Toko faha 4

1 Raha niresaka tamin'ireo vahoaka i Petera sy Jaona, dia tonga ireo mpisorona sy ny lehiben'ny mpiambina ny tempoly ary ireo Sadoseo. 2 Tezitra mafy izy ireo noho i Petera sy Jaona nampianatra ny vahoaka sy nitory ny fitsanganana amin'ny maty tamin'ny alalan'i Jesosy. 3 Nosamborina izy ireo ary natao tany am-ponja mandrapahatongan'ny maraina, satria efa hariva ny andro tamin'izany. 4 Kanefa maro tamin'ireo olona izay nandre ny hafatra no nino; ary ny isan'ireo lehilahy izay nino dia dimy arivo teo ho eo. 5 Ary nony ampitson'iny dia niangona tao Jerosalema ny mpanapak'izy ireo, zokiolona ary ireo mpanora-dalàna. 6 Teo i Anasy mpisoronabe, Kaiafa, Jaona, sy Aleksandro sy izay rehetra havan'ireo mpisoronabe. 7 Nony naroso teo afovoany i Petera sy Jaona, dia nanontany azy ireo hoe: "Amin'ny hery inona, na amin'ny anarana inona, no nanaovanareo izany?" 8 Avy eo i Petera, feno ny Fanahy Masina, dia niteny azy ireo hoe: "Ianao ry mpanapaka ny vahoaka, sy ny loholona, 9 raha nanontaniana momban'ny asa soa nataonay tamin'io lehilahy narary io izahay tamin'io andro io_tamin'ny fomba ahoana no nahasitrana io lehilahy io? 10 Dia aoka ho fantatrareo rehetra ary ny vahoakan'Israely rehetra, fa tamin'ny anaran'ny Jesosy Kristy avy any Nazareta, izay nohombohanareo, ilay natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty_tamin'ny alalany no ijoroan'ity lehilahy ity salama eto imasonareo." 11 Jesosy Kristy dia vato izay nataonareo mpanori-trano tsinontsinona kanefa efa natao ho lohan'ny vato fehizoro. 12 Ary tsy misy famonjena avy amin'ny hafa, fa tsy misy anarana hafa ambanin'ny lanitra nomen'ny olona izay tsy maintsy hahavonjy antsika". 13 Ary rehefa nahita ny fahasahian'i Petera sy Jaona izy ireo, ary nahatsapa fa olon-tsotra, olona tsy nandia fianarana, dia talanjona izy ireo, nahafantatra fa niaraka tamin'i Jesosy i Petera sy Jaona. 14 Satria izy ireo nahita ilay lehilahy izay sitrana nijoro niaraka tamin'izy ireo, ka tsy nahita ambara hanoherana izany izy ireo. 15 Fa rehefa avy nandidy ireo apostoly handao ny fivorian'ny filan-kevitra izy reo, dia nifampiresaka izy ireo. 16 Hoy izy ireo hoe: "Inona no tokony ho atao amin'ireto lehilahy ireto? Noho ny fahagagana vita tamin'ny alalan'izy ireo dia fantatr'ireo olona rehetra mipetraka eto Jerosalema, ary tsy azontsika lavina. 17 Fa mba tsy hiparitahan'izany amin'ny vahoaka kosa, dia handao isika hampitandrina azy ireo mba tsy hitenenan'izy ireo izany anarana izany intsony. 18 Nantsoiny hiditra i Petera sy Jaona ary noteneniny izy ireo tsy hiteny sy tsy hampianatra amin'ny anaran'i jesosy intsony. 19 Kanefa namaly azy ireo kosa i Petera sy Jaona niteny hoe: "Raha marina eo imason'Andriamanitra ny manaiky anareo mihoatra Azy, dia ianareo no mitsara. 20 Tsy afaka ny hijanona tsy hiteny momba ireo zavatra hitanay sy renay izahay." 21 Taorian'ny fampitandremana an'i Petera sy Jaona, dia navelany nandeha izy ireo. Fa tsy nahita fomba hanasaziana azy ireo izy ireo, satria nidera an'Andriamanitra ireo vahoaka noho ny zava-bitany. 22 Ilay lehilahy izay niaina ny fahagagana sy fanasitranana dia nihoatra ny efa-polo taona. 23 Taorian'ny nanafahana azy ireo, dia tonga teo amin'ny vahoakany i Petera sy Jaona ary notateriny azy ireo izay rehetra notenenin'ireo lohan'ny mpisorona sy ireo loholona tamin'izy ireo. 24 Rehefa henon'izy ireo izany , dia niara-nanandratra ny feon'izy ireo ho an'Andriamanitra izy ireo ka niteny hoe: "Tompo, ianao no nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina, ary izay rehetra ao aminy. 25 Niteny tamin'ny alalan'ny Fanahy Masina tamin'ny vavan'ny mpanomponao, ny raintsika Davida Ianao hoe: 'Nahoana no tezitra ireo firenena Jentilisa, sy ireo olona mieritreritra zavatra tsy misy ilana azy?' 26 Ianareo miteny hoe: Ireo Mpanjakan'ny tany dia nitambatra, ary ireo mpanapaka dia nivondrona hanohitra ny Tompo, sy hanohitra ny Kristiny.' 27 Fa efa i Heroda sy Pontsy Pilaty, izay niaraka tamin'ireo jentilisa sy ireo vahoakan'i Israely, no niara-niangona tao an-tanàna hanohitra an'i Jesosy mpanomponareo, izay nosoranareo. 28 Niara-nivory izy ireo mba hanao izay rehetra nataon'ny tananareo sy ireo drafitrareo izay efa notapahin'izy ireo ho atao mialoha. 29 Ankehitriny, Tompo, jereo ireo fampitandreman'izy ireo ary omeo ireo mpanomponao mba hitenenany ny teninao an-kasahiana tanteraka. 30 Ahinjiro ny tananao mba hanasitrana, ary hanome ireo famantarana sy fahagagana amin'ny alalan'ny anaran'i Jesosy mpanomponao masina." 31 Rehefa avy nivavaka izy ireo, dia nihozongozona ny toerana izay niarahan'izy ireo nivory, ary feno ny Fanahy Masina izy rehetra ary nilaza ny tenin'Andriamanitra an-kasahiana. 32 Ny ankabeazan'ireo izay nino dia fo sy fanahy iray. Tsy nisy niteny fa ny zavatra izay azony dia azy manokana, fa zavatra niarahan'izy ireo nanana. 33 Niaraka tamin'ny hery lehibe no nanambaran'ny apostoly ny fijoroan'izy ireo vavolombelona momba ny fitsanganan'i Jesosy Tompo tamin'ny maty, ary fahasoavana lehibe no teo amin'ny izy rehetra. 34 Tsy nisy olona nanan-java maha-ory teo amin'izy ireo, fa izay rehetra nanana tany na trano dia namidy ary nitondra ny volan'ny zavatra rehetra izay lafo. 35 ary napetraka teo an-tongotr'ireo apostoly, ary nozaraina tamin'ny olona tsirairay arak'izay ilain'izy ireo. 36 Josefa, Levita iray, lehilahy avy any Sipra izay nantsoin'ireo apostoly hoe Barnabasy (izay midika hoe Zanaka lahin'ny Fampaherezana), 37 nivarotra tany sy nitondra ny vola ary nametraka azy teo an-tongotr'ireo apostoly.