1 Tamin'ny andron'i Joiakima, dia nanafika an'i Joda i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona; lasa mpanompony nandritra ny telo taona i Joiakima. Ary niodina ka nikomy nanohitra an'i Nebokadnezara i Joiakima. 2 Nandefa ireo tarika Kaldeana, Syriana, Moabita ary Amonita hanohitra an'i Joiakima i Yaveh; nalefany hanohitra an'i Joda mba handrava izany izy ireo. Mifanaraka amin'ny tenin'i Yaveh, izay nolazainy tamin'ny alalan'ireo mpaminany mpanompony izany. 3 Azo antoka fa tamin'ny vavan'i Yaveh no nahatonga izany tamin'i Joda, mba hanala azy ireo tsy ho eo imasony, nohon'ny fahotan'i Manase, dia izay rehetra nataony, [Fanamarihana :ireo dikan-teny sasany dia mivaky toy izao, "Azo antoka fa nohon'ny fahaviniran'i Yaveh tokoa izany."] 4 ary nohon'ny rà tsy manan-tsiny izay nalatsany ihany koa, satria nofenoiny tamin'ny rà tsy manan-tsiny i Jerosalema. Tsy nivonona ny hamela izany i Yaveh. 5 Raha ny amin'ireo raharaha hafa rehetra mahakasika an'i Joiakima, sy izay nataony rehetra, moa tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'i Joda ve izany? 6 Nodimandry niaraka tamin'ireo razambeny i Joiakima, ary Joiakina zanany lahy no lasa mpanjaka nandimby azy. 7 Tsy nanafika tany ivelan'ny taniny intsony ny mpanjakan'i Egypta, satria ny mpanjakan'i Babylona dia efa nandresy ny tany rehetra izay teo ambany fifehezan'ny mpanjakan'i Egypta, hatramin'ny lohasahan-driakan'i Egypta ka hatramin'ny Renirano Eofrata. 8 Valo ambin'ny folo taona i Joiakina no nanomboka nanjaka; nanjaka telo volana tany Jerosalema izy. Ny anaran'ny reniny dia i Nehosta; zanaka vavin'i Elnatana avy any Jerosalema. 9 Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy; nanao izay rehetra nataon'ny rainy izy. 10 Tamin'izany fotoana izany ny tafik'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona dia nanafika an'i Jerosalema ka nanao fahirano ny tanàna. 11 Tonga teo an-tanàna i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona raha mbola nanao fahirano izany ny miaramilany, 12 ary i Joiakina mpanjakan'i Joda nankany amin'ny mpanjakan'i Babylona, izy, ny reniny, ireo mpanompony, ireo andriany, ary ireo manampahefany. Nisambotra azy ny mpanjakan'i Babylona tamin'ny taona fahavalo nanjakany. 13 Nalain'i Nebokadnezara avy tao avokoa ireo zavatra sarobidy rehetra tao an-tranon'i Yaveh, sy ireo tao an-dapan'ny mpanjaka. Notapatapahany ny zavatra volamena rehetra izay nataon'i Solomona mpanjakan'Israely tao amin'ny tempolin'i Yaveh, araka izay nolazain'i Yaveh fa hitranga. 14 Nataony sesitany i Jerosalema manontolo, ny mpitarika rehetra, sy ireo lehilahy mpiady rehetra, babo iray alina, sy ireo mpanao tao-zavatra, ary ireo mpanefy rehetra. Tsy nisy navelany hijanona afa-tsy ireo olona mahantra indrindra teo amin'ny tany. 15 Nalain'i Nebokadnezara ho sesitany tao Babylona i Joiakina, mbamin'ny renin'ny mpanjaka, ireo vadiny, ireo manam-pahefany, ary ireo lehiben'ireo lehilahy teo amin'ny tany. Nalainy ho sesitany avy any Jerosalema nankany Babylona izy ireo. 16 Ireo lehilahy mpiady rehetra, miisa fito arivo, mpanao asa tanana sy mpanefy vy iray alina, izy rehetra ireo dia natao ho amin'ny ady avokoa—ny mpanjakan'i Babylona nitondra ireo lehilahy rehetra ireo ho sesitany ho any Babylona. 17 Nataon'ny mpanjakan'i Babylona ho mpanjaka handimby azy i Matania, ralahan-drain'i Joiakina, ary novainy ho Zedekia ny anarany. 18 Iraika amby roapolo taona i Zedekia no nanomboka nanjaka; nanjaka nandritra ny iraika ambin'ny folo taona tany Jerosalema izy. Hamotala no anaran'ny reniny; zanaka vavin'i Jeremia avy any Libna. 19 Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy; nataony izay rehetra nataon'i Joiakima. 20 Tamin'ny fahatezeran'i Yaveh, no nisehoan'ireo tranga rehetra ireo tany Jerosalema sy Joda, mandra-pandroahany azy ireo tsy ho eo amin'ny fanatrehany. Ary dia nikomy nanohitra ny mpanjakan'i Babylona i Zedekia.