Toko faha 17

1 Tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo nanjakan'i Ahaza mpanjakan'i Joda, no nanomboka ny fanjakan'i Hosea zanak'i Elaha. Nanjaka tao Samaria nanerana ny Israely nandritra ny sivy taona izy. 2 Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy, tsy tahaka ireo mpanjakan'Israely izay teo alohany. 3 Nanafika azy i Salmanesera mpanjakan'i Asyria, ka tonga mpanompony i Hosea ary nitondra fanomezam-boninahitra ho azy. 4 Ary hitan'ny mpanjakan'i Asyria fa nitetika hanohitra azy i Hosea, satria nandefa mpitondra hafatra nankany amin'i So mpanjakan'i Egypta i Hosea; ary koa, tsy mba nanolotra fanomezam-boninahitra ho an'ny mpanjakan'i Asyria izy, tahaka ny nataony isan-taona isan-taona. Ka nidin'ny mpanjakan'i Asyria izy ary nofatorany tany am-ponja. 5 Avy eo dia nanafika nanerana ny tany rehetra ny mpanjakan'i Asyria, ary nanafika an'i Samaria sy nanao fahirano an'izany nandritra ny telo taona. 6 Tamin'ny taona fahasivy naha-mpanjaka an'i Hosea, dia naka an'i Samaria sy nitondra ny Israely lavitra an'i Asyria ny mpanjakan'i Asyria. Nametraka azy ireo tany Hala izy, tao amin'ny Habora Onin'i Gozana, ary tany amin'ny tanànan'ny Mediana. 7 Nitranga izany fahababoana izany satria nanota tamin'i Yaveh Andriamanitr'izy ireo ny vahoak'Israely, izay nitondra azy ireo niakatra avy tany amin'ny tany Egypta, avy teo ambany fifehezan'i Farao mpanjakan'i Egypta. Efa nanompo andriamani-kafa ireo vahoaka 8 ka nandeha tamin'ny fanaon'ireo firenena izay efa naringan'i Yaveh teo anatrehan'ireo zanak'Israely, sy tamin'ny fanaon'ireo mpanjakan'Israely izay efa nataon'izy ireo. 9 Ny zanak'Israely—dia nanao ireo zavatra izay tsy marina an-tsokosoko—hanohitra an'i Yaveh Andriamanitr'izy ireo. Nanangana fitoerana avo ho azy manerana an'ireo tanànany izy ireo, hatrany amin'ny tilikambo fiambenana ka hatrany amin'ny manda fiarovana. 10 Nanangana tsangam-bato sy baon'Aseraha teny amin'ny havoana avo rehetra sy tany ambanin'ny hazo maitso rehetra ihany koa izy ireo. 11 Teny izy ireo no nandoro ditin-kazo manitra tamin'ireo fitoerana avo rehetra, tahaka ny nataon'ireo firenena, ireo izay nentin'i Yaveh teo anatrehan'izy ireo. Nanatanteraka zava-dratsy ireo Israelita mba hahatonga an'i Yaveh ho tezitra; 12 izy ireo dia nanompo sampy, momba izay efa notenen'i Yaveh azy ireo hoe: "Tsy hanao izany zavatra izany ianareo." 13 Nefa Yaveh efa nanambara tamin'Israely sy tamin'i Joda tamin'ny alalan'ny mpaminany tsirairay sy ny mpahita tsirairay, nanao hoe: "Mialà amin'ireo fomba ratsinareo ka tandrovy ireo didiko sy ireo lalàko, ary meteza hanaraka ny lalàna rehetra nandidiako ireo razanareo, ary izay nirahiko ho aminareo tamin'ny alalan'ireo mpaminany mpanompoko. 14 Kanefa tsy nihaino izy ireo; fa kosa mafy loha tokoa tahaka ireo razany izay tsy nahatoky an'i Yaveh Andriamanitr'izy ireo. 15 Nolavin'izy ireo ny lalàny sy ny fanekem-pihavanana izay nataony tamin'ireo razany, ary ireo didy fanekena izay nomeny azy ireo. Nanaraka fomba tsy nisy nilàna azy izy ireo ary ny tenan'izy ireo mihitsy no lasa tsy nisy nilàna azy. Nanaraka ireo firenena mpanompo sampy izay nanodidina azy izy ireo, dia ireo izay nandidian'i Yaveh azy ireo tsy hotahafina. 16 Izy ireo dia nanao tsinontsinona ireo didy rehetran'i Yaveh Andriamanitr'izy ireo. Nanamboatra sarin-janak'omby roa vita tamin'ny vy izy ireo mba ho tompoina. Nanamboatra baon'Aseraha izy ireo, ary nanompo an'i Bala sy ireo kintana rehetra teny an-danitra. 17 Nalefan'izy ireo tanaty afo ireo zanaka lahy sy zanaka vavin'izy ireo, nampiasa ireo sikidy sy famosaviana, nivarotra ny tenan'izy ireo mba hanao izay ratsy teo imason'i Yaveh, sy nahatonga Azy ho tezitra. 18 Noho izany dia tezitra mafy tamin'Israely i Yaveh ka nanaisotra azy ireo tsy ho eo imasony. Tsy nisy na iray aza tafajanona afa-tsy ny fokon'i Joda irery ihany. 19 Na dia i Joda aza tsy nahatàna ny didin'i Yaveh Andriamanitr'izy ireo, fa kosa nanaraka fanompoan-tsampy nitovy tamin'izay narahin'Israely. 20 Noho izany dia nolavin'i Yaveh avokoa ireo taranak'Israely rehetra; nampahoriany izy ireo ary natolony teny an-tanan'ireo izay mpambabo ny fananan'izy ireo, mandra-pitsonik'izy ireo tsy ho eo imasony. 21 Nanaisotra ny Israely tamin'ny fitohizan-taranak'i Davida Izy, ary nametraka an'i Jeroboama zanaka lahin'i Nebata mpanjaka. Nitarika ny Israely hiala tamin'ny fanarahana an'i Yaveh i Jeroboama ary nampanao fahotana lehibe azy ireo. 22 Nanaraka ny fahotan'i Jeroboama rehetra ny zanak'Israely ary tsy niala tamin'ireny izy ireo, 23 ka nesorin'i Yaveh teo imason'Israely, araka ny nolazainy tamin'ireo mpaminany mpanompony rehetra fa hataony. Dia nentina lavitra ivelan'ny tanin'izy ireo tany Asyria ny Israely, ary mbola any foana hatramin'izao andro izao. 24 Nitondra vahoaka avy tany Babylona sy avy tany Kota, sy avy tany Ava, sy avy tany Hamata sy Sefarivaima ny mpanjakan'i Asyria, ka nametraka azy ireo tany amin'ny tanànan'i Samaria teo amin'ny toeran'ny Zanak'Israely. Dia nahazo an'i Samaria ireny ka nonina tao amin'ny tanànany. 25 Ary tamin'ny fiantombohan'ny fonenan'izy ireo tany dia tsy nanome voninahitra an'i Yaveh izy ireo. Koa nandefa liona tamin'izy ireo izay namono ny sasany tamin'izy ireo i Yaveh. 26 Dia niteny tamin'ny mpanjakan'i Asyria izy ireo, nanao hoe: "Ireo firenena izay avy nentinao sy napetrakao tato amin'ny tanànan'i Samaria dia tsy mahafantatra ireo fomba takian'ny andriamanitry ny tany. Ka nandefa liona teo amin'izy ireo izy, ary, indro, mamono ny olona ireo liona satria tsy mahalala ireo fomba takian'ny andriamanitry ny tany izy ireo." 27 Ary ny mpanjakan'i Asyria nibaiko, nanao hoe: "Alaivo ny iray amin'ireo mpisorona izay nentinareo avy tany, ka aoka izy handeha sy honina any, ary aoka izy hampianatra azy ireo ny fomba izay takian'ny andriamanitry ny tany." 28 Koa tonga nonina tany Betela ny iray tamin'ireo mpisorona izay avy nentin'izy ireo avy tany Samaria; nampianatra azy ireo ny fomba tokony hideran'izy ireo an'i Yaveh izy. 29 Nanao andriamanitra ho azy avy ireo foko tsirairay, ka nametraka azy ireny teny amin'ny fitoerana avo izay nataon'ireo Samaritana—ny foko tsirairay tany amin'ny tanàna nonenany avy. 30 Ny vahoakan'i Babylona nanamboatra an'i Sokota-benota; ny vahoakan'i Kota nanamboatra an'i Nergala; ny vahoakan'i Hamata nanamboatra an'i Asima; 31 ireo Avita nanamboatra an'i Nibaza sy Tartaka. Ireo Sefarvita nandoro ireo zanany tao amin'ny afo ho an'i Adrameleka sy Anameleka, andriamanitry ny Sefarvaima. 32 Nanome voninahitra an'i Yaveh ihany koa izy ireo, ka nanendry mpisoron'ireo fitoerana avo avy tamin'izy ireo, izay nanao sorona ho azy ireo tao amin'ny tempoly tao amin'ireo toerana avo. 33 Nanome voninahitra an'i Yaveh izy ireo sady nanompo ireo andriamanitr'izy ireo, tamin'ny fomba fanaon'ireo firenena tamin'izay efa nentin'izy ireo. 35 34 Hatramin'izao andro izao dia mikiry amin'ireo fomba fanaon'izy ireo taloha izy ireo. Sady tsy manome voninahitra an'i Yaveh izy ireo, no tsy manaraka ireo didy aman-dalàna izay natolotr'i Yaveh tamin'ny vahoakan'i Jakoba—izay nantsoiny hoe: Israely— 35 ary tamin'izay nanaovan'i Yaveh fanekena sy nandidiany azy ireo hoe: "Tsy hatahotra andriamani-kafa ianareo, na hiankohoka amin'izy ireny, na hanompo azy ireny, na hanao fisoronana ho azy ireny. 36 Nefa i Yaveh, izay nitondra anareo niakatra avy tany amin'ny tany Egypta tamin'ny hery lehibe sy tanana nisandratra, no ilay Iray izay tsy maintsy omenareo voninahitra; Izy no hiankohofanareo, ary ho Azy ny sorona ataonareo. 37 Ireo didy aman-dalàna izay nosoratany ho anareo, hotànanareo mandrakariva ireny. Noho izany aza matahotra andriamani-kafa ianareo, 38 ary ny fanekem-pihavanana izay efa nataoko taminareo, dia tsy ho adinoinareo; na ianareo hanome voninahitra andriamani-kafa. 39 Fa Yaveh Andriamanitrareo no homenareo voninahitra. Izy no hamonjy anareo amin'ny herin'ireo fahavalonareo." 40 Tsy nihaino izy ireo, satria nanohy nanao izay nataon'izy ireo tany amin'ny lasa izy ireo. 41 Ka dia natahotra an'i Yaveh ireo firenena ary nanompo ireo sarin-javatra voasokitr'izy ireo ihany koa izy ireo, ary nanao toy izany ihany koa ireo zanak'izy ireo—tahaka izay nataon'ny taranaky ny zanak'izy ireo. Manohy manao izay nataon'ireo razany hatrany izy ireo, mandrak'ankehitriny.