1 Izaho dia manome ity didy hentitra ity eo anatrehan'Andriamanitra sy Jesosy Kristy, izay hitsara ny velona sy ny maty, ary noho ny fisehoany sy ny fanjakany: 2 Mitoria ny Teny. Mivononà na amin'ny fotoana na tsy amin'ny fotoana. Mananàra, mitenena mafy, mampirisiha, amim-paharetana sy ny fampianarana rehetra. 3 Satria ho avy ny fotoana izay tsy hazakan'ny olona ny feon'ny fampianarana. Fa kosa, izy ireo dia hisafidy mpampianatra ho azy araka ireo faniriany manokana. Ireo dia hanitikitika ny sofin'izy ireo. 4 Hanala ny fihainoan'izy ireo amin'ny fahamarinana ireo, ary hivily ho any amin'ireo angano. 5 Kanefa ianareo, eritrereto tsara ny zava-drehetra. Hiareto ny zava-tsarotra; ataovy ny asan'ny evanjelista; tanteraho ny fanompoanareo. 6 Satria efa ho atolotra sahady aho. Efa tonga ny fotoana hialako. 7 Izaho dia efa nahavita ny ady tsara; efa nahavita ny hazakazaka aho; efa notazomiko ny finoana. 8 Ny satro-boninahitry ny fahamarinana dia efa voatokana ho ahy, izay homen'ny Tompo, ilay mpitsara marina, ho ahy amin'izany andro izany, ary tsy ho ahy irery ihany, fa ihany koa ho an'ireo rehetra izay efa nitia ny fisehoany. 9 Omeo izay tsara rehetra avy aminao mba hankanesana aty amiko haingana. 10 Satria i Demasy efa nandao ahy. Tiany izao tontolo izao ary efa nandeha tany Tesalonika izy. Kreska dia nankany Galatia, ary Titosy nankany Dalmatia. 11 Lioka irery ihany no miaraka amiko. Alaivo i Marka ary ento izy miaraka aminao satria ilaiko amin'ny asa izy. 12 Tykiko dia nalefako tany Efesosy. 13 Ilay lamba izay navelako tao Troasy miaraka amin'ny Karpo, ento iny rehefa tonga ianao, ary ireo boky, indrindra ireo mifono hoditra. 14 Aleksandro ilay mpanefy varahina dia nampiharihary asa ratsy maro tamiko. Ny Tompo dia hamaly azy araka ireo asany. 15 Ianao ihany koa dia tokony hitandrina ny tenanao aminy, satria izy dia manohitra mafy ireo teninay. 16 Tamin'ny fiarovan-tenako voalohany, tsy nisy nanohana ahy. Nefa kosa, ny olona rehetra nandao ahy. Aoka mba tsy ho voaheloka amin'izany izy ireo. 17 Fa ny Tompo dia nitsangana teo anilako ary nankahery ahy mba, amin'ny alalako, ny fanambarana dia afaka tanterahina tanteraka, ary mba afaka haheno ireo Jentilisa rehetra. Izaho dia avotra tamin'ny vavan'ny liona. 18 Ny Tompo dia hanavotra ahy amin'ny asa ratsy rehetra ary hamonjy ahy amin'ny fanjakany any an-danitra. Ho azy anie ny voninahitra mandrakizay doria. Amena. 19 Ataovy veloma i Prisila, i Akoila, ary ireo ankohonan'i Onesiforosy. 20 Erasto dia nitoetra tao Korinto, fa i Trofimo dia nilaozako fa narary ao Mileto. 21 Omeo izay tsara indrindra avy aminao mba ahatongavana alohan'ny ririnina. Manao veloma anao i Eolobolo, ary Poda ihany koa, Lino, Klaodio, ary ireo rahalahy rehetra. 22 Hiaraka amin'ny fanahinao anie ny Tompo. Ho aminareo anie ny fahasoavana.