosana tany amin'ny faritanin'i Elama aho. Hitako tao amin'ilay fahitana fa nanatrika ny Lakandranon'ny Olay aho. 3 Nijery ambony aho ary nahita ondrilahy niaraka tamin'ny tandroka roa teo anoloako aho, nitsangana teo akaikin'ny lakan-drano. Ny tandroka iray dia lava noho ny ilany, fa ilay lavalava iray nitombo tsimoramora noho ilay fohifohy ary nihoatra ny halavan'izany. 4 Nahita ilay ondrilahy nirifatra niankandrefana, avy eo nianavaratra, ary avy eo nianatsimo aho; tsy nisy biby hafa afaka nitsangana nanoloana azy. Tsy nisy tamin'izy ireo afaka namonjy izay hiala tao an-tanany. Nanao izay tiany rehetra izy, ary tonga lehibe tokoa. 5 Raha nisaintsaina momba izany aho, dia nahita osy lahy tonga avy any andrefana, izay nandeha nanerana ny velaran-tany manontolo, nihazakazaka mafy, toa tsy mitehi-tany. Nanan-tandroka lava teo anelanelan'ny masony ilay osy. 6 Nankeo amin'ilay ondrilahy izay nanana tandroka roa izy— nahita ny ondrilahy nitsangana teo amin'ny sisin'ny lakan-drano aho—ary ny osy nihazakazaka ho eny amin'ny ondrilahy tamim-pahatezerana mahery vaika. 7 Nahita ilay osy nanakaiky ilay ondrilahy aho. Tezitra mafy tamin'ilay ondrilahy izy, ary namely ilay ondrilahy ka namotika ireo tandrony roa. Tsy ampy hery ilay ondrilahy mba hijoro manatrika azy. Ilay osy nanongana azy tamin'ny tany ka nanitsakitsaka azy. Tsy nisy afaka namonjy ilay ondrilahy tamin'ny heriny. 8 Niha-goavana ilay osy avy eo. Fa rehefa niha-nahery izy, dia vaky ilay tandroka lava, ary tamin'ny toeran'iny dia nisy tandroka lava efatra hafa nitombo izay nanondro manandrify ny rivotra efatry ny lanitra. 9 Nisy tandroka hafa nitsiry, kely tamin'ny voalohany, fa tonga lehibe tokoa tany atsimo, tany atsinanana, ary tany amin'ny tanin'ny hatsarana. 10 Tonga lehibe tokoa izany tahaka ny hirotsaka an'ady miaraka amin'ny tafiky ny lanitra. Ny sasany tamin'izany tafika izany sy ny sasany tamin'ireo kintana dia nazera tamin'ny tany, ary nanitsakitsaka azy ireo izany. 11 Nanao ny tenany ho lehibe tahaka ny mpifehy ny tafika izy, ary nanaisotra taminy ny sorona dorana tsy tapaka izany, ary ny fitoerana masiny dia voaloto. 12 Noho ny fikomiana, dia homena ny tandroky ny osy ny tafika, ary hatsahatra ny fanatitra dorana. Harian'ny tandroka amin'ny tany ambany ny fahamarinana, ary hahomby amin'izay ataony izany. 13 Ary naheno masina niteny aho ary iray masina hafa namaly azy: "Hafiriana no haharetan'ireo zavatra ireo, io fahitana momba ny fanatitra dorana io, ny fahotana izay mitondra faharavana, ny fanjakazakana eo amin'ny fitoerana masina, ary ny tafiky ny lanitra izay voahitsakitsaka?" 14 Hoy izy tamiko: "Haharitra 2.300 hariva sy maraina izany. Aorian'izany dia hapetraka tsara ny fitoerana masina." 15 Rehefa nahita ny fahitana, izaho, Daniela, dia niezaka nahatakatra izany aho. Ary nisy iray toa miendrika ho olona nitsangana nanoloana ahy. 16 Naheno feon-dehilahy niantso teo anelanelan'ny sisin'ny Lakan-drano Olay aho. Hoy Izy: "Ry Gabriela, ampio io lehilahy io hahatakatra ny fahitana." 17 Ka nanakaiky teo amin'izay nitsanganako izy. Rehefa tonga izy, natahotra aho ary nanodrika ny tenako tamin'ny tany. Hoy izy tamiko: "Mahatakara, ry zanak'olona, fa ny fahitana dia ho amin'ny fotoana farany." 18 Rehefa niresaka tamiko izy, dia lavo tao anaty torimaso lalina aho miaraka amin'ny tavako amin'ny tany. Ary nikasika ahy izy ary nampitsangana ahy. 19 Hoy izy: "Indro, hasehoko anao izay hitranga aty aoriana amin'ny fotoan'ny fahatezerana, satria ny fahitana dia mikasika ny fotoana voatondro ho amin'ny farany. 20 Fa ny rameva izay hitanao, ilay nanana tandroka roa—ireo no mpanjakan'i Media sy Persia. 21 Ilay ondry lahy dia ny mpanjakan'i Grisia. Ny tandroka lava teo anelanelan'ireo masony no ilay mpanjaka voalohany. 22 Raha ny amin'ilay tandroka izay tapaka, teo amin'ny toerana izay nipoiran'ireo efatra hafa—hisy fanjakana efatra hipoitra amin'ny fireneny, fa tsy amin'ny heriny lehibe. 23 Amin'ny fotoana farany an'ireo fanjakana ireo, rehefa hahatratra ny fetrany ireo mpamadika, dia hisy mpanjaka masia-tarehy, izay tena manan-tsaina, hitsangana. 24 Ho lehibe tokoa ny heriny—fa tsy tamin'ny heriny manokana. Ho gaga amin'izay ho ravàny izy; hiasa izy ary hahomby. Handrava vahoaka mahery izy, vahoaka eo amin'ireo izay masina. 25 Amin'ny alalan'ny hafetsifetseny no hanaovany fitaka mahomby ambanin'ny tanany. Ho tonga lehibe amin'ny eritreriny ihany izy. Handrava olona maro tsy ampoizina izy. Hitsangana izy na dia hanohitra ny Mpanjakan'ireo mpanjaka aza, ary ho potika izy, fa tsy mba amin'ny alalan'ny tanan'olombelona. 26 Ny fahitana momba ireo hariva sy ireo maraina izay efa voalaza dia marina. Fa asio tombokase ny fahitana, fa manondro andro maro amin'ny hoavy izany." 27 Koa izaho, Daniela, dia reraka ary dia nandry nalemy nandritra ny andro maromaro. Ary nifoha aho, ka nandeha tamin'ny raharahan'ny mpanjaka. Fa rikoriko tamin'ny fahitana aho, ary tsy nisy iray ka nahatakatra izany.