1 Paoly, apostolin'i Kristy Jesosy tamin'ny alalan'ny sitrapon'Andriamanitra, araka ny fampanantenan'ny fiainana izay ao amin'i Kristy Jesosy, 2 an'i Timoty, zanaka tiana: Fahasoavana, fiantrana, ary fiadanana avy amin'Andriamanitra ilay Ray sy Kristy Jesosy Tompontsika. 3 Misaotra an'Andriamanitra aho, izay tompoiko avy amin'ireo razambeko, miaraka amin'ny feon'ny fieritreretana madio, tahaka ny hahatsiarovako anao mandrakariva amin'ny fivavahako andro aman'alina. 4 Tahaka ny hahatsiarovako ireo ranomasonao, maniry mafy ny hahita anao aho, ka mety ho feno hafaliana aho. 5 Nampahatsiahivina tamiko ny finoanao marina, izay niaina voalohany tao amin'ny renibenao Loisa sy ny reninao Eonisa, ary resy lahatra aho izao fa miaina ao aminao ihany koa izany. 6 Izany no antony ampahatsiahivako anao mba hampiasanao indray ny fanomezan'Andriamanitra ao aminao amin'ny alalan'ny fametrahako tanana. 7 Fa Andriamanitra tsy nanome fanahin'ny tahotra antsika, fa ny hery sy fitiavana ary fifehezan-tena. 8 Ka aza menatra amin'ny fijoroana vavolombelona momban'ny Tompontsika, na amiko, Paoly, ilay gadrany. Fa kosa, mizarà amin'ny fahoriana ny filazantsara araka ny herin'Andriamanitra. 9 Fa Andriamanitra no namonjy antsika sy niantso antsika tamin'ny antso masina. Nanao izany Izy, tsy noho ireo asantsika, fa nohon'ny drafitra izay efa nataony sy ny fahasoavany. Na dia mbola tsy niandoha aza ny fotoana dia efa nanome antsika ireny zavatra ireny tao amin'i Kristy Jesosy Izy. 10 Fa ankehitriny ny famonjen'Andriamanitra dia nambara tamin'ny alalan'ny fisehoan'i Kristy Jesosy Mpanavotra antsika. Kristy izay nanafoana ny fahafatesana ary nitondra fiainana izay tsy ho tapitra mandrakizay mba hanazava amin'ny alalan'ny filazantsara. 11 Noho izany, dia voatondro ho mpitory teny aho, ho apostoly, ary ho mpampianatra. [Fanamarihana: Ireo dikan-teny taloha sasany dia manampy hoe: "Ho an'ny Jentilisa."] 12 Fa noho izany antony izany dia mijaly amin'ireny zavatra ireny ihany koa aho. Fa tsy menatra aho, satria fantatro Izy ilay ninoako. Resy lahatra aho fa afaka mitazona izay efa nankiniko taminy Izy mandra-pahatongan'izany andro izany. 13 Tazomy ny ohatra momba ireo hafatry ny finoana izay henonareo tamiko, miaraka amin'ny finoana sy fitiavana izay ao amin'i Kristy Jesosy. 14 Ny zavatra tsara izay nataon'Andriamanitra taminao, ambeno amin'ny alalan'ny Fanahy Masina izany, izay miaina ao amintsika 15 Fantatrareo izany, fa izay rehetra nipetraka tany Azia dia nivadika tamiko. Ao amin'io fikambanana io ireo Fizelio sy ireo Hermozena. 16 Enga anie ny Tompo hanome famindram-po amin'ny tokantranon'i Onesiforo, satria namelombelona ahy matetika izy ary tsy menatra tamin'ny gadrako. 17 Fa kosa, rehefa tany Roma izy, dia nitady ahy fatratra, ka hitany aho. 18 Ny Tompo anie hampiseho azy ka hahitany famindram-po avy aminy amin'izany andro izany. Ireo fomba rehetra nanampiany ahy tao Efesosy, dia fantatrareo tsara.