1 Ary Elisa niresaka tamin-dravehivavy renin'ilay zaza izay novelominy. Hoy izy taminy: "Mitsangàna, ary mandehana miaraka amin'ny ankohonanao, ka mitoera na aiza na aiza azonao hitoerana any an-tany hafa, satria Yaveh efa niantso mosary ho tonga eto amin'ity tany ity mandritra ny fito taona." 2 Ka dia nitsangana ravehivavy ary nankatò ny tenin'ilay lehilahin'Andriamanitra. Nandeha niaraka tamin'ireo ankohonany izy ary nipetraka tany amin'ny tanin'ny Filistina fito taona. 3 Ary ny faran'ny fito taona dia niverina avy tao amin'ny tanin'ny Filistina ravehivavy, dia nankany amin'ny mpanjaka izy mba hiangavy ny amin'ny tranony sy ny amin'ny taniny. 4 Ary ny mpanjaka niresaka tamin'i Gehazy mpanompon'ilay lehilahin'Andriamanitra, nanao hoe: "Mba lazao ahy re ireo zavatra lehibe rehetra izay nataon'i Elisa." 5 Ka raha niteny tamin'ny mpanjaka ny fomba nameloman'i Elisa ilay zaza izay efa maty izy, dia tonga ilay vehivavy renin'ilay zaza novelominy mba hiangavy ny mpanjaka ny amin'ny tranony sy ny taniny. Hoy i Gehazy: "Ry mpanjaka, tompoko, ity ilay vehivavy, ary ity ny zanany lahy, izay novelomin'i Elisa." 6 Rehefa nanontany an-dravehivavy momba ny zanany ny mpanjaka, dia nazavainy taminy izany. Ka nandidy manam-pahefana iray ho azy ny mpanjaka, nanao hoe: "Avereno aminy izay rehetra azy ary ny vokatry ny sahany rehetra hatramin'ny andro izay nandaozany ny tany ka hatramin'izao." 7 Nankany Damaskosy tany amin'izay nahararian'i Beni-hadada mpanjakan'i Syria i Elisa. Nolazaina ny mpanjaka hoe: "Tonga eto ilay lehilahin'Andriamanitra." 8 Hoy ny mpanjaka tamin'i Hazaela: "Mitondrà fanomezana eny an-tananao ary mandehana mitsena ilay lehilahin'Andriamanitra, ary manontania an'i Yaveh amin'ny alalany, manao hoe: "Ho sitrana amin'izao aretina izao ve aho?"' 9 Dia nandeha nitsena azy i Hazaela ary nitondra fanomezana tamin'izay zava-tsoa isan-karazany avy tao Damaskosy, nentina rameva efapolo. Dia tonga i Hazaela ary nijoro teo anoloan'i Elisa ka nanao hoe: "Ny zanakao lahy Beni-hadada mpanjakan'i Syria no naniraka ahy ho aty aminao, manao hoe: 'Ho sitrana amin'izao aretina izao ve aho?"' 10 Hoy i Elisa taminy: "Mandehana, lazao i Beni-hadada hoe: 'Ho sitrana tokoa ianao', nefa i Yaveh efa nampiseho ahy fa ho faty tokoa izy.'' 11 Dia nibanjina an'i Hazaela mandra-pahamenatra azy i Elisa, dia nitomany ilay lehilahin'Andriamanitra. 12 Nanontany i Hazaela hoe: "Nahoana ianao no mitomany, ry tompoko?" Namaly izy hoe: "Satria fantatro ny ratsy izay hataonao amin'ny vahoakan'Israely. Handoro ny fiarovana mafin'izy ireo ianao, ary hamono ny tovolahin'izy ireo amin'ny sabatra, handrasarasa ny zanaka madinik'izy ireo ianao, ary hanataka ny vehivavy bevohoka ao amin'izy ireo." 13 Hazaela namaly hoe: "Iza moa ity mpanomponao, no hanao izany zavatra lehibe izany izy? Amboa fotsiny ihany izy." Namaly i Elisa hoe: "Efa nasehon'i Yaveh ahy fa ho lasa mpanjakan'i Syria ianao." 14 Dia nandao an'i Elisa i Hazaela ary nankany amin'ny tompony, izay niteny taminy hoe: "Inona no nolazain'i Elisa taminao?" Namaly izy hoe: "Niteny tamiko izy fa ho sitrana tokoa ianao." 15 Ary ny ampitso dia naka bodofotsy i Hazaela ary nanatsoboka izany tao anaty rano, ary namelatra izany teo amin'ny tavan'i Beni-hadada mba ho faty izy. Dia lasa mpanjaka nandimby ny toerany i Hazaela. 16 Tamin'ny taona fahadimy nanjakan'i Jorama zanaka lahin'i Ahaba, mpanjakan'Israely, dia nanomboka nanjaka i Jehorama. Izy dia zanaka lahin'i Josafata mpanjakan'i Joda. 17 Jehorama dia roa amby telopolo taona no nanomboka nanjaka, ary nanjaka nandritra ny valo taona tao Jerosalema izy. 18 Nandeha tamin'ireo lalan'ny mpanjakan'Israely i Jehorama, tahaka izay nataon'ny ankohonan'i Ahaba; satria nanana ny zanaka vavin'i Ahaba ho vadiny izy, ka nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy. 19 Na dia izany aza, nohon'ny amin'i Davida mpanompony, dia tsy te-handrava an'i Joda i Yaveh, satria niteny taminy Izy fa hanome azy taranaka mandrakariva. 20 Tamin'ny andron'i Jehorama, dia nikomy nanohitra ny tanan'i Joda i Edoma, ary nametraka mpanjaka ho an'ny tenany izy ireo. 21 Avy eo dia niampita niaraka tamin'ireo mpifehiny sy ireo kalesiny rehetra i Jehorama. Dia nitsangana izy ny alina ka nanafika ary namely ireo Edomita, izay nanodidina azy sy ireo mpifehy ireo kalesy. Dia nandositra tany an-tranon'izy ireo ny tafik'i Jehorama. 22 Ka nikomy nanohitra ny fitsipik'i Joda mandraka ankehitriny i Edoma. Nikomy ihany koa i Libna tamin'io fotoana io. 23 Ary ny amin'ireo raharaha hafa mahakasika an'i Jerohama, izay rehetra nataony, moa tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ireo tantaran'ny mpanjakan'i Joda ve izany? 24 Maty ary nitsahatra niaraka tamin'ireo razany i Jehorama, ary nalevina niaraka tamin'ireo razany tao an-tanànan'i Davida. Dia i Ahazia zanany lahy no tonga mpanjaka nandimby toerany. 25 Tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo nanjakan'i Jorama zanaka lahin'i Ahaba, mpanjakan'Israely, no nanomboka nanjaka i Ahazia, zanaka lahin'i Jehorama, mpanjakan'i Joda. 26 Roa amby roapolo taona i Ahazia no nanomboka nanjaka; nanjaka nandritra ny herin-taona tao Jerosalema izy. Ny anaran-dreniny dia Atalia; izy dia zanaka vavin'i Omry, mpanjakan'Israely. 27 Ary nandeha tamin'ireo lalan'ny ankohonan'i Ahaba i Ahazia; nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy, tahaka izay nataon'ny ankohonan'i Ahaba, satria i Ahazia dia vinanto lahy tamin'ny taranak'i Ahaba. 28 Nandeha niaraka tamin'i Jorama zanaka lahin'i Ahaba i Ahazia, mba hiady amin'i Hazaela, mpanjakan'i Syria, ao Ramota-gileada. Nandratra an'i Jorama ireo Syriana. 29 Niverina i Jorama mpanjaka mba hotsaboina any Jezirela amin'ireo ratra izay nataon'ireo Syriana taminy tao Rama, rehefa niady tamin'i Hazaela mpanjaka izy. Ary i Ahazia zanaka lahin'i Jehorama, mpanjakan'i Joda, nidina ho any Jezirela mba hijery an'i Jorama zanaka lahin'i Ahaba, satria naratra i Jorama.