1 Tamin'ny taona fahafito amby roapolo nanjakan'i Jeroboama mpanjakan'Israely, no nanomboka nanjaka i Azaria zanak'i Amazia mpanjakan'i Joda. 2 Enina ambin'ny folo taona i Azaria no nanomboka nanjaka, ary nanjaka tao Jerosalema nandritra ny roa amby dimampolo taona izy. Jekolia no anaran-dreniny, ary avy any Jerosalema izy. 3 Nanao izay marina teo imason'i Yaveh izy, araka izay nataon'i Amazia rainy. 4 Na dia izany aza dia tsy mba nalàna ireo toerana avo. Mbola nanao sorona sy nandoro ditin-kazo manitra teo amin'ireo toerana avo ihany ny olona. 5 Nampahory ny mpanjaka i Yaveh hany ka boka hatramin'ny andro nahafatesany izy ary nipetraka tao amina trano misara-toerana. Jotama, zanaka lahin'ny mpanjaka, no lohan'ny ankohonana ary nanapaka teo amin'ny vahoaka tao amin'ny tany. 6 Ary ny amin'ireo raharaha hafa mahakasika an'i Azaria, sy izay rehetra nataony, moa tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'i Joda ve izany? 7 Ka nodimandry niaraka tamin'ireo razambeny i Azaria, nalevin'izy ireo tany amin'ny tanànan'i Davida niaraka tamin'ireo razambeny izy. I Jotama, zanany lahy, no lasa mpanjaka nandimby ny toerany. 8 Tamin'ny fahavalo amby telopolo taona nanjakan'i Azaria mpanjakan'i Joda, dia i Zakaria zanak'i Jeroboama no nanjaka teo amin'Israely tany Samaria nandritra ny enim-bolana. 9 Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy, tahaka ny nataon'ireo razany. Tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama zanak'i Nebata, izay nahatonga ny Israely nanota izy. 10 Nikononkonona hanohitra an'i Zakaria i Saloma zanak'i Jabesy, nanafika azy tany Ibleama, ary namono azy. Dia lasa mpanjaka nandimby ny toerany izy. 11 Ny amin'ny raharaha hafa mahakasika an'i Zakaria, dia voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely ireo. 12 Izao no tenin'i Yaveh izay nambarany tamin'i Jeho, manao hoe: "Hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'Israely hatramin'ny taranaka fahefatra mandimby ny taranakao." Dia nitranga izany. 13 Nanomboka nanjaka i Saloma zanak'i Jabesy tamin'ny fahasivy amby telopolo taona nanjakan'i Azaria mpanjakan'i Joda, ary nanjaka iray volana monja tao Samaria izy. 14 Ary niakatra avy any Tirza ho any Samaria i Menahema zanak'i Gady. Tany no nanafihany an'i Saloma zanak'i Jabesy, tao Samaria. Nahafaty azy izy ka tonga mpanjaka nandimby ny toerany. 15 Ny amin'ny raharaha hafa mahakasika an'i Saloma sy ny fikononkononana narafiny, dia voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely izany. 16 Dia nanafika an'i Tifsa sy ireo rehetra teo, sy ny sisin-tany nanodidina an'i Tirza i Menahema, satria tsy novohain'izy ireo ho azy ny tanàna. Ka notafihany izany, ary notatahany avokoa ireo vehivahy bevohoka tao amin'izany tanàna izany. [Fanamarihana: Raha tokony hoe ''Tifsa," dia misy dikan-teny taloha iray sy dikan-teny vaovao sasan-tsasany mivaky toy izao: "Tapoa."] 17 Tamin'ny fahasivy amby telopolo taona nanjakan'i Azaria mpanjakan'i Joda, dia nanomboka nanjaka teo amin'Israely i Menahema zanak'i Gady; nanjaka nandritra ny folo taona tao Samaria izy. 18 Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy. Nandritra ny androm-piainany, dia tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama zanak'i Nebata izy, izay nahatonga ny Israely nanota. 19 Ary tonga hanohitra ny tany i Pola mpanjakan'i Asyria, ary nomen'i Menahema talenta volafotsy arivo i Pola, mba homba azy ny fanohanan'i Pola ka hampatanjaka ny fanjakan'Israely teo an-tanany. 20 Nalain'i Menahema avy tamin'ny Israely tamin'ny alalan'ny fitakiana ny olona manan-karena tsirairay mba handoa sekely volafotsy dimampolo aminy mba homena ny mpanjakan'i Asyria io vola io. Ka nitodi-doha niverina ny mpanjakan'i Asyria ary tsy nitoetra tao amin'ny tany. 21 Raha ny amin'ireo raharaha hafa mahakasika an'i Menahema, sy ireo rehetra nataony, moa tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely ve izany? 22 Ary nodimandry niaraka tamin'ireo razambeny i Menahema, ka Pekahia zanany no lasa mpanjaka nandimby ny toerany. 23 Ary tamin'ny faha-dimampolo taona nanjakan'i Azaria mpanjakan'i Joda, no nanomboka nanjaka teo amin'Israely tao Samaria i Pekahia zanak'i Menahema; nanjaka nandritra ny roa taona izy. 24 Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy. Tsy mba nanary ny fahotan'i Jeroboama zanak'i Nebata, izay nahatonga ny Israely nanota izy. 25 Nanana lefitra iray nantsoina hoe: Peka zanak'i Remalia i Pekahia, izay nikononkonona hanohitra azy. Niaraka tamin'ireo dimampolo lahin'i Gileada, dia namono an'i Pekahia sy Argoba ary Aria tany Samaria i Peka, tao amin'ny trano mimandan'ny lapan'ny mpanjaka. Novonoin'i Peka i Pekahia ary izy no lasa mpanjaka nandimby ny toerany. 26 Raha ny amin'ny raharaha hafa mahakasika an'i Pekahia, sy ireo rehetra nataony, dia voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely izany. 27 Tamin'ny faharoa amby dimampolo taona nanjakan'i Azaria mpanjakan'i Joda, no nanombohan'i Peka zanak'i Remalia nanjaka teo amin'Israely tao Samaria; nanjaka nandritra ny roapolo taona izy. 28 Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy. Tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama zanak'i Nebata, izay nahatonga ny Israely nanota izy. 29 Tamin'ny andron'i Peka mpanjakan'Israely, dia tonga ka naka an'Iona, Abela-beti-maka, Janoa, Kadesy, Hazora, Gileada, Galilia, ary ny tanin'i Naftaly rehetra i Tiglato-pilesera mpanjakan'i Asyria. Ary nitondra ny vahoaka nankany Asyria izy. 30 Koa dia nandrafitra fikononkononana nanohitra an'i Peka zanak'i Remalia i Hosea zanak'i Ela. Nanafika azy izy ka nahafaty azy. Dia tonga mpanjaka nandimby ny toerany izy, tamin'ny faharoapolo taona nanjakan'i Jotama zanak'i Ozia. 31 Raha ny amin'ny raharaha hafa mahakasika an'i Peka, sy izay rehetra nataony, dia voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely izany. 32 Tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Peka zanak'i Remalia, mpanjakan'Israely, dia nanomboka nanjaka i Jotama zanak'i Azaria, mpanjakan'i Joda. 33 Dimy amby roapolo taona izy fony nanomboka nanjaka; nanjaka nandritra ny enina ambin'ny folo taona tao Jerosalema izy. Jerosa no anaran'ny reniny; zanaka vavin'i Zadoka izy. 34 Nanao izay marina teo imason'i Yaveh i Jotama. Nanaraka ny ohatra rehetra izay nataon'i Azaria rainy izy. 35 Kanefa, tsy mba nesorina ireo toerana avo. Mbola nanao sorona sy nandoro ditin-kazo manitra teo amin'ireo toerana avo ihany ny vahoaka. Natsangan'i Jotama ny vavahady ambonin'i Yaveh. 36 Raha ny amin'ireo raharaha hafa mahakasika an'i Jotama, sy izay rehetra nataony, moa tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'i Joda ve izany? 37 Tamin'izany andro izany Yaveh dia nanomboka naniraka an'i Rezina mpanjakan'i Arama, sy Peka zanak'i Remalia, hanohitra an'i Joda. 38 Nodimandry niaraka tamin'ireo razambeny i Jotama ary nalevina niaraka tamin'ireo razambeny tao amin'ny tanànan'i Davida, razany. Ary i Ahaza, zanany lahy, no lasa mpanjaka nandimby ny toerany.