Toko faha 2

1 Noho izany ianao, ry zanako, mahereza ao amin'ny fahasoavana izay ao amin'i Jesosy Kristy. 2 Ireo zavatra renonareo avy amiko teo anatrehan'ny vavolombelona maro, dia hankino amin'ny olona mahatoky izay afaka hampianatra ny sasany koa. 3 Mihareta zava-tsarotra miaraka amiko, toy ny miaramila tsaran'i Jesosy Kristy. 4 Tsy misy miaramila manompo raha mbola voafandrik'ireo rahaharan'izao fiainana izao, mba hafahany mampifaly ny lehibeny. 5 Ary, raha misy olona mifaninana toy ny atleta, dia tsy mandray ny satro-boninahitra izy raha tsy mifaninana amin'ny alalan'ireo fitsipika. 6 Ilaina ny fandraisan'ilay mpamboly izay miasa mafy ny anjara vokatra voalohany. 7 Saino ny moba izay lazaiko, fa ny Tompo no hanome anareo ny fahatakarana amin'ny zavatra rehetra. 8 Tsarovy Jesosy Kristy, avy amin'ny taranak'i Davida, izay natsangana tamin'ireo maty. Izany dia araky ny hafatry ny filazantsarako, 9 izay mampijaly ahy ny amin'ny famatorana toy ny mpamono olona. Fa ny tenin'Andriamanitra dia tsy voafatotra. 10 Noho izany hiaretako ny zavatra rehetra ho an'ireo voafidy, mba ho afaka handray ny fanavotana izay ao amin'i Kristy Jesosy ihany koa izy ireo, miaraka amin'ny voninahitra mandrakizay. 11 Ity teny ity dia mendri-pitokisana: "Raha maty niaraka taminy isika, dia ho velona hiaraka aminy ihany koa. 12 Raha miaritra isika, dia hanjaka hiaraka aminy ihany koa. Raha mandà Azy isika, dia handà antsika ihany koa Izy. 13 Raha tsy mahatoky isika, dia hahatoky foana Izy, satria tsy afaka mandà ny tenany Izy." 14 Ampahatsiahivo azy ireo hatrany ireo zavatra ireo. Ampitandremo eo anatrehan'Andriamanitra izy ireo mba tsy hifamaly momba ireo teny. Noho io dia tsy misy zavatra ilaina. Noho io dia misy fahasimbana ho an'ireo izay mihaino. [Fanamarihana: ny dikan-teny sasany dia mivaky hoe: ''Ampitandremo eo anatrehan'Andriamanitra izy ireo] 15 Omeo ny tsara avy aminao mba hanoloranao tena ho an'Andriamanitra tahaka ilay ankatoavina, mpiasa izay tsy manana antony hahamenarana, izay mampianatra ny tenin'ny fahamarinana amin'ny tokony ho izy. 16 Hialao ny teny fanevatevana, izay mitondra tsikelikely any amin'ny faharatsim-panahy. 17 Ny resak'izy ireo dia hiely toy ny fery mandoaka. Eo anivon'ireo Hymeneo sy Fileto. 18 Izy ireo no lehilahy tsy mba nahalala ny marina. Miteny izy ireo fa ny fitsanganana amin'ny maty dia efa nitranga. Simbain'izy ireo ny finoan'ny sasany. 19 Na dia izany aza, ny fototra mafy orin'Andriamanitra dia mijoro. Manana ity soratra ity: "Ny Tompo dia mahafantatra ireo izay azy" ary "Izay rehetra manonona ny anaran'ny Tompo dia tsy maintsy miala amin'ny tsy fahamarinana." 20 Ao amin'ny tranon'ny mpanan-karena, dia tsy ireo fitoeran'ny volamena sy volafotsy ihany no ao. Misy ihany koa ireo fitoeran'ny hazo sy tanimanga. Ny sasany amin'izy ireo dia ho ampiasaina amim-boninahitra, ary ny sasany ho amin'ny fanalam-baraka. 21 Raha misy olona manadio ny tenany ho afaka amin'ny fahafaham-baraka, dia fitoerana manan-kaja izy. Izy dia voatokana, ilain'ny Tompony, ary voaomana amin'ny asa tsara rehetra. 22 Mandosira an'ireo filàn'ny tanora. Mikatsaha fahamarinana, finoana, fitiavana, ary fihavanana miaraka amin'ireo izay miantso ny Tompo amin'ny fo madio. 23 Saingy mandàva ireo fanontaniana adala sy tsy misy fotony. Fantatrareo fa miteraka ady ireo. 24 Ny mpanompon'ny Tompo dia tsy tokony mifanditra. Fa kosa tsy maintsy malemy fanahy amin'ny rehetra izy, mahay mampianatra, ary maharitra. 25 Tsy maintsy ao amin'ny fahalemem-panahy no ampianarany ireo izay manohitra azy. Fa angamba Andriamanitra mety hanome azy ireo fibebahana ho an'ny fahalalana ny marina. 26 Mety hody indray ny fisainan'izy ireo ary handao ny fandriky ny devoly, rehefa avy nosamboriny tamin'ny sitrapony.