Toko faha 13

1 Tamin'ny taona fahatelo amby roapolo naha-mpanjakan'i Joda an'i Joasy zanaka lahin'i Ahazia, no nanomboka nanjaka teo amin'Israely tany Samaria i Joahaza; fito ambin'ny folo taona izy no nanjaka. 2 Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy ary nanaraka ireo fahotan'i Jeroboama zanaka lahin'i Nebata, izay nahatonga an'Israely hanota; ary tsy niala tamin'izany i Joahaza . 3 Nirehitra tamin'Israely ny fahatezeran'i Yaveh, ary nanolotra azy ireo teny an-tanan'i Hazaela mpanjakan'i Syria hatrany Izy ary teny an-tanan'i Beni-Hadada zanaka lahin'i Hazaela. 4 Ka dia niangavy an'i Yaveh i Joahaza, ary nihaino azy Izy satria hitany ny fampahoriana ny Israely, ny fomba nampahorian'ny mpanjakan'i Syria azy ireo. 5 Ka nomen'i Yaveh mpamonjy ny Israely, ary nitsoaka avy tamin'ny tanan'ireo Syriana izy ireo, ary ny zanak'Israely nanomboka nitoetra tany amin'ireo fonenany arak'izay nananan'izy ireo tany aloha. 6 Na izany aza anefa, dia tsy niala tamin'ireo fahotan'ny ankohonan'i Jeroboama izy ireo, izay nahatonga ny Israely hanota, ary nanohy izany izy ireo, ary ny baon'Aseraha nijanona tany Samaria. 7 Ka nandao an'i Joahaza ireo Syriana niaraka tamin'ny mpitaingin-tsoavaly dimampolo, kalesy folo, ary miaramila an-tongotra iray alina fotsiny, fa ny mpanjakan'i Syria efa nandrava azy ireo, ary nanao azy ireo toy ny akofa amin'ny fotoam-pikosoham-bary. 8 Raha ny amin'ireo zavatra hafa mahakasika an'i Joahaza, sy izay nataony rehetra ary ny fahefany, moa tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely ve izany? 9 Ka nodimandry tany amin'ireo razany i Joahaza, ary nandevina azy tany Samaria izy ireo. Dia i Joasy zanany lahy no lasa mpanjaka teo amin'ny toerany. 10 Tamin'ny taona fahafito amby telopolo naha-mpanjakan'i Joda an'i Joasy, ny fanjakan'i Joasy zanaka lahin'i Joahaza dia nanomboka teo amin'Israely tany Samaria; enina ambin'ny folo taona no nanjakany. Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy. 11 Tsy mbola niala tamin'ireo fahotan'i Jeroboama zanaka lahin'i Nebata izy, izay nampatonga an'Israely hanota, saingy tany amin'ireny no nandehanany. 12 Raha ny amin'ireo zavatra hafa mahakasika an'i Joasy, sy izay nataony rehetra, ary ny heriny tamin'izay niadiany tamin'i Amazia mpanjakan'i Joda, moa tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'ny Israely ve izany? 13 Dia nodimandry tany amin'ireo razambeny i Joasy, ary i Jeroboama no nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany. Dia nalevina niaraka tamin'ireo mpanjaka tany Samaria i Joasy. 14 Ary narary nohon'ny aretina iray izay nahafaty azy i Elisa taty aoriana, ka nidina tany aminy i Joasy mpanjakan'Israely ary nitomany teo aminy. Hoy izy hoe: "Ry raiko, ry raiko, ireo kalesin'ny Israely sy ny mpitaingin-tsoavaly no maka anao!" 15 Dia hoy i Elisa taminy: "Makà tsipìka ary zana-tsipìka maromaro" Ka dia naka tsipìka sy zana-tsipìka maromaro i Joasy. 16 Hoy i Elisa tamin'ny mpanjakan'Israely hoe: "Ataovy eo amin'ilay tsipìka ny tananao," Ka nataony teo amin'izany ny tanany. Avy eo napetrak'i Elisa teo amin'ny tanan'ny mpanjaka ny tanany. 17 Hoy i Elisa hoe: "Sokafy miantsinana ny varavarankely." Dia nosokafany izany. Dia hoy i Elisa hoe: "Tifiro", ka nitifitra izy. Dia hoy i Elisa: "Izany no zana-tsipìkam-pandresen'i Yaveh, zana-tsipìkam-pandresen'i Yaveh teo amin'i Syria, fa hanafika ireo Syriana any Afeka ianao mandra-pahalevonao azy ireo." 18 Dia hoy i Elisa hoe: "Raiso ireo zana-tsipìka," ka noraisin'i Joasy ireo. Dia hoy izy tamin'ny mpanjakan'Israely hoe: "Kapohy amin'ireny ny tany," ka nikapoka ny tany intelo izy, ary nijanona avy eo. 19 Saingy tezitra taminy ilay lehilahin'Andriamanitra ka nanao hoe: "Tokony indimy na inenina no namelezanao ny tany. Avy eo dia tokony nanafika an'i Syria ianao mandra-paharinganao izany, nefa ankehitriny intelo ihany ianao no hanafika an'i Syria." 20 Avy eo dia maty i Elisa, ary nandevina azy izy ireo. Ary nisy andiana Moabita nanafika ny tany tamin'ny fiatombohan'ny taona. 21 Raha nandevina ilay lehilahy izy ireo, dia nahita andiana Moabita iray izy, ka nanipy ilay vatana tao am-pasan'i Elisa. Raha vantany vao nahakasika ny taolan'i Elisa ny vatana mangatsiakan'ilay lehilahy, dia velona indray izy ary nitsangana. 22 Nampahory ireo Israely tamin'ny andron'i Joahaza mpanjaka rehetra i Hazaela mpanjakan'i Syria. 23 Nefa namindra fo ny Israely i Yaveh, ka nangoraka azy ireo ary nihantra azy ireo, nohon'ny fanekem-pihavanana nataony tamin'i Abrahama, Isaka, ary Jakoba. Ka tsy nandringana azy ireo i Yaveh, ary mbola tsy nandroaka azy ireo tamin'ny fanatrehany Izy. 24 Maty i Hazaela mpanjakan'i Syria, ka i Beni-hadada zanany lahy no lasa mpanjaka teo amin'ny toerany. 25 Namerina ireo tanàna izay nalaina tamin'i Joahaza rainy tamin'ny ady tamin'i Beni-hadada zanak'i Hazaela i Joasy zanak'i Hazaela. Intelo i Joasy no nanafika azy, ary naka ireo ny tanànan'Israely ireo indray izy.