Toko faha 25

1 Ankehitriny, Festony niditra tao amin'ny faritany, ary telo andro taty aoriana, dia niakatra avy tao Kaisaria izy ho any Jerosalema. 2 Ny lohan'ny mpisorona sy ireo Jiosy manan-kaja dia nitondra fanamelohana hiampangana an'i Paoly, ka namporisika azy 3 sy nangataka taminy izy ireo mba hampidi-doza an'i Paoly_ ka mety hampiantso an'i Paoly ho any Jerosalema Festosy mba afahan'izy ireo mamono azy eny an-dalana. 4 Kanefa Festosy namaly fa gadra ao Kaisaria Paoly, ary izy tenany dia hiverina any tsy ho ela. 5 "Noho izany, ireo izay afaka," hoy izy: "dia tokony handeha hiaraka aminay ho any. Raha nanao zavatra tsy nety ilay lehilahy, dia tokony hiampanga azy ianareo." 6 Festosy dia tsy nijanona nihoatry ny valo na folo andro ary avy eo nidina nankany Kaisaria, ary ny andro manaraka dia nipetraka teo amin'ny toeran'ny fitsarana izy ary nandidy an'i Paoly mba ho entina any aminy. 7 Rehefa tonga izy, dia nipetraka teo akaiky teo ireo Jiosy avy any Jerosalema, ary nitondra fiampangana goavana maro izy ireo izay tsy afaka noporofoin'izy ireo. 8 Niaro-tena Paoly ary niteny hoe: "Tsy nanao zavatra ratsy manohitra ny lalàn'ny Jiosy aho na manohitra ny tempoly na manohitra an'i Kaisara." 9 Saingy nitady izay ahazoana ny fankasitrakan'ireo Jiosy i Festosy, ary noho izany dia namaly an'i Paoly izy ka niteny hoe: "Te-hiakatra ho any Jerosalema ve ianao ary ho tsaraiko momba ireny zavatra tany ireny? 10 Hoy Paoly hoe: "Mitsangana eto anoloan'ny seza fitsaran'i Kaisara aho izay tsy maintsy hitsarana ahy. Tsy nanao ratsy ny Jiosy aho, araka ny efa fantatrao tsara. 11 Kanefa raha nanao ratsy aho ary raha nanao izay mendrika ny fahafatesana, dia tsy mandà ny ho faty. Fa raha tsy misy ireo fiampangan'izy ireo, dia tsy misy olona afaka mitondra ahy ho any amin'izy ireo. Mangataka an'i Kaisara aho." 12 Rehefa avy niresaka tamin'ny filan-kevitra Festosy, dia namaly izy hoe: "Nanagataka an'i Kaisara ianao. Any amin'i Kaisara no handehananao. 13 Ary taorian'ny andro vitsivitsy, dia tonga tany amin'i Kaisaria i Agripa mpanjaka sy Berenika mba hamangy an'i Festosy. 14 Taorian'ny naha tao azy nandritry ny andro maro, dia natolotr'i Festosy teo amin'ny mpanjaka ny raharahan'i Paoly; niteny izy hoe: "Nisy lehilahy iray navelan'i Felix aty toy ny gadra. 15 Rehefa tany Jerosalema aho, dia nitondra fiampangana ity lehilahy ity taty amiko ireo lohan'ny mpisorona sy ireo loholon'ny Jiosy, ary nangataka teny fanamelohana ho azy izy ireo. 16 Namaly azy ireo aho fa tsy fomban'ireo Romana ny manolotra olona mialohan'ny hiatrehany ireo mpiampanga azy sy hananany fahafahana hiaro-tena amin'ireo fiampangana. 17 Noho izany, rehefa niara-tonga teto izy ireo, dia tsy niandry aho, fa ny andro manaraka dia nipetraka teo amin'ny sezan'ny fitsarana aho ary nibaiko ny ampidirana ilay lehilahy. 18 Rehefa nitsangana ireo mpiampanga ka nanameloka azy, dia noheveriko fa tsy nisy goavana ny fampiangana nentin'izy ireo ho azy. 19 Fa kosa, nifamaly izy ireo mahakasika ny fivavahan'izy ireo manokana sy momba izany Jesosy izay maty izany, izay nambaran'i Paoly fa velona. 20 Tsy azoko antoka ny fomba hanadihadiana ity tranga ity, ary noho izany dia nanontaniako izy raha vonona ny ho any Jerosalema mba ho tsaraina any momba ireo fiampangana ireo. 21 Fa rehefa nangataka ny hijanonana ao am-ponja mba hiandry ny fanapahan-kevitry ny Amperora i Paoly, dia nandidy azy aho mba ho tazomina ao am-ponja izy mandra-pandefasako azy any amin'i Kaisara." 22 Agripa niresaka tamin'i Festosy hoe: "Te-handre ity lehilahy ity ihany koa aho." " Rahampitso," hoy Festosy: "Handre azy ianao." 23 Ka ny andro manaraka, dia tonga niaraka tamin'ny lanonana marobe Agripa sy Berenika; nankao amin'ny efitrano lehibe niaraka tamin'ireo miaramila mpifehy sy ireo lehilahy manan-kaja teo amin'ny tanàna izy ireo. Rehefa niteny ilay didy Festosy, dia nentin'izy ireo Paoly. 24 Hoy Festosy hoe: "Agripa mpanjaka, sy ianareo lehilahy rehetra izay miaraka aminay eto, itanareo ity lehilahy ity; ireo vahoakan'ny Jiosy rehetra nifanaraka tamiko tany Jerosalema sy eto ihany koa, dia nitaraina tamiko izy ireo fa tsy tokony ho velona intsony izy. 25 Fantatro fa tsy nanao na inona na inona mendrika ny fahafatesana izy; fa satria nangataka ny Amperora izy, dia nanapa-kevitra aho ny handefa azy. 26 Saingy tsy misy zavatra manan-danja ho soratako any amin'ny Amperora. Noho izany antony izany, dia nentiko teo aminareo izy, indrindra aminao, Agripa Mpanjaka, mba afahako manana zavatra ho sorotana bebe kokoa momba ilay raharaha. 27 Satria toa tsy mety amiko ny mandefa gadra sy tsy milaza izay hiampangana azy koa.