1 Taorian'ny nahafatesan'i Ahaba dia nikomy hanohitra an'Israely i Moaba. 2 Dia nikarapoka teo amin'ny makarakara tao amin'ny efitranony ambony tao Samaria i Ahazia, ary naratra. Ka nalefany ireo mpitondra ny hafany ary hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Mandehana, manontania an'i Bala-zeboba, andriamanitr'i Ekrona, raha ho sitrana amin'ity ratrako ity aho." 3 Fa ny anjelin'i Yaveh nilaza tamin'i Elia Tisbita hoe: "Miaingà, miakara hihaona amin'ireo mpitondra ny hafatry ny mpanjakan'i Samaria, ary anontanio amin'izy ireo hoe: 'Satria ve tsy misy Andriamanitra ao Israely no handeha haka hevitra any amin'i Bala-zeboba, andriamanitr'i Ekrona ianao? 4 Noho izany dia hoy i Yaveh hoe: "Tsy hidina avy eo amin'ny fandrianao izay efa niakaranao ianao; fa kosa, ho faty tokoa ianao."'' Avy eo dia lasa i Elia. 5 Rehefa niverina tany amin'i Ahazia ireo mpitondra hafatra, dia hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Fa ahoana no niverina ianareo?" 6 Hoy izy ireo taminy: "Nisy lehilahy iray nihaona taminay nilaza hoe: 'Miverena any amin'ny mpanjaka izay nandefa anareo, ary lazao azy hoe: "Izao no lazain'i Yaveh: 'Satria ve tsy misy Andriamanitra ao Israely no nandefa ny olonao haka hevitra any amin'i Bala-zeboba, andriamanitr'i Ekrona ianao? Ka noho izany dia tsy hidina avy eo amin'ny fandrinao izay efa niakaranao ianao; fa kosa, ho faty tokoa ianao.""' 7 Ahazia niteny tamin'ireo mpandefa ny hafany hoe: "Lehilahy tahaka ny ahoana, izany olona nihaona taminareo ary nilaza ireo teny ireo izany?" 8 Izy ireo namaly azy hoe: "Nitafy akanjo vita amin'ny volo izy ary fehin-kibo hoditra teo amin'ny andilany." Ary ny mpanjaka namaly hoe: "Elia Tisbita izany." 9 Ary nandefa kapiteny miaraka amin'ny miaramila dimampolo ho any amin'i Elia ny mpanjaka. Niakatra tany amin'i Elia izay nipetraka tany an-tampon-kavoana ilay kapiteny. Hoy ilay kapiteny taminy hoe: "Ianao, ry lehilahin'Andriamanitra, nilaza ny mpanjaka hoe: 'Midìna."' 10 Elia namaly ary nilaza tamin'ilay kapiteny hoe: "Raha lehilahin'Andriamanitra aho, aoka hilatsaka avy eny amin'ny lanitra ny afo ary handevona anao sy ireo dimampolo lahinao." Dia nilatsaka avy teny amin'ny lanitra ny afo ary nandevona azy sy ireo dimampolo lahiny. 11 Nandefa kapiteny hafa indray niaraka tamin'ireo miaramila dimampolo ho any amin'i Elia i Ahazia mpanjaka. Hoy koa izany kapiteny izany tamin'i Elia hoe: "Ianao, ry lehilahin'Andriamanitra, nilaza ny mpanjaka hoe: 'Midìna faingana."' 12 Elia namaly ary nilaza tamin'izy ireo hoe: "Raha lehilahin'Andriamanitra aho, aoka hilatsaka avy eny amin'ny lanitra ny afo ary handevona anao sy ireo dimampolo lahinao." Dia nilatsaka avy teny amin'ny lanitra indray ny afon'Andriamanitra ary nandevona azy sy ireo dimam-polo lahiny. 13 Mbola nandefa vondrona mpiady dimampolo fanintelony indray ny mpanjaka. Niakatra io kapiteny io, nandohalika teo anoloan'ny Elia izy, ary niangavy azy sy nilaza taminy hoe: "Ianao, ry lehilahin'Andriamanitra, mangataka aminao aho, aoka ho sarobidy eo imasonao ny aiko sy ny ain'ireto mpanomponao dimampolo ireto. 14 Eny tokoa, nilatsaka avy eny amin'ny lanitra ny afo ary nandevina ireo kapiteny anankiroa voalohany mbamin'ireo lehilahiny, fa ankehitriny aoka ho sarobidy eo imasonao ny aiko." 15 Ary ny anjelin'i Yaveh nilaza tamin'i Elia hoe: "Midìna miaraka aminy. Aza matahotra azy." Ka nitsangana Elia ary nidina niaraka taminy ho any amin'ny mpanjaka. 16 Taoriana kelin'izany dia hoy Elia tamin'i Ahazia hoe: "Izao no nolazain'i Yaveh: 'Efa nandefa mpitondra hafatra haka hevitra tany amin'i Bala-zeboba, andriamanitr'i Ekrona ianao. Satria ve tsy misy Andriamanintra ao Israely izay afaka angatahinao fampahafantarana? Koa ankehitriny, tsy hidina avy eo amin'ny fandriana izay niakaranao ianao; fa ho faty tokoa ianao."' 17 Dia maty araka ny tenin'i Yaveh izay nolazain'i Elia i Ahazia mpanjaka. Jorama no nanomboka nanjaka teo amin'ny toerany, tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Jehorama zanak'i Josafata mpanjakan'i Joda, satria tsy nanan-janaka i Ahazia. 18 Ary ny amin'ireo raharaha hafa mahakasika an'i Ahazia, moa tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'Israely ve izany?