1 Ankehitriny, ry malala, manoratra ho anareo ity taratasy faharoa ity aho ho fampatsiahivana entina hamporisihana ny sainareo madio, 2 mba hahatsiarovanao ireo teny nolazain'ny mpaminany masina tany taloha sy ny didin'ny Tompo sy Mpamonjy antsika izay nomen'ireo apostolinareo. 3 Fantaro aloha izao, fa ny mpaniratsira dia ho avy amin'ny andro farany. Izy ireo dia haneso ary handeha araka ny filàn'izy ireo manokana. 4 Izy ireo dia hiteny hoe: "Aiza ny fampanantenana ny amin'ny fiverenany? Fa hatrizay nodian'ny razambe mandry, dia tsy niova ny zavatra rehetra, eny fa hatramin'ny fiantombohan'izao tontolo izao aza." 5 Izy ireo dia minia manadino fa ny lanitra sy ny tany dia nisy avy tamin'ny rano ary tamin'ny alalan'ny rano, fotoana ela, 6 nohon'ny didin'Andriamanitra, ary tamin'ny alalan'ireo zavatra ireo, no nandravàna ny tontolo tamin'izany fotoana izany, tamin'ny tondra-drano. 7 Fa ankehitriny ny lanitra sy ny tany dia natokana ho an'ny afo amin'ny alalan'io didy io ihany. Izy ireo dia voatokana ho amin'ny andron'ny fitsarana sy ny fandringanana ny olona ratsy fanahy. 8 Aoka tsy ho adinoinareo, ry malala, fa ny indray andro amin'ny Tompo dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona toy ny indray andro. 9 Ny Tompo dia tsy ela amin'ny fanatanterahana ireo fampanantenany, araka izay lazain'ny sasany ho fahelany. Fa kosa, Izy dia maharitra aminareo. Tsy tiany hisy ho very ianareo, fa mba ho tonga amin'ny fibebahana ny rehetra. 10 Na izany aza, ho avy toy ny mpangalatra ny andron'ny Tompo: Ny lanitra dia hanjavona miaraka amin'ny feo mafy. Ny zavatra rehetra dia ho main'ny afo, ary ny tany sy ireo asa ao aminy dia hambara. (Fanamarihana: Ireo dikan-teny sasany dia mivaky toy izao: "Ny zavatra rehetra dia ho main'ny afo, ary ny tany sy ireo asa ao aminy dia ho dorana avokoa.") 11 Koa raha ho levona toy izany izao zavatra rehetra izao, dia tokony ho olona manao ahoana ianareo? Tokony hiaina amin'ny fahamasinana sy ny fiainana araka an'Andriamanitra ianareo. 12 Tokony hanantena ary hanafaingana ny fiavian'ny andron' Andriamanitra ianareo. Amin'izany andro izany, ny lanitra dia ho levon'ny afo, ary ny zavatra rehetra dia hiempo amin'ny hafanana be. 13 Fa araka ny fampanantenany, dia miandry ny lanitra vaovao sy tany vaovao isika, izay hitoeran'ny fahamarinana. 14 Noho izany, ry malala, satria manantena izany zavatra izany ianareo, manaova ny tsara indrindra avy any aminareo mba tsy hisy pentina sy tsy hanan-tsiny eo anatrehany, am-piadanana. 15 Ary ihany koa, eritrereto ny faharetan'ny Tompontsika amin'ny famonjena, tahaka ny nosoratan'i Paoly rahalahy malalantsika taminareo, araka ny fahendrena izay nomena azy. 16 Paoly dia miresaka izany zavatra izany ao amin'ny taratasiny rehetra, izay misy zavatra sarotra takarina. Olona tsy misy fahalalana ary tsy miorina no manova ireny zavatra ireny, tahaka ny hanaovany ireo soratra masina hafa ihany koa, ka mahatonga fahaverezana ho an'ny tenany. 17 Noho izany, ry malala, satria fantatrareo izany zavatra izany, dia tandremo ny tenanareo mba tsy ho voafandriky ny fitakin'ny olona ratsy fanahy ka ho very ny fahamarinanareo. 18 Fa mitomboa amin'ny fahasoavana sy ny fahalalana ny Tompontsika sy Jesosy Kristy Mpamonjy antsika. Ho azy anie ny voninahitra ankehitriny ary mandrakizay. Amena!