1 Hanomboka hidera-tena indray ve izahay? Izahay dia tsy mila ireo taratasy fanamarianana aminareo na avy aminareo, toy ny olona sasany, sa tsy izany? 2 Ny tenanareo no taratasy fanamariananay, izay voasoratra ao am-pontsika, izay fantatra ary vakian'ny olona rehetra. 3 Ianareo dia maneho fa taratasy fanambarana avy amin'i Kristy, izay natolontsika. Izany dia tsy voasoratra tamin'ny ranomainty fa tamin'ny Fanahin'ilay Andriamanitra velona. Izany dia tsy voasotratra teo amin'ny takela-bato, fa teo amin'ny takelaky ny fon'ny olombelona. 4 Ary izany no toky izay ananantsika eo anatrehan'Andriamanitra amin'ny alalan'i Kristy. 5 Isika dia tsy mahefa amin'ny tenantsika mba handray na inona na inona izay avy amintsika. Fa kosa, ny fahefantsika dia avy amin'Andriamanitra. 6 Andriamanitra no nanao antsika mba ho mpanompon'ny fanekena vaovao. Izany dia fanekena tsy avy amin'ny soratra fa an'ny Fanahy. Fa ny soratra mamono, ary ny Fanahy manome aina. 7 Ary ny asa izay niteraka fahafatesana - dia voasoratra teo ambonin'ny vato - dia tonga tamim-boninahitra lehibe ka ny vahoakan'Israely dia tsy afaka nibanjina ny tavan'i Mosesy. Izany dia noho ny voninahitry ny tavany, ny voninahitra izay nihalevona. 8 Ho voninahitra lehibe toy ny ahoana ny asa izay ataon'ny Fanahy? 9 Fa raha nanana voninahitra ny asan'ny fanamelohana, dia ho toy ny ahoana ny fitomboan'ny voninahitry ny asan'ny fahamarinana! 10 Satria tokoa, izay nomena voninahitra indray mandeha dia tsy hanam-boninahitra intsony amin'izany fomba izany, noho ny voninahitra izay mampitombo izany. 11 Fa raha izay nandalo fotsiny no nanana voninahitra, dia tsy hanana voninahitra mihoatra noho izany ve izay maharitra! 12 Satria manana toky tahaka izany isika, dia sahy tokoa. 13 Isika dia tsy tahaka an'i Mosesy, izay nanarona ny tavany tamin'ny voaly, mba tsy hahafahan'ny vahoakan'Israely mijery azy mivantana amin'ny fiafaran'ny voninahitra izay nandalo ihany. 14 Fa ny sain'izy ireo dia donto. Na dia mandrak'ankehitriny izany voaly izany dia mbola mijanona eo amin'ny famakiana ny fanekena taloha. Tsy misokatra izany, satria ao amin'i Kristy ihany izany no esorina. 15 Nefa na dia ankehitriny aza, na rahoviana na rahoviana no vakiana ny lalàn'i Mosesy, dia manarona ny fon'izy ireo ny voaly. 16 Nefa raha mitodika amin'ny Tompo ny olona, dia esorina ny voaly. 17 Ary ny Tompo dia Fanahy. Izay misy ny Fanahin'ny Tompo, dia misy fahafahana. 18 Ary isika rehetra, tsy misarom-boaly, dia mahita ny voninahitry ny Tompo. Isika dia efa voaova ho ao amin'ny voninahitra mitovy izay avy amin'ny voninahitra ho amin'ny voninahitra, izay avy amin'ny Tompo, izay tsy iza fa ny Fanahy.