Toko faha 3

1 Tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Josafata mpanjakan'i Joda, no nanomboka nanjaka teo amin'Israely tao Samaria i Jorama zanaka lahin'i Ahaba; nanjaka nandritra ny roa ambin'ny folo taona izy. 2 Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy, fa tsy mba tahaka ny rainy sy ny reniny; fa nesoriny ny tsangam-bato masina an'i Bala izay namboarin'ny rainy. 3 Na izany aza dia nihazona ireo fahotan'i Jeroboama zanaka lahin'i Nebata izy, izay nampanota an'i Israely, tsy nivily tamin'izany izy. 4 Ary i Mesa mpanjakan'i Moaba dia niompy ondry. Tsy maintsy nanome zanak'ondry 100.000 sy volon'ondry lahy 100.000 ho an'ny mpanjakan'Israely izy. 5 Fa taorian'ny nahafatesan'i Ahaba, dia nikomy nanohitra ny mpanjakan'Israely ny mpanjakan'i Moaba. 6 Ary nandao an'i Samaria i Jorama mpanjaka tamin'izany fotoana izany mba hanentana ny Israely rehetra ho amin'ny ady. 7 Nandefa hafatra tamin'i Josafata mpanjakan'i Joda izy, nilaza hoe: "Efa nikomy hanohitra ahy ny mpanjakan'i Moaba. Handeha hiaraka amiko hifanandrina amin'i Moaba ve ianao?" Namaly i Josafata hoe: "Handeha aho, tahaka anao ihany aho, ny oloko dia toy ny olonao, ireo soavaliko dia toy ireo soavalinao." 8 Ary niteny izy avy eo hoe: "Amin'ny lalana aiza no tokony hanafihantsika?" Namaly i Josafata hoe: "Amin'ny lalana mamaky ny efitr'i Edoma." 9 Ka nandeha nihodidina nandritra ny fito andro ireo mpanjakan'Israely, Joda, ary Edoma. Tsy nahitana rano ho an'ny tafik'izy ireo, na ho an'ireo soavaliny sy ireo biby hafa. 10 Koa niteny ny mpanjakan'Israely hoe: "Fa inona ity? Moa ve niantso mpanjaka telo hatolotra ho eo an-tanan'i Moaba i Yaveh?" 11 Kanefa nilaza i Josafata hoe: "Tsy misy mpaminanin'i Yaveh ve eto, hahafahantsika maka torohevitra amin'i Yaveh amin'ny alalany?" Ary namaly ny iray tamin'ny mpanompon'ny mpanjakan'i Israely nanao hoe: "Eto i Elisa zanaka lahin'i Safata, izay nandraraka rano teo an- tanan'i Elia." 12 Hoy i Josafata: "Momba azy ny tenin'i Yaveh." Ka nidina nankany aminy, i Josafata, mpanjakan'Israely, ary ny mpanjakan'i Edoma. 13 Hoy i Elisa tamin'ny mpanjakan'Israely: "Mpifaninona moa izaho sy ianao? Mandehana mankany amin'ireo mpaminanin'ny rainao sy reninao." Ka niteny taminy ny mpanjakan'Israely hoe: "Tsia, satria i Yaveh niantso ireto mpanjaka telo ireto niaraka mba hanolotra azy ho eo an-tanan'i Moaba." 14 Namaly i Elisa: "Raha mbola velona koa i Yaveh tompon'ny maro, izay eo anatrehany no hijoroako, raha tsy nohon'ny fanajako ny fanatrehan'i Josafata mpanjakan'i Joda, dia tsy nihaino anao aho, na nijery anao akory. 15 Fa ankehitriny hitondrao mpitendry zava-maneno aho." Ary rehefa nitendry ny mpitendry lokanga, dia tonga teo amin'i Elisa ny tanan'i Yaveh. 16 Nilaza izy hoe: "Izao no nambaran'i Yaveh, 'Fenoy hady kely io lohasahan-driaka maina io.' 17 Fa hoy i Yaveh: 'Tsy hahita rivotra ianao, na orana, fa ho dibo-drano io lohasahan-driaka io, ary hisotro ianareo, ianareo sy ny biby fiompinareo sy ny bibinareo rehetra.' 18 Izany dia zavatra mora eo imason'i Yaveh. Hanome anareo fandresena eo amin'ireo Moabita ihany koa Izy. 19 Hanafika ny tanàna voaaro mafy sy tanàna tsara rehetra ianareo, hanapaka ny hazo tsara rehetra, hanajanona ny loharano rehetra, ary handrava ireo tany tsara rehetra amin'ny vato." 20 Koa tamin'ny maraina nanodidina ny fotoana fanolorana ny sorona, dia nisy rano nikoriana avy any Edoma; dibo-drano ny tany. 21 Ary nony nandre ireo Moabita rehetra fa tonga hiady aminy ireo mpanjaka, dia niara-niangona izy ireo, ireo rehetra afaka nanao akanjo fiarovana, ka nitsangana teo amin'ny sisin-tany izy ireo. 22 Nifoha maraina izy ireo ary ny masoandro nitaratra teo amin'y rano. Nony nahatazana ny rano teo ampitany ireo Moabita, dia niloko mena tahaka ny rà izany. 23 Nihoraka mafy izy ireo hoe: "Rà io! Tena ringana tokoa ireo mpanjaka, ary nifamono izy ireo! Ankehitriny ary, ry Moaba, andeha isika handroba azy ireo!" 24 Nony nankany amin'ny tobin'Israely izy ireo, nanampoka ireo Israelita izy ireo ka nanafika ireo Moabita, izay nandositra teo anatrehany. Notaritin'ny tafik'Israely nanerana ny tany ireo Moabita, dia novonoiny izy ireo. 25 Nopotehiny ireo tanàna, ary ny velaran-tany tsara rehetra dia nofafazan'ny lehilahy rehetra vato mandra-paharakotra izany. Notapenan'izy ireo ny loharano rehetra, nokapain'izy ireo ny hazo tsara rehetra. Ary Kira-haresa sisa no tavela tsy nihetsika ny vatony. Fa nodidinin'ireo miaramila mpitana antsamotady izany ary notafihany. 26 Nony hitan'i Mesa mpanjakan'i Moaba fa resy an'ady izy, dia naka mpitan-tsabatra fitonjato niaraka taminy izy hanafika ny mpanjakan'i Edoma, kanefa tsy nahomby izy ireo. 27 Dia nalainy ny zanany lahimatoa izay tokony nanjaka nandimby azy, ary natolony ho fanatitra dorana teo ambonin'ny manda izy. Ka nisy hatezerana lehibe nihatra tamin'Israely, dia nandao an'i Mesa Mpanjaka ny tafiky ny Israelita ka nody tany amin'ny taniny.