1 Ary rehefa ren'i Hezekia Mpanjaka ny tatitr'izy ireo, dia nandrovitra ny akanjony izy, nanao akanjo fisaonana, ary niditra tao an-tranon'i Yaveh. 2 Naniraka an'i Eliakima izay lehiben'ny tandapa izy, sy Sebna ilay mpanora-dalàna, ary ireo lohan'ny mpisorona, samy nitafy ny akanjo fisaonana avokoa, ho any amin'i Isaia zanaka lahin'i Amoza, ilay mpaminany. 3 Dia hoy izy ireo taminy: "Izao no tenin'i Hezekia: 'ity andro ity no andron'ny fahoriana, famaizana, ary fahafaham-baraka, efa mby ho teraka ny zaza, nefa tsy misy hery mba hiterahana azy ireo. 4 Angamba mety ho ren'i Yaveh Andriamanitrao ny teny rehetra nataon'ilay lehiben'ny mpifehy, izay nirahin'ny mpanjakan'i Asyria tompony mba hihantsy an'Andriamanitra velona, ary hamaly ireo teny izay efa ren'i Yaveh Andriamanitrao. Koa asandrato ho an'izay sisa mbola eto ny vavakao ankehitriny.'" 5 Ary tonga tany amin'i Isaia ny mpanompon'i Hezekia mpanjaka, 6 ary Isaia nanao tamin'izy ireo hoe: "Lazao amin'ny tomponareo fa: 'Izao no tenin'i Yaveh: "Aza matahotra ny amin'ny teny izay efa renao, izay efa naniratsiran'ny mpanompon'ny mpanjakan'i Asyria ahy. 7 Indro, hametraka fanahy ao aminy Aho, ary handre siosio izy ka hiverina any amin'ny taniny. Hataoko lavon'ny sabatra ao amin'ny taniny izy."'" 8 Dia niverina ny lehiben'ny mpifehy ary nahita ny mpanjakan'i Asyria niady tamin'i Libna, fa izy efa nandre fa efa niala tao Lakisy ny mpanjaka. 9 Ary Sankeriba nandre fa i Tiraka mpanjakan'i Etiopia sy Egypta dia efa niomana ny hiady aminy, noho izany dia naniraka mpitondra hafatra ho any amin'i Hezekia indray izy hoe: 10 "Lazao amin'i Hezekia mpanjakan'i Joda hoe: 'Aza avela hamitaka anao ny Andriamanitra izay hitokianao ka hanao hoe: "Jerosalema dia tsy homena ho eo an-tanan'ny mpanjakan'i Asyria." 11 Indro, efa renao ny zavatra izay efa nataon'ny mpanjakan'i Asyria tamin'ny tany rehetra tamin'ny famotehana tanteraka ireo. Koa ho voavonjy ve ianao? 12 Efa namonjy azy ireo ve ny andriamanitry ny firenena, ireo firenena izay nopotehin'ny razako: dia i Gozana, Harana, Razefa, ary ny vahoakan'i Edena tao Telasara? 13 Aiza ny mpanjakan'i Hamata, ny mpanjakan'i Arpada, ny mpanjakan'ny tanàna Sefarvaima, Hena, ary Iva?'" 14 Voarain'i Hezekia ny taratasy tany amin'ireo mpitondra hafatra ary novakiany izany. Avy eo dia niakatra tany an-tranon'i Yaveh izy ka nanokatra izany teo anoloany. 15 Dia nivavaka teo anatrehan'i Yaveh i Hezekia, ary nanao hoe: "Ry Yaveh tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, Ianao izay mipetraka eo ambonin'ny kerobima, Ianao no Andriamanitra tokana manerana ny fanjakana rehetra eto an-tany. Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany. 16 Atongilano ny sofinao, ry Yaveh, ary mihainoa. Ahirato ny masonao, ry Yaveh, ka mijere, ary henoy ny tenin'i Sankeriba, izay efa nirahiny mba haniratsira ny Andriamanitra velona. 17 Eny tokoa, ry Yaveh, efa nandrava ireo firenena sy ny taniny tokoa ny mpanjakan'i Asyria. 18 Efa nandoro ny andriamanitr'izy ireo tao anaty afo izy ireo, satria tsy andriamanitra ireo fa asa-tanan'olombelona, hazo sy vato foana ihany. Koa nopotehin'ny Asyriana izy ireo. 19 Koa ankehitriny, ry Yaveh Andriamanitray, mitalaho Aminao aho, vonjeo amin'ny heriny izahay, mba hahafantaran'ny fanjakana rehetra eto an-tany fa Ianao, Yaveh, no Andriamanitra tokana." 20 Ary Isaia zanaka lahin'i Amoza nandefa hafatra tany amin'i Hezekia, nanao hoe: "Yaveh, Andriamanitrin'Israely niteny hoe: 'Satria efa nivavaka tamiko ny amin'i Sankeriba mpanjakan'i Asyria ianao, dia nihaino anao aho. 21 Izao no teny lazain'i Yaveh mahakasika azy: "Ny zanaka vavy virijinin'i Ziona manao tsinontsinona anao sy mihomehy ho amin'ny fahafaham-baraka. Ny zanaka vavin'i Jerosalema manifikifi-doha aminao. 22 Iza no efa nihantsinao sy notsiratsirainao? Hanohitra an'iza no nanandratanao ny feonao sy nampiandrandranao ny masonao am-pireharehana? Hanohitra ilay Masin'Israely! 23 Tamin'ny alalan'ireo irakao no nihantsianao ny Tompo, ary nanao hoe: 'Tamin'ny kalesiko maro no niakarako tany an-tampon'ny tendrombohitra, ny fiakarana avo indrindra tany Libanona. Hokapaiko ny sedera lava sy ny kypreso voafantina ao. Hiditra amin'ny faritra lavitra indrindra aho, ao amin'izay alany mamokatra indrindra. 24 Efa nihady lava-drano aho ary efa nisotro ny ranon'ny firenen-kafa. Efa nandritra ny reniranon'i Egypta rehetra ho eo am-paladiako aho.' 25 Tsy renao ve ny fomba nanomanako izany hatramin'ny ela sy ny niasako izany tamin'ny andro taloha? Ankehitriny dia efa hanatanteraka izany aho. Eo ianao mba handrava ireo tanàna mimanda ho lasa korotam-bato. 26 Ireo mponina ao aminy, izay kely hery, dia torotoro sy menatra. Zava-maniry eny an-tsaha izy ireo, ahi-maitso, ahitra eny ambony tafo na eny an-tsaha, nodorana mialohan'ny nitsiriany. 27 Fa izaho mahalala ny fipetrahanao, ny fivoahanao, ny fidiranao, ary ny fahatezeranao amiko. 28 Nohon'ny fahatezeranao amiko, ary satria rèn'ny sofiko ny fiavonavonanao, dia hametraka ny farangoko amin'ny oronao Aho, ary ao amin'ny vavanao ny lamboridiko; hataoko miverina amin'ny lalana niavianao ianao." 29 Izao no famantarana ho anao: Hihinana zavatra maniry tsinahy ianareo amin'ity taona ity, ary ny taona manaraka dia ny dimbin'izany. Fa amin'ny taona fahatelo kosa dia hamboly sy hioty ianareo, hamboly tanim-boaloboka ka hihinana ny voany. 30 Ny sisa amin'ny taranak'i Joda izay mbola velona dia hamàka indray ka hisondrotra ary hamoa. 31 Fa hisy sisa hivoaka avy any Jerosalema, avy any an-tendrombohitr'i Ziona no hiavian'ireo sisa tsy maty. Ny zotom-pon'i Yaveh tompon'ny maro no hanao izany. 32 Koa izao no lazain'i Yaveh momba ny mpanjakan'i Asyria: "Tsy hiditra amin'ity tanàna ity izy na handefa zana-tsipìka ao. Na ho avy eo anoloany miaraka amin'ny ampinga na hanao fahirano azy. 33 Ny lalana izay niaviany ihany no lalana hivoahany; tsy ho tafiditra amin'ity tanàna ity izy— izany no fanambaran'i Yaveh." 34 Fa izaho hiaro sy hanavotra ity tanàna ity, noho ny amiko sy ny amin'i Davida mpanompoko.'" 35 Ary tamin'io alina io dia avy ilay anjelin'i Yaveh ary nanafika ny tobin'ireo Asyriana, ka nahafaty miaramila 185.000. Rehefa nifoha aloha ny olona nony maraina, dia niampatra teny rehetra teny ny fatin'olona. 36 Ka nandao an'Israely i Sankeriba mpanjakan'i Asyria ary lasa nody sy nipetraka tany Ninive. 37 Taty aoriana, raha nanao fanompoam-pivavahana tao an-tranon'i Nisroka andriamaniny izy, dia novonoin'i Andrameleka sy Sarezera zanany lahy tamin'ny sabatra. Avy eo dia nitsoaka tany amin'ny tanin'i Ararata izy ireo. Ary Esara-hadona zanany lahy no lasa mpanjaka teo amin'ny toerany.